Zavatra 5 tokony ho fantatra mahakasika ny fitahirizam-bola ho an’ny vondrom-piarahamonina

Ny foto-kevitr'izany vondrom-piarahamonina izany dia mifototra amin'ny famporisihana ny mpikambana hanao tahirim-bola kelikely tsy tapaka, sady manolotra azy ireo fahafahana mindrana vola avy amin'ny tahirim-bola iombonana.

Abela Ralaivita
Ambonaivo village, Vavatenina District, Analanjirofo Region, Madagascar: Portrait photo of Claudia’s the community savings group
UNICEF Madagascar/2024/RALAIVITA
07 Oktobra 2024

1 – Ireo vondrona misahana tahirim-bola ho an’ny vondrom-piarahamonina ireo dia antsoina hoe "Lakile telo" eny anivon’ny vondrom-piarahamonina sasany. Ny nahatonga io anarana io dia satria ny boaty na ny vata misy ny tahirim-bola dia voahidy amin’ny alàlan’ny kadanà telo, ka ny fanalahidy tsirairay dia tazomin'ny mpikambana hafa ao amin'ny vondrona mba hiantohana ny mangarahara. Isaky ny fotoam-pivoriana dia sokafana eo anatrehan’ny rehetra ilay vata fitehirizam-bola, eo ambany fanaraha-mason’ny mpitantam-bola, ka manamafy ny fahatokisana sy ny fahazoana antoka amin’ny lafin’ny fitantanam-bola izany.  

Ambonaivo village, Vavatenina District, Analanjirofo Region, Madagascar: Three members of the community savings group opening the box containing the collective fund and administrative documents before the meeting begins.
UNICEF Madagascar/2024/RALAIVITA

2- Tanterahaina isan-kerinandro ny fihaonan’ireo vondrona ireo, izay mifototra amin’ny foto-kevitry ny firaisankina sy ny fifanohanana. Ny fiaraha-mitantana no fomba fiasa ao anatin’ilay vondrona, ka ny fanapahan-kevitra rehetra dia raisina miaraka, hany ka manamafy ny firaisan-kina sy ny fifampitokisana eo amin’ireo samy mpikambana izany

Ambonaivo village, Vavatenina District, Analanjirofo Region, Madagascar: The treasurer transparently handling the accounts during the community savings group meeting. Claudia, an ambitious young woman from Ambodivoanio, saw her life and that of her family transformed after joining a community savings group supported by UNICEF and its partners.
UNICEF Madagascar/2024/RALAIVITA

3- Vehivavy ny ankamaroan'ny mpikambana ao amin'ireo vondrona misahana tahirim-bola ireo. Rehefa miditra amin’izany vondrona izany izy ireo dia afaka manamafy ny fahaleovantenany ara-bola, manohana ny fianakaviany ary mandray anjara mavitrika kokoa amin'ny fanapahan-kevitra eo amin’ny lafiny  ara-toekarena eo anivon'ny fiarahamonina. Mandray anjara amin'ny fampizakan-tena ny vehivavy sy ny fampidirana azy ireo any anatin’ny hetsika fampandrosoana eo an-toerana ihany koa izany fandraisan’andraikitra izany.

Ambonaivo village, Vavatenina District, Analanjirofo Region, Madagascar: Members enjoying snacks after the community savings group meeting.
UNICEF Madagascar/2024/RALAIVITA

4- Ankoatra ny fianarana momba ny fitantanam-bola, ireo vondrona ireo dia mikarakara hetsika mikendry ny fahatsaram-piainan’ny ankizy. Ahitana tsy tapaka fampiofanana mikasika ny fomba fanao mifandraika amin’ny sakafo ara-pahasalamana, atrikasa momba ny lalao fanabeazana ho an’ny tanora, ary hetsika fanentanana mikasika ny fiarovana ny zaza ihany koa eny anivon’izy ireny. Mitondra ny anjara birikiny amin’ny fanatsarana ny fari-piainana sy ny fampivoarana ny ankizy eo anivon’ny fiarahamonina izany hetsika izany

Ambonaivo village, Vavatenina District, Analanjirofo Region, Madagascar: Claudia and her 18-month-old daughter, Jenica, enjoying snacks after the community savings group meeting.
UNICEF Madagascar/2024/RALAIVITA

5- Any amin'ny vondrom-piarahamonina sasany dia mikarakara fifaninanana ny vondrona misahana tahirim-bola mba hamporisihana ny fanavaozana sy ny fandraisan’anjaran'ireo mpikambana. Izany hetsika izany dia mandrisika ny fandraisana anjara, mampirisika ireo mpikambana amin’ny fanaovana tahiry, ary mandrisika ny fandraharahana ao anatin'izany vondrona izany. Ahafahan’ireo mpikambana mifampizara hevitra ihany koa ireny fifaninanana ireny, ka manangana sehatra fianarana iombonana.

Ambonaivo village, Vavatenina District, Analanjirofo Region, Madagascar: Portrait photo of Claudia’s the community savings group.
UNICEF Madagascar/2024/RALAIVITA

Fanamarihana: any amin’ny faritra Analanjirofo, ny UNICEF sy ny mpiara-miombon’antoka aminy dia manohana ireo vondrona ireo, ao anatin’ny tetikasa Hafa velontegna, amin’ny alàlan’ny famatsiam-bola avy amin’ny Komity Nasionaly hollandais ho an'ny UNICEF.