47,5%-n’ny lava-drano fantatra fa misy any Atsimo-Andrefana ihany no mbola miasa, araka ny vokatry fanisana nataon’ny UNICEF
Toliary, 14 Aogositra 2024 – 47,5 isan-jato monja amin’ireo lava-drano voaisa sy natao angon-drakitra avy amin’ny distrika efatra tany amin’ny faritra Atsimo-Andrefana no mbola miasa amin’izao fotoana izao. Manakaiky ny 63 isan-jato amin’ireo lava-drano ireo kosa no hita fa voapoizin’ny bakteria avy amin’ny maloto-na fivalanana. Ireo no vokatra fototra azo avy tamin’ny fanisana faobe nataon’ny Fikambanana SAHI. Ny Fikambanana SAHI moa dia mpiara-miombon’antoka amin’ny UNICEF amin’ny fampiharana ny tetikasa Mionjo.Ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny Ministeran’ny Rano, ny Fidiovana ary ny Fahadiovana (MEAH) no nanomboka ity fandaharanasa ity, ary notohanan’ny Banky Iraisam-pirenena izany. Nampahafantarina tamin’ny atrikasa nokarakarain’ny MEAH sy ny UNICEF tao Toliary androany ireo vokatry ny fanadihadiana natao ireo.
Mikendry ny hanamafisana ny fahafahan’ny mponina miatrika ny olan’ny ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny haintany any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara ny tetikasa Mionjo. NIlaina ny nanaovana io fanisana io mba hahafahana mandray fanapahan-kevitra mikasika ireo asa fanarenana sy izay mety hofomba tsara indrindra azo anavaozana ireo lava-drano efa misy mba hanomezana rano fisotro madio ho an’ny vahoaka, araka izay azo tratra. Natao nandritra ny volana aprily ka hatramin’ny jolay 2024 tao amin’ny distrika efatra ireo fotodrafitrasa momba ny rano ireo : Betioky Atsimo, Ankazoabo, Beroroha ary Ampanihy Avaratra-Andrefana . Nojerena tamin’izany ny foto-drafitrasamisy eny anivon’ny eny amin’ny fiarahamonina sy eny amin’ny andrim-panjakana toy ny sekoly sy tobim-pahasalamana. Nojerena ihany koa ny fomba fitantanana voarakitra momba azy ireny. Farany dia nisy ihany koa fitiliana ny rano mba hanitana ny kalitao sy ny fahadiovany
Nahitana tsy fitoviana lehibe ny vokatry ny fanisana azo tamin’ny fanisana. Toy izao manaraka izao ny vokatra raha ny fahafaha-misitraka rano no jerena: misy lava-drano miisa 446 any Ampanihy Andrefana raha 226 kosa ny any amin’ny ditrikan’Betioky Atsimo , 4 monja ho an Ankazoabo ary 1 ho an’I Beroroha .
Zara fa misitraka rano, fahadiovana sy fidiovana koa ny sekoly. 23% -n’ny sekoly monja no manana foto-drafitrasa ho an’ny fisitrahana rano, ary 20% ihany no manana fotodrafitrasa momba ny fahadiovana. Ho an’ireo tobim-pahasalamana kosa dia 25% no manana rano fisotro madio, saingy 2% monja amin’ireo no manana trano fidiovana manara-penitra. Hita tamin’ny fanadihadiana fa ny fomba fitantanana no antony lehibe iray hiantohana ny fampandehanana ireo fotodrafitrasa misy
Hanampy ny Fanjakana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny rano, fahadiovana ary fidiovana sy ny mpiara-miombonantoka aminy hanana angon-drakitra azo antoka sy havaozina isanandro ny vokatra azo avy amin’ity fanisana ity. Ho an’ny tetikasa Mihonjo manokana dia hanampy azy ireo hahafantatra ny toerana tokony hokendrena hahafahana mamaha ny olan’ny tsy fahampian-drano sy hampitombo ny toerana azo vatsiana rano fisotro madio ity angon-drakitra ity. Misy angom-baovao azo alaina koa amin’ny valin’ity vokatra ity mikasika ny angon-drakitra mifandraika amin’ny fandaharanasa faharaha-maso ny asa iarahan’ny OMS sy UNICEF manao. Ary ho lasa angom-baovao fandrefesana maneran-tany mikasika ny fisitrahana rano madio izany.
Mbola kasaina hotohizana any amin’ireo distrika Amboasary, Taolagnaro ary Betroka ao amin’ny Faritra Anosy, ary any Ambovombe, Tsihombe, Beloha, Antanimora ary Bekily ao amin’ny Faritra Androy ihany koa ity fanisam-bokatra ity, mba hananana sary feno momba ny toe-draharaha mikasikany rano, ny fidiovana ary ny fahadiovana any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara.
Fifandraisana
Momba ny UNICEF
Ny UNICEF dia miasa any amin'ny toerana marefo manerana izao tontolo izao mba hanatratrarana ireo ankizy sahirana indrindra. Any amin'ny firenena 190, miasa ho an'ny ankizy tsirairay izahay, na aiza na aiza, mba hanorina tontolo tsara kokoa ho an'ny rehetra.
Araho ny UNICEF amin'ny X, Facebook, Instagram sy LinkedIn