Oksizena hamonjena mararin’ny COVID-19 izay mila fanampiana ara-pisefoana
-
RAMIANDRISOA Clémence dia mpitantan-draharaha ao amin’ny hopitaly CHRR Antsirabe efa hatramin’ny Novambra 2018. “Hatramin’ny 2019, ny tetibolan’ny Fanjakana ho an’ny hopitaly CHRR Antsirabe hividianana oksizena dia tsy mahasehaka akory ny antsasaky ny filàn’ny hopitaly mandritra ny taona. Entina hamenoana ny banga sy hiantohana ny fisian'ny oksizena mandritra ny taona dia voatery manao fangatahana ny CHRR mba hampiasa ny volan'ny farmasia hahafahana manohy ny famatsiana,” hoy izy. Ny taona 2019, araka ny filazan’ilay mpitantan-draharaha ihany, “ny salanisan’ny fampiasana oksizena ao amin’ny CHRR dia 20-25 tavoahangy amin’ny 7,5 metatra toratelo isan-kerinandro.”
Hatramin’ny nisian’ny valan’aretina COVID-19 eto Madagasikara dia isan’ireo ivotoerana mandray ireo olona voan’ny COVID-19 any amin’ny Faritra Vakinankaratra ny CHRR Antsirabe. Nampiakatra ny tahan’ny fampiasana oksizena tao amin’io hopitaly io izany toe-javatra izany. Hoy hatrany RAMIANDRISOA Clémence: “Niakatra ny tahan’ny fampiasana oksizena tao amin’ny CHRR Antsirabe nandritra ny valan’aretina COVID, ka mahatratra 30 tavoahangy isaky ny 2 andro izany”; “hatramin’ny niantombohan’ny COVID dia tsy tena afaka nanome fahafaham-po tanteraka ny filàn’ireo marary oksizena ny CHRR Antsirabe.”
Tamin’ny faran’ny volana Jona 2020, nanampy ny CHRR Antsirabe ny UNICEF tamin’ny fanomezana tavoahangina oksizena. “Nanampy ny CHRR tamin’ny famaliana ny filàn’ireo marary oksizena io fiaraha-miasa io. Araka izany dia afaka nisitraka oksizena avokoa ireo marary izay nanana fahasahiranana ara-pisefoana. Ankoatra izay, satria misy tsy tapaka ny oksizena dia nihena ny fijanonan’ireo marary ao amin’ny CHRR ary tena nihena araka izay ihany koa ny vola lanin’ireo fianakavian’ny marary.”
Nahafahana nanatsara ny fandraisana an-tanana ireo marary tao amin’ny CHRR Antsirabe ny fanampiana avy amin’ny Unicef, ary tsy voatery nametraka laharam-pahamehana arakaraky ny fahasarotan’ny aretina intsony ireo tompon’andraikitra ara-pahasalamana noho izany, ka hampiandry ireo izay mbola afaka miandry. Izany tokoa mantsy no zava-nisy teo aloha fony mbola tsy nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny CHRR Antsirabe sy ny Unicef. Araky ny voalazan’i RAMIANDRISOA Clémence, “raha tsy nisy io fiaraha-miasa tamin’ny Unicef io dia nanano sarotra ho an’ny CHRR Antsirabe ny namaly ny filàn’ireo marary oksizena”, “mararin’ny COVID miisa 200 sy marary 350 izay nanana soritr’aretina hafa tao amin’ny CHRR no nahazo oksizena vokatr’io fanampiana io, ary tsy nisy fahatapahana izany, araky ny filàn’ny marary”. Nankasitraka tanteraka ny Unicef i RAMIANDRISOA Clémence noho io fiaraha-miasa io ary maniry izy ny hitohizan’izany ho tombotsoan’ireo marary ao amin’ny CHRR.
Teo anelanelan’ny volana Martsa hatramin’ny Desambra 2020 dia olona 17 767 no voan’ny COVID-19 teto Madagasikara.
Marary mitotaly 9 276 no afaka notsaboina tamin’ny alàlan’ireo oksizena ireo; raha ny marina kokoa dia oksizena 67 700m3 izay fanomezana ho an’ny hopitaly miisa 36 avy amin’ny Unicef sy ireo malala-tanana miara-miasa aminy.