UNICEF MADAGASCAR : Tetezamita mankany amin’ny angovo azo avaozina ho an’ny hoavy maharitra.

Fambitomboana ny fahaiza-manao eo an-toerana sy fampihenana ny entona karbôna mba hiarovana ny ankizy sy ny vondrom-piarahamonina.

Clémence Andrianaivoson
Misaina en train de charger son téléphone à partir de l’énergie solaire
UNICEF/UNI587821/Andrianantenaina
12 Jolay 2024

Nanomboka ny volana janoary 2023, ny UNICEF Madagascar dia niditra tamin’ny tetezamita mankany amin’ny angovo avy amin’ny herin’ny masoandro teny anivon’ireo biraony eny an-kianja, mba hiatrehana ireo olana ateraky ny fiovaovan'ny toetr'andro, indrindra ny fiantraikany amin'ny ankizy, araka ny voalaza tao amin'ny tatitra mikasika ny tondrom-pamantarana momba ny risika ara-toetr’andro eo amin’ny ankizy tamin'ny taona 2021. Voasongadina tamin’ilay tatitra fa ny ankizy eto Madagasikara dia anisan’ireo tena lasibatry ny  fiovaovan’ny toetr’andro. Ity hetsika ity dia mikendry ny hampiroboroboana ny asa maharitra, hampihenana ny famoahana entona karbôna ary hiantohana famatsiana herinaratra azo antoka. Fanampin'izany, ny fampiasana angovo avy amin'ny masoandro dia ahafahan'ny UNICEF manao fitsitsiana ara-bola ary mampiasa vola bebe kokoa ho an'ireo ankizy izay raisiny an-tanana, hany ka manamafy ny fahafahany mamaly ny filàna fototra ho azy ireo izany.

Ho an’ny biraon’ny UNICEF any Tolagnaro, any atsimon’i Madagasikara, nanamafy i Misaina, Mpitantana ny lafiny fanabeazana ao amin’ny Faritra Anosy, fa nanova ny fomba fiasan’ny ekipa iray manontolo ny fametrahana ny angovo azo avy amin’ny masoandro. Teo aloha dia very fotoana miandry ny fiverenan’ny herinaratra ny mpiasa aorian’ny fahatapahan-jiro lavareny. Manomboka hatreto dia afaka miasa amim-pahatoniana sy tsy misy fahatapahana izy ireo, ka mamaly haingana ny filàn’ny ankizy izany. « Tsy vitan’ny hoe nanao dingana lehibe tamin’ny fampiasana ny angovo azo avy amin’ny masoandro ny UNICEF, ka nanafaka ny birao tamin’ny fiankinan-doha amin’ny herinaratra mahazatra, fa nandray andraikitra lehibe ihany koa tamin’ny fiarovana ny tontolo iainana, » hoy hatrany i Misaina.

Embedded video follows

Tsy nihonona tamin’ny fametrahana rafitra mandeha amin’ny angovo avy amin’ny masoandro ao amin’ny biraony fotsiny  ihany ny UNICEF, fa nanitatra izany hetsika izany ho an’ireo mpahazo tombontsoa eny an-toerana ihany koa. Any amin’ny kaominina ambanivohitr’Andranobory, dia efa nametrahana fitaovana mifandraika amin’ny rano, fanadiovana sy fidiovana (WASH), toy ny fitaovana fanasan-tanana, trano fivoahana ary siniben-drano. Nanazava ny Ben’ny Tanàna, Mahavotsitsy Jean Christophe, fa teo aloha ny mponina dia tsy maintsy nandeha 25 kilometatra nihazo ny tanànan’Amboasary mba hahafahany misitraka ireo filàna fototra noho ny fahatapahan-jiro matetika. Noho ilay rafitra fahanan’ny angovo azo avy amin'ny masoandro napetraka tamin'ny taona 2023, dia efa misy eto an-toerana ireo tolotra ireo, hany ka manatsara tanteraka ny fari-piainan'ny mponina ary ahafahan'ny vondrom-piarahamonina mamaly tsara ny filàn’izy ireo amin’ny lafiny fahasalamana sy ny fahadiovan'ny mponina ao aminy izany.

Nanomboka tamin’ny taona 2023 izay nametrahana izany rafitra mandeha amin’ny angovo azo avy amin’ny masoandro izany teto amin’ity kaominina ity dia niova tanteraka ny fomba fiasa. Nanomboka teo dia afaka nofahanan’ny angovo azo avy amin’ny masoandro avokoa ny fitaovana informatika notoloran’ny UNICEF. Nohamafisin’ny Ben’ny tanàna fa « Ireo olona misotro ronono dia afaka manao dika mitovy ny taratasy fanamarinam-pahavelomana sy ny kara-panondrom-pirenen’izy ireo ao amin’ny biraonay. Azo atao araka izany ny manavao ny antontan-taratasin’izy ireo mikasika ny vola fisotroan-dronono ho an’ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy (CNAPS). Ankoatr'izany, ny sarany azo avy amin’ny fanaovana fotokopia dia arotsaka ao anatin’ny kitapom-bolanay, ka ahafahana mikojakoja ireo fitaovana informatika. »

Ny UNICEF Madagascar ihany koa dia nametraka takelaka fahanan’ny herin’ny masoandro (“panneaux solaires”) ao amin’ny Sampan-draharaha misahana ny fahasalamam-bahoaka eny anivon’ny distrikta (SDSP) ao amin’ny distrikan’Amboasary Atsimo nanomboka ny taona 2022. Nanamafy ny Inspektera mpitsabo, Dokotera Solofonirina Dera Nomenjanahary, fa io hetsika io dia ahafahana mitazona ny rojo mangatsiaka ilaina amin’ny fitehirizana ny vaksiny isan'andro mandritry ny 24 ora.

« Efa hatry ny ela no nandalovanay fotoan-tsarotra teto amin’ity distrika ity, satria tsy ampoizina ny fahatapahan-jiro ary mety maharitra ora maromaro na iray andro mihitsy aza izany. Noho ilay rafitra mandeha amin’ny angovo azo avy amin’ny masoandro, izay fanomezana avy amin’ny UNICEF, dia afaka mitahiry ny vaksiny ao anaty vata fampangatsiahana izay mahafeno ny fenitra takiana izahay ka afaka mizara izany indray any amin’ireo tobim-pahasalamana fototra (CSB) sy ireo mpamatsy tolotra hafa », hoy ny fanazavany.

Une fois son ordinateur alimenté, le maire se consacre à ses tâches en toute quiétude, à l'abri des perturbations liées aux coupures de courant.
Rehefa voafahana tsara ny solosainy dia afaka mifototra tsara amin'ny asany ao anatin'ny fitoniana tanteraka ny ben'ny tanàna,ka tsy voahelingelin’ny fahatapahan-jiro.
A Andranobory, situé dans le district d'Amboasary Sud de la région Anosy à Madagascar, le centre de santé a été équipé d'un système d'énergie solaire, y compris des réfrigérateurs et congélateurs de vaccins fonctionnant à l'énergie solaire, afin d'assurer un stockage adéquat des vaccins.
Ao Andranobory, ao amin’ny distrikan’Amboasary Atsimo, any amin’ny faritra Anosy, eto Madagasikara, ny tobim-pahasalamana dia efa manana fitaovana mandeha amin’ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro ; anisan’izany ny vata fampangatsiahana mandeha amin’ny herin’ny masoandro, mba hiantohana ny fitahirizana vaksiny.

Misitraka angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro ihany koa ny kaominina Ankaramena, ao amin’ny distrikan’Amboasary. Nanamafy izany i Natacha, mpampivelona sady lehiben’ny tobim-pahasalamana fototra eto amin’ity tanàna ity.

« Taloha izahay dia nampiasa vata fampangatsiahana mandeha amin’ny solika, saingy nitaky famatsiam-bola mitohy ny fampiodinana azy io mba hividianana lahin-jiro. Nijanona io famatsiam-bola io, ary nanomboka simba ilay vata fampangatsiahana. Tamin'ny taona 2022, nahazo takelaka fahanan’ny herin’ny masoandro sy vata fampangatsiahana vaovao izahay. Nanomboka teo dia vonona hatrany ireo vaksiny ho an’ny ankizy. Na izany aza dia miatrika olana maharitra hatrany izahay. Manana vondrom-piarahamonina 9 izay raisinay an-tànana izahay, kanefa dia vata fampangatsiahana valo ihany no ananay hitahirizana ireo fitaovana mpitahiry vaksiny ilaina mandritra ny fizarana izany vaksiny izany, » hoy i Natacha.

Ny resadresaka nifanaovana tamin’i Misaina mpiara-miasa aminay, ao anatin’ity horonantsary ity, dia manasongadina ny fiantraikan’ny fametrahana ny rafitra mandeha amin’ny angovo azo avy amin’ny masoandro ao amin’ny biraon’i Tolagnaro. Manamarika dingana lehibe mankany amin’ny hoavy maharitra sy manam-paharetana kokoa ity tetezamita ity, izay notanterahin’ny UNICEF Madagascar, vokatry ny fanohanana ara-bola avy amin’ny Fonds pour le Verdissement et l'Accessibilité (GrAF) sy ireo mpamatsy vola hafa. Amin'ny alàlan'ny fiantohana ny herin'aratra azo antoka sy ny fampihenana ny entona karbôna, ity hetsika ity dia tsy vitan'ny hoe manova ny toe-javatra iasana eny an-kianja sy ny tolotra ara-pahasalamana ihany, fa koa manamafy ny fahafaha-manao eo an-toerana mba ahafahana mandray an-tàanana tsara kokoa ny vondrom-piarahamonina. Izany andraikitra rehetra izany dia maneho ny fidirana an-tsehatry ny UNICEF amin'ny fiarovana ny tontolo iainana sady mamaly ara-dalàna ny filàn'ny ankizy sy ny fianakaviana, ka noho izany dia miantoka  tombontsoa maharitra.

Natacha contrôle la température nécessaire pour le stockage adéquat des vaccins.
Manamarina ny maripana ilaina amin'ny fitahirizana ara-dalàna ny vaksiny i Natacha.
Le médecin inspecteur vérifie la température requise des vaccins.
Manamarina ny maripana ilaina amin'ny vaksiny ny inspektera ara-pahasalamana