Programa « Mpianatra iray, Hazo iray »
Mandray anjara mavitrika ny mpianatra eny amin’ny CEG Antanimora any amin’ny faritra Boeny

Mpianatra ao amin’ny Kolejy Lovasoa Antanimora ao amin’ny Distrikan’ny Sekoly Marovoay, ao amin’ny Faritra Boeny i Raherinandrasana Steven Platino, kilasy 3ème sy Raveloarisoa Holy Francisca, ao amin’ny kilasy 4ème. Ity sekoly ity dia anisan’ireo nisitraka ny fandaharan’asa “mpianatra iray, hazo iray” izay vatsian’ny UNICEF vola ary tanterahan’ny Sampan-draharaham-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana maharitra ary ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Ilay tetik’asa dia mampita manomboka any amin’ny fahazazana ny hasin'ny fanajana ny tontolo iainana, indrindra ho an'ny taranaka ho avy.
Nisongadina i Steven sy Francisca noho ny antony mandrisika azy ireo mikasika ny lohahevitra mifandraika amin’ny tontolo iainana, sy ny fandraisan'izy ireo anjara amin'ny hetsika rehetra anatin’ilay fandaharan’asa, miaraka amin'ireo mpianatra hafa rehetra ao amin'ny sekoly.
Singanina manokana i Francisca izay nitadidy tsara ny toromarika rehetra. Tena liana tanteraka amin'ny zava-drehetra momba ny zavaboary sy ny fiarovana ny tontolo iainana izy. « Tohina ny foko amin’ny zava-mitranga rehetra mahakasika ny ala eto amintsika noho ny fandorana niniana natao sy ny asa fanimbana hafa; nanontany tena foana aho hoe inona no azoko atao eo anivon’ny fiaraha-monina mba hamahana izany olana izany, ary ankehitriny noho ny fanohanan’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny UNICEF, miaraka amin'ireo fitaovana rehetra ireo, dia mahatsiaro ho mahazo aina aho; tsy maintsy handray anjara amin’ireo hetsika rehetra mikasika ity fandaharan’asa ity aho raha mbola afaka ». Nanampy izy hoe: « Noho ny fisian’ny toeram-pambolena zana-kazo dia ho hitako ny fitombon’ireo zavamaniry ireo, ary iza no mahalala, any aoriana any dia mety ho afaka hialokaloka ao daholo isika rehetra ary hioty voankazo ihany koa,...» hoy izy.
Hoy ny talen’ny sekoly: « Teo aloha dia nikasa hanatanteraka hetsika ihany izahay, saingy noho ny tsy fahampian’ny enti-manana sy ny fahalalana dia tsy lasa lavitra, fa kosa hatramin’ny nampidirana ny fandaharan’asa “mpianatra iray, hazo iray” tato amin’ny sekoly dia nahazo fiofanana sahaza miaraka amin'ny fitaovana ary koa ny zavamaniry izahay. Eo ihany koa ity “serre” ity izay ampiasaina amin’ny fikojakojana ireo zava-maniry tanora izay ho ampiasaina amin’ny fambolen-kazo any aoriana. Tsy mbola nahita an’izany mihitsy izahay ary tsy sahy nieritreritra an’izany akory. Tsy toy ny hitako teo aloha fa ity dia azo tsapain-tanana sy mivaingana. Mino aho fa ho afaka handroso bebe kokoa isika izao ary hiezaka hanome hasina ity hetsika ity amin'ny alàlan'ny fikojakojana sy ny fanaraha-maso… »
Tamin’ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity dia efa nahazo zana-kazo hafa tamin’ny alàlan’ny mpamatsy vola hafa ny sekoly, ankoatra ny efa azony teo aloha. Mampanantena fampandrosoana manome famporisihana ity hetsika ity eny anivon’ilay distrika, eny fa any amin’ireo distrika hafa aza, izay heverina ho fanombohana ihany.
