Vehivavy efatra, lalana nodiavina efatra mahavariana sy manome aingam-panahy
Manokatra ny tontolony ho antsika ireo vehivavy ireo mba hanamarihana ity Andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy ity

Nellie Anjaratiana, ilay hery mangina ananan'ny Miss Madagasikara ao ambadik’ireo kambana avy any Mananjary


Tamin'ny faha-25 taonany, i Nellie Anjaratiana, avy any Port-Bergé any avaratr’i Madagasikara, dia nahita ny fiainany niova ho tantara mahafinaritra tsy mampino, fa indrindra indrindra niova ho fahafahana miaro ny zon'ny ankizy, indrindra ireo zaza kambana an'i Mananjary. Ireo zaza ireo dia nilaozana tamin'ny fotoana nahaterahany ary tsy nanana ny zony intsony izy ireo noho ny fomba amam-panao any amin'ny faritra atsimo atsinanan'i Madagasikara.
Voafidy ho Miss Madagascar 2020 i Nellie Anjaratiana ary nanomboka teo dia niha-nalaza izy ary nampitombo ny asa soa sy ny hetsika mitsinjo ny maha-olona nokarakarainy.
Ity tovovavy ity dia mipetraka any Frantsa ankehitriny izay iasany eo amin'ny sehatry ny fiantohana sy ny fikambanam-piantohana. Saingy ny fony kosa dia mitoetra hatrany eto Madagasikara mba hahafahany mamita ny adidiny hatramin'ny naha-lany azy ho Miss. « Ny maha-Miss ahy dia fomba hahafahako mitondra ny anjara birikiko mba hampamiratra an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena: ny fampahafantarana ny firenena sy ny soatoavina ananany izay manandanja lehibe tokoa ho an'ny fikarakarakarana ny Miss World, » hoy i Nellie, izay olona malala-tanana, tsotra sy tia milaza ny marina.
Ny mampiavaka azy dia noho izy mandray ny fiainana ho toy ny fanamby isan'andro amin’ny alàlan’ny fiezahana mivoatra sy hanana toetra tsara kokoa hatrany. Izany dia manampy azy hanana fijery tena mitombina sy hifikitra hatrany amin'ny soatoavina ananany.
Ao ambadik'ity hery mangina ity dia misy hery manosika mahery vaika ho amin’ny fandrosoana sy fanovana izao tontolo izao. I Nelly dia mikasa ny hikarakara hetsika fanentanana ho an'ireo ivontoerana mandray an-tanana ireny zaza kambana nilaozana any Mananjary ireny, ary hanentana izao tontolo izao mikasika izany mba hahazoana loharanom-bola bebe kokoa. Ny nofinofiny tsara indrindra dia ny handresy lahatra ny ekipan'ny Miss World ao anatin’ny fanamby « Beauty with a purpose » amin’ny alàlan’ny tetik’asany, entina manasa azy ireo ho tonga aty Madagasikara mba hijery akaiky io toe-javatra io sy hanohana izany.
Ny fanamby napetrany dia ny fisorohana ny fandaozana ireo zaza ireo sy hanolotra toerana entina miaro azy ireo mba hahafahany mitombo ao anatin'ny tontolo azo antoka sy be fahamoram-panahy. Ary farany, te handresy lahatra ny ray aman-dreny izy amin'ny alàlan'ny fandraisana ireny zaza ireny ho toy ny fanomezam-pahasoavana, fa tsy sanatria toy ny ozona. Misy ny dingana lehibe efa vita, dia tsy inona izany fa ny fanohanan'ny fanjakana Malagasy ireo zaza izay nilaozana ireo.
« Ny zaza tsirairay dia manan-jo ny ho tiavina sy hokarakaraina mba hitomboany ao anaty tontolo azo antoka sy salama, » hoy ny fanazavany. Ny fizarana sy ny fampahalalana an'izao tontolo izao ny tranga mikasika ireo zaza any Mananjary ireo dia tena zava-dehibe ho azy mba hahafahany mitondra fanovana. Satria izy dia teraka tao anatin’ny fianakaviana maro anaka dia tsapany fa tsy rariny raha toa ka melohina dieny mbola eny amin'ny fahaterahany ny zaza iray.
Izany no nanosika azy handroso bebe kokoa eo amin'ny sehatry ny maha-olona. « Fahafinaretana ho ahy ny manatanteraka asa momba ny maha-olona satria eo amin’io sehatra io no hahatsapako ny tena anjara-toerako amin'ny alàlan’ny fizarana ho an'ireo olona mila izany. »
Saingy tsy mijanona hatreo ny nofy ho an'ity tovovavy tanora ity. Mikasa ny hanohy ny fianarany aorian'ny maha-Miss Madagascar azy izy, fa ambonin'izany rehetra izany dia maniry ny hanohy ny asa soa sy ny asa mitsinjo ny maha-olona ihany koa izy. Rehefa niverina teto Madagasikara i Nellie Anjaratiana ho fiomanana amin’ny fifaninanana Miss Monde dia niarahaba ny vehivavy rehetra izy amin’ity andron’ny vehivavy ity. « Ny vehivavy no niaingan’ny fiainana ary matanjaka kokoa noho ny eritreretinao ianao. Mahatokia ny tenanao sy ny fahaiza-manao ananao. Meteza ho marina, tso-po ary asehoy ny maha-ianao anao; ampitao hatrany ny fandriam-pahalemana ary mahaiza mamorona ny fahafahanao manokana, » hoy izy namarana ny hafatra ho an'ireo vehivavy.
Manamboninahitra miaramila i Miharisoa Barinia, mikarakara fatratra ireo angidimby ao amin’ny tafika an-habakabaka


Tena miavaka tsotra izao ny làlana nodiavin’i Miharisoa Barinia Rakotonirina. Tsy azo isalasalana ny maha-tena miaramila manam-pahaizana azy. Tsy vitan’ny hoe izy no vehivavy voalohany niditra tao amin'ny tafika an'habakabaka Malagasy tamin'ny taona 2011 taorian'ny nahafahany am-pahamendrehana tamin’ny fifaninana hidirana tao amin'ny sekoly Frantsay fampiofanana manamboninahitra tany Frantsa. Nanomboka teo dia nifidy ny ho lasa « mécanicienne en aéronautique » na teknisiana mikarakara fiaramanidina izy. Azo lazaina hoe lôjika ihany izany làlana izany taorian'ny fiomanana roa taona nataony tao amin'ny Ecole Supérieure Polytechnique d'Antananarivo (ESPA).
Ataovy an-tsaina ny latabatra fiasany, ny Ecureuil AS 350 B2 - iray amin'ireo angidimby izay nanova ny tontolon'ny fitaterana an-habakabaka.
« Nandritra ny fiofanako tany Frantsa dia afaka nianatra tao amin'ny sampana izay tsy sahiko nofinofisina velively aho saingy nisokatra ho ahy tamin'izany fotoana izany, raha toa ka miasa mafy mazava ho azy, » hoy izy.
Fony mbola kelikely izy dia tsy tao an-tsainy mihitsy io safidy io na dia nieritreritra aza izy fa nanana ny fahaizana rehetra nilaina tamin’izany. Satria voalaza fa tena matotra sy tan-dalàna ary tia mametraka ny fahefany, ... (matetika no solontenan’ny mpianatra ao an-dakilasy) izy dia efa voasoritra ny hoaviny.
"Ny fiasana ao amin'ny Tafika an’habakabaka dia tsy isalasalana fa fomba iray ahafahako mampifanaraka ny toetrako amin'ireo haitao ananako. Araka ny voalazan’ireo zoky avy ao amin'ny ESPA dia mbola sarotra ny mandray anao ho matotra eo amin’ny sehatry ny asa raha toa ka vehivavy sy siantifika ary te hiditra eo amin'ny tsenan'ny asa ianao. Tsy tiako mihintsy izany hoe ho eo ambany vahoan’ireo mpampiasa izay hijery ahy ambony ambany izany na koa hoe hanome vahana ny lehilahy izay manana fahaiza-manao mitovy amiko raha sendra mitranga izany. Tiako ny nampitombo fahalalako ara-tsaina ary nahomby izany, tamin'ny alàlan'ny fandraisako anjara tamin’ny fifaninanana nahitana mpandray anjara mihoatra ny 1000 … Izaho irery no voaray tamin’izany, » hoy hatrany izy.
Saingy tsy mora araka ny noeritreretiny ny làlana nombana. Tsy mbola nisy zavatra azo hatreto. « Tany amin'ny sekoly fiofanana aho dia efa niharan'ny fanakavahana ara-pananahana sy fanavakavaham-bolon-koditra. Ny fiaretana ireo karazana fanavakavahana roa ireo isan'andro dia nahatonga ahy nanao zavatra tsy dia nahazoako aina loatra. Ady isan'andro ny nampisehoana fa ampy fahaizana ary manana ny toerako aho. Ny zavatra sarotra indrindra ho an'ny vehivavy ao amin'ny tafika dia ny fahafantarana fa ny 80% amin'ireo lehilahy manodidina antsika dia mieritreritra fa mangalatra ny toerana tokony ho an’ny lehilahy hafa ao amin'ilay ivontoerana isika. Niatrika ny fitsapam-pahaizana aho ary izaho no nahazo ny vokatra tsara indrindra. Vokatr'izany dia mendrika tanteraka ny toerako aho, » hoy ny fanazavany.
Rehefa tapitra ny fiofanana, teo amin'ny faha-21 taonany, dia tsy mora velively ho an'i Miharisoa ny fiverenana an-tanindrazana. Ny toe-tsaina malagasy mantsy dia mbola miorim-paka be amin'ny fanomezan-danja ny zokiolona lehilahy. Efa sarotra ho an'ny zatovolahy ny to-teny sy mahazo fanajana avy amin'ny olona eo ambany fifehezany izay manana traikefa mihoatra ny 20 taona, ho an'ny vehivavy kosa vao mainka mafy kokoa izany. « Sous-lieutenant aho teo aloha ary nahazo ny fanendrana hiasa voalohany tao amin’ilay tobin’ny tafika an’habakabaka misy ahy. Ny olona sasany dia tena nahay vava mihitsy ka nampahalala ahy fa mitovy amin'ny taonan'ny zanany aho ary tsy manana baiko horaisina avy aty amiko izy ireo. Saingy, tsy toy izany ny fomba fiasa ao amin’ny tafika ary ny fitsipiky ny tafika dia mifototra amin'ny fanajana ny grady, mihoatra lavitra noho ny fanajana ilay olona. Nahavita nahatohitra izany rehetra izany aho tamin'ny alàlan'ny fikirizako rehefa nampiseho ohatra hatrany tamin’ireo mpiara-miasa tamiko aho, tamin'ny tsy famelana ahy ho kivy, tamin'ny fanasongadinana ny fahaizako ary ambonin'izany rehetra izany, tamin'ny tsy famelana ny fahalemeko hisongadina mihitsy. Tamin'ny voalohany dia sarotra tokoa izany satria mba hitazomana ilay sarontava dia toa mila miova ho toy ny olona hafa tanteraka ianao. Avy eo dia lasa toetoetra faharoa ilay fahazarana ary lasa olona henjana sy hentitra izay tsy milavo lefona ianao », hoy hatrany izy.
Amin'izao fotoana izao dia efa nahatratra folo taona ny traikefa azon’i Miharisoa ary mbola betsaka hatrany ny fanamby. Ny zavatra tsapany ankehitriny dia tsy maintsy manao ezaka avo roa heny noho ny lehilahy iray ny vehivavy mba hahazoany fankasitrahana sy fanajana mitovy amin’ny lehilahy. Amin'ny lafiny iray, ity toe-javatra ity dia nanosika azy hitroatra hatrany ka tsy hipetrapetra-poana mihitsy. Marihina fa ny tafika malagasy dia vao 20 taona lasa izay no nanomboka nandray vehivavy. Nandritra izay roapolo taona izay, toa an'ireo vehivavy namany, dia lasibatry ny fanararaotana sy fanavakavahana izy – tolona izay tsy maintsy atrehina eo amin'ny ireo sehatra voafaritra, ankoatry ny safidy nataon’ireo vehivavy ireo izay tsy mora mihitsy matetika. Ny fanohizana ny ady mba hahazoana antoka fa ho tafiditra ao anatin’ny tafika ny vehivavy aoriana kely ao dia lasa mihoatra lavitra nohon’ny ny tanjona fotsiny ihany.
« Ny antony manosika ahy handeha lavitra dia ny finoako fa tena hisy ny fitovian’ny lahy sy vavy. Matetika dia heverina amin'ny fomba diso fa io fangatahana io dia natao hanosehana ny vehivavy sasany amin'ny toerana tsy mendrika azy ireo na hanambaniana ny lehilahy. Ny tena marina anefa dia amin'ny maha vehivavy ahy dia manana anjara biriky manan-danja sy tena ilaina ho an’ilay ivontoerana misy ahy aho. Tsy inona izany fa ny fiaraha-miasa mba hahatonga izao tontolo izao ho tsaratsara kokoa. Ankoatry ny andraikitro mikasika ny fikojakojana ny angidimby ao amin’ny tafika an’habakabaka, izaho koa dia miandraikitra ny fampiofanana ireo teknisiana mahakasika izany eo anivon’ny tafika. Ny antony manosika ahy dia ny hampaharitra ny fahaiza-manao sy ny fahalalana ananako mba ho afaka ampiasain’ireo andian-tafika aty aoriana izany amin’ny alàlan’ny fanatanterahana ireo paik’ady napetraka eo anivon’ny etamazaoro. Ankehitriny, mirehareha aho nohon’ny làlana nizorako. Mazava ho azy fa mbola betsaka ny zavatra tokony hotanterahiko ary mbola betsaka ny tokony hohatsaraina, saingy tsapako fa mizotra tsara mankany amin’ny làlana entina manasongadina ny anjara-toerana sy lanjan’ny vehivavy Malagasy izany. »
« Ho antsika vehivavy, tsy maintsy mametraka fanamby ho antsika hatrany isika, tsy tokony mitsahatra amin’ny fandraisana andraikitra ary tsy tokony mipetrapetraka fahatany fa miady mba hisian’ny fanovana. Aza manaiky ny ho voahidy ao anaty boaty izay andidian'ny fiarahamonina antsika, satria raha vantany vao apetrantsika ao an-tsaintsika izany dia toy ny viriosy manimba antsika avy ao anaty izany, ka manimba ny fahafahantsika ... tsy manam-petra izay tokony ho karohintsika », hoy izy teo am-pamaranana – ilay vehivavy izay maniry ny ho lasa kômandin’ny tafika an’habakabaka indray andro any, na ho lehiben’ny etamazaoro mihintsy aza.
Neny Rasoa, ilay vehivavy mahery fo miaraka amin’ilay fiara Citroën Deux Chevaux manan-tantara


Iza no tsy mahalala an'i Celestine Randriambololona, antsoina koa hoe Neny Rasoa. Nivezivezy nanerana ny araben'i Antananarivo renivohitra tamin'ny fiarakodiany Citroën 2CV efa ho telopolo taona izy. Fantatra amin'ny maha vehivavy manana fivelarana ara-tsaina azy izy araka ny filazan’ny olona akaiky azy sy ireo mpanjifany izy. Niatrika tolona antaonany maro izy mba hahazoany ny toerany teo anivon’ny fiarahamonina, indrindra teo amin'ny tontolon'ny asa.
« Tadidiko ny niandohako. Vao 30 taona aho. Tovovavy nanandrana nitady ny toerany tao anatin’ny tontolon'ny lehilahy », hoy ny fitadidiany tamim-pitsikitsikiana. Mbola tsaroany ireo fandrika sy fanesoana nataon'ny olona azy nandritra ny fanatanterahany ny asany amin'ny maha-mpitondra fiarakaretsaka azy.
Ankehitriny, ity ramatoa lehibe manan-jafikely telo ity dia tena mirehareha fatratra tamin'ny làlana nalehany nahafahany tonga tamin’izao misy azy izao. Manao ny asa izay nofinofisiny mba hahazoany mampidi-bola entiny mivelona izy. Fantatry ny mponina eto an-drenivohitra maro ary ankafizin’izy ireo i Neny Rasoa ary mikasa ny hanohy izany asany izany izy.
Amin’ireo vehivavy mpamily fiarakaretsaka rehetra, i Neny Rasoa no tena nijanona tamin’izany asa izany ela indrindra. Mametraka fanamby hafa ho azy ny toe-javatra iainana anatin’ny tontolon'ny COVID-19. Ny Tsy afa-niala tamin’ireo fitsipika volamena fisorohana ity valan’aretina ity izy, tsy inona izany fa ny fanaovana aro-vava sy ny gel hydroalcoholic.
« Nisy fotoana tena nijanonany niasa mihitsy rehefa nampivarahontsana ny antontan’isa mikasika ny COVID teto Madagasikara », hoy i Volasoa Randriambololona, zanany vavy izay mahita ny reniny ho toy ny reniakoho tia miaro ny zanany sy reny manam-pikirizana. Io toe-tsaina mahay miatrika olana io no nampitainy tamin'ireo zanany telo.
Natao isan'andro ny famonoana otrikaretina tamin’ny fiarany teo aloha, fa ankehitriny kosa dia ataony isan-kerinandro izany. Manana hafatra ho an'ny vehivavy izy: « Tiavo ny zavatra ataonao ary mitadiava aingam-panahy… Aoka ianao hitoetra amin’ ny maha-ianao anao ».
Matina Razafimahefa, manohana ny sehatra fanabeazana nomerika ho an'ny tanora Afrikanina


Lalana nodiavina izay mety hanome aingam-panahy ny tanora, indrindra ny zazavavy. Teraka tany Côte d’Ivoire ary lehibe teto Madagasikara i Matina Razafimahefa ary nametraka ny fony tao Afrika. Na dia nandao an'i Madagasikara tamin'ny faha-10 taonany mba hianatra ny taranja tenisy aza izy dia mbola niraiki-po tanteraka tamin’i Madagasikara.
Taorian'ny fianarany momba ny siansa politika tao La Sorbonne Paris izy dia namorona ny start-up SAYNA; avy eo dia nifantoka tamin’izany tanteraka izy. « Nahita ny liseam-panjakana frantsay aho tamin'ny faha-15 taonako ary avy tao no nanomboka nahitako ny resaka fandraharahana. Niditra tao amin’ny La Sorbonne tany Paris tao amin'ny sampana siansa politika aho ary avy eo dia namorona ny SAYNA teo amin’ny taona faharoa. Noho izany dia nanapa-kevitra ny hampiato ny fianarako aho ary nifantoka tanteraka tamin’ny SAYNA 100% ».
Manana hery tsy hay tohaina ity tovovavy kely ity. Ny tanjony dia ny hahafahan’ny Afrikana an-tapitrisany maro mahazo fanabeazana nomerika tsara kalitao sy fahafaha-miasa manerana izao tontolo izao. Izany no nahatonga azy nikiry niaraka tamin’ny fikambanany SAYNA mba hahatonga ny Afrikanina an-tapitrisany maro hahazo fanabeazana ho an’ny haitao vaovao. SAYNA dia manome fahafahana ho an’ny tsirairay hiasa eo amin'ny sehatry ny niomerika, ka tsy ho atao sakana amin’izany ny curriculum vitae.
Rehefa avy niaina ady sarotra i Matina dia tsy nilavo lefona mihitsy izy. Amin'izao fotoana izao dia mirehareha izy fa nandroso, nitombo, nandalo dingana marobe izay nahatonga azy amin’izao toerana misy azy izao.
Manana toetra manam-paharetana izy; nahitam-bokany ireo ezaka nataony ireo satria tamin'ny taona 2020 dia nahazo ny laharana faha-2 tamin'ny “Prix Anzisha” izy, izay manome valisoa ho an’ireo fanavaozana notanterahan’ny tanora mpandraharaha Afrikanina.
« Ity loka ity dia nitondra rehareha lehibe ho an'ny fireneko, ny fianakaviako, ny ekipako ary ny SAYNA. Ity loka ity dia an'ny orinasako fa tsy ahy akory. Valisoa noho ny asa mafy rehetra tao anatin'izay 3 taona izay izy io ary tena mitondra fahafaham-po », hoy i Matina, izay mifantoka hatrany amin'ny tanjony. « Tsy nanova ny hetahetako ny Anzisha fa kosa nanafaingana ny fanatanterahana izany faniriana izany izy io », hoy hatrany izy.
Rehefa aoriana ao, ity faravavin’ny Fianakaviana Razafimahefa ity dia te-hamorona orinasa hahazoana tombony izay hanova ny fiainana andavanandron'ny olona an-tapitrisany maro amin'ny alàlan’ny famoronana asa.
Tsy mikasa ny hijanona eo izy ary ny tanjony dia ny fanovana ny fidirana amin'ny tsenan'ny asa amin'ny alàlan'ny fandraisan’anjaran’ny besinimaro na ny “crowdsourcing” ary ny fiantohana fa hahazo fanabeazana ho an’ny haitao vaovao ny olon-drehetra amin’ny alàlan’ny aterineto amin'ny vidiny tena mirary.
« Ny fijeriko dia tsy voafetra amin’ny fampiroboroboana ny tanora Malagasy ihany … fa indrindra indrindra ho an'ny tanora Afrikanina ihany koa. Tanora miatrika fahasahiranana manerana izao tontolo izao no hitako. Tanora izay hitantsika manerantany, araka ny fantatry ny UNICEF. Amin'ny maha mpandraharaha Malagasy ahy dia te hampiseho aho fa afaka manana faniriana mahavita mandingana ny sisintanintsika manokana isika. Indraindray mahatsiaro ho manirery aho, azo antoka izany. Kanefa tadidiko fa manana vondrom-piarahamonina mahatoky ahy aho, ekipa iray izay hiady eo akaikiko, olona manana petrabola izay mahatoky ahy, ary ambonin'izany rehetra izany dia ny fomba fijery iraisanay rehetra », hoy i Matina.
Ny finoany sy ny fahatokisany dia manampy azy handroso, toa ireo ray aman-dreniny ihany koa sy ny sakaizany.
« Ny tsirairay dia samy manana ny anjara-toerany avy mba hahafahana miara-mahita fandresena »,
Toy ny tovovavy an-tapitrisany, ny 8 martsa dia andro iray hankalazana ny tolon'ny vehivavy. « Minoa ny tenanao, mandraisa risika, ataovy olona izay mampivoatra anao ny manodidina anao ary asehoy ny tsara indrindra any aminao! »