Tao Mananjary, fanabeazana ao anaty vonjy taitra taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Batsiray & Emnati

Koa satria nahazo fanohanana tao anatin'ny rafitry ny Fanabeazana amin'ny toe-javatra vonjy taitra ny sekoliny, dia nametraka fanamby ho an’ny tenany i Nasma fa ho lasa mpitsabo izy any aoriana any.

Miarisoa Andriniaina
A la reprise des cours  en 2022, tous les élèves ont reçu des fournitures scolaires dans le but d’alléger les dépenses des parents fortement affecté par le passage des cyclones.
UNICEF Madagascar/2022/Andriniaina
10 Febroary 2023
Nasma (à droite), une élève en classe de 6eme au Collège d’Enseignement Général
UNICEF Madagascar/2022/Andriniaina Nasma (ankavanana), mpianatra ao amin'ny kilasy faha-6 ao amin'ny Kolejy fampianarana ankapobeny

Any Mananjary, atsimo atsinanan’i Madagasikara, vao avy nahavita ny fanadinana ofisialy voalohany i Nasma Josée Lovasoaniaina, 13 taona, ary niditra tao amin’ny kolejy fampianarana ankapobeny. Nitsahatra izany fivoarany izany anefa nohon’ny fandalovan'ny rivodoza roa mahery vaika, Batsirai sy Emnati izay nandrava tanteraka ny tafon’ny sekoly nianarany ary nanova ny fandaminana teo anivon'ny ankohonany.

Niharihary tokoa mantsy ny fiovana teo amin’ny fiainana andavanandro taorian’ireo rivo-doza niteraka faharavana tao an-tanànany ireo. "Mitaraina ny ray aman-dreniko noho ny tsy fahampian'ny enti-manana taorian'ny rivodoza; hany ka ny fianarako sy ny rahavaviko anankiroa dia lasa olana goavana ho an'ny taom-pianarana vaovao. Ny fitaovam-pianarana sy ny saram-pianarana dia anisan’ireo zavatra tsy voaomana. Nosoratan’ireo ray aman-dreniko anarana fotsiny aho ho amin’ny fidirana an-tsekoly fa tsy noeritretiny be loatra izay mety ho tohiny," araka ny fitadidiany.

Ao anatin’ny trangan-javatra aorian’ny loza, ny fandaniana mifandraika amin’ny fanabeazana dia tsy ataon’ny ray aman-dreny laharam-pahamehana mihitsy, na tsy rarahin’izy ireo mihitsy aza, indrindra any amin’ny faritra sy kaominina ary distrika lavitry ny tanàn-dehibe. Tsy laharam-pahamehana izany, hany ka matetika izay mahasoa ny ankizy dia tsinotsinoavina, ary tsy voahaja ny zo. Ireo tokantrano dia iharan'ny toe-javatra ratsy mila atrehina, izay tsy manome lanja kokoa ny fandaniana mikasika ny fanabeazana ary mifantoka bebe kokoa amin'ny fanatsarana ny fivelomany.

Izany no antony mahatonga ny UNICEF sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy, anisan'izany ny Komity Nasionaly Koreana, mitondra fanohanana taorian'ny loza. Nasma, toy ireo mpianatra 339 (anisan'izany ny zazavavy miisa 171) tao amin'ny sekoly nisy azy, dia afaka nisitraka fitaovam-pianarana mba hanohizany tsikelikely ny fianarany. Etsy ankilany, efa azo ampiasaina ankehitriny ny efitrano fianarany satria nahazo tafo vaovao.

Miantoka ny fitohizan'ny fampianarana sy ny fiverenan'ny mpianatra haingana any an-dakilasy

Mba hiatrehana ireo loza toy ny rivodoza Batsirai sy Emnati tamin’ny taona 2022, dia nametraka tahiry enti-miatrika ny ho avy eny anivon’ireo faritra ny Fitaleavana isam-paritry ny Fanabeazam-pirenena (DREN) ao Vatovavy, miaraka amin’ny fanohanan’ny UNICEF. Izany no nahafahana niantoka ny fiatrehana voalohany ny loza ho an’ny sekoly miisa 300 eo ho eo ao amin’ny distrikan’i Mananjary. Nisy ireo fitaovana vonjy taitra izay nozaraina tamin’ireo sekoly tra-boina; anisan’izany ny tranolay vy, labasy tsy tatera-drano ho an’ny efitrano fianarana vonjimaika, ary kit «école en boîte».

Ireo hetsika tontosain’ny UNICEF manodidina ny Fanabeazana anaty toe-draharaha vonjy taitra (ESU) any amin'ny faritra atsimo atsinanan'i Madagasikara dia ahafahana miditra an-tsehatra amin'ny fitohizan'ny fampianarana sy ny fiverenan'ny mpianatra haingana any an-dakilasy, mba hitazonana ny ankizy sy ny tanora any an-tsekoly ary hiantohana ny fahaiza-manao ho fiomanana/fiatrehana ny ESU eny anivon’ny faritra sy distrika.

Ho an'i Nasma, ilaina izany fanohanana rehetra izany mba hahatanteraka ny nofinofiny ho lasa dokotera. Maniry ny tsy ho voasakana amin'izany karazana teritery izany izy. « Efa kilasy 1ère ao amin'ny Lisea ny zokiko vavy. Hiezaka aho hanaraka ny diany ary hiditra any amin'ny lisea aorian’ny ambaratonga faharoa.» Fandresena sahady ny hoe efa any amin’ny sekoly ambaratonga faharoa. Ankizilahy sy vavikely 3 amin’ny 10 avy any amin’ny ambaratonga voalohany ihany mantsy no tonga hatrany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa.

Ny toe-draharaha taorian'ny fandalovan'ny rivodoza toy ny any amin'ny faritra atsimo atsinanan'i Madagasikara dia iray amin'ireo sakana fanampiny lehibe ho an'ny ray aman-dreny sy ny fanabeazana ireo zanany, izay manamarina ny maha-zava-dehibe ny fanabeazana anaty toe-javatra vonjy taitra (ESU).

 

La salle de classe de 6eme au Collège d’Enseignement Général avec une nouvelle toiture fournie par l’UNICEF
UNICEF Madagascar/2022/Andriniaina Ity trano ity no misy ny efitrano fiianaran'i Nasma. Niala tanteraka ny tafony taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai sy Emnati; amin’izao fotoana izao dia nahazo tafo vaovao natolotry ny UNICEF izany sekoly izany mba hahafahan’ny ankizy manohy fianarana haingana.
Nasma (1ère table et 3ème rang à partir de la droite), participant activement à son Cours de Science de la Vie et de la Terre.
UNICEF Madagascar/2022/Andriniaina Nasma (latabatra voalohany sy laharana faha-3 avy eo ankavanana), mandray anjara mavitrika amin'ny taranja Siansa momba ny Fiainana sy ny Tany.