Ny zaza izay voakarakara araka ny tokony ho izy dia sitrana haingana

Entin'i Miraniaina any amin'ny tobim-pahasalamana avy hatrany ny zanany raha vantany vao misy soratr’aretina mba ahazoany fitsaboana ara-dalàna.

Domoina Ratovozanany
Miraniaina et son bébé
UNICEF Madagascar/2021/Ratovozanany
06 Aogositra 2021

Miraniaina Narindrarisoa, 26 taona ary renim-pianakaviana manan-janaka telo dia monina ao amin'ny fokontany Ampandrotrarana,15 kilometatra miala ny tobim-pahasalamana fototra (CSB2) ao Manandona, distrikan'Antsirabe II, ao amin'ny faritra Vakinankaratra. Nanao fizaham-pahasalamana fahadimy tao amin'ny CSB2 Manandona ny zanany farany, 13 volana, Tanjoniaina Iriantsoa ny 5 aogositra 2021.

« Tamin'ny fotoana voalohany naharariany, telo andro taorian'ny nahaterahany, dia nitondra azy avy hatrany teny amin'ny tobim-pahasalamana aho, » hoy i Miraniaina reniny. « Maimaimpoana ny fitsaboana, nahazo fanafody maimaim-poana ihany koa izahay, ary sitrana haingana dia haingana izy. Nanomboka teo dia entiko any amin'ny tobim-pahasalamana izy raha vantany vao tratran’ny kohaka, na sery, na tazo. Rehefa mahazo fitsaboina haingana sy ara-dalàna ny zaza dia tsy ahitana fahasarotana ka sitrana haingana izy ireo. Fanampin'izany, maimaim-poana izy io na dia amin'ny faran'ny herinandro aza. Mila mandray tapakila “voucher” fotsiny ianao alohan'ny fizaham-phasalamana ».

Rafi-piantohana « Voucher »

Tahaka ireo tobim-pahasalamana fototra rehetra ao amin'ny Faritra Vakinankaratra, ny CSB2 Manandona dia nampihatra ny rafi-piantohana « Voucher » nanomboka ny volana novambra 2019 tao anatin'ny Tetikasa ho fanatsarana ny vokatra ara-tsakafo (PARN) izay vatsian'ny Banky Iraisam-pirenena vola. Ity rafitra ity dia miantoka fikarakarana maimaimpoana isan'andro, eny fa amin’ny faran'ny herinandro aza, ho an'ny zaza latsaky ny 5 taona, ny vehivavy bevohoka sy ny vehivavy vao tera-bao mahakasika ny aretina rehetra.

« Ny tapakila na voucher no antontan-taratasy manamarina ny fahazoana fikarakarana maimaimpoana ho an’ireo izay misitraka izany. Ny CSB no manangona izany isam-bolana ary avy eo mahazo famerenam-bola rehefa voamarina eny amin'ny ambaratonga samihafa. Ny vola azo tamin’ny famerenam-bola dia ahafahanay mividy fanafody hafa ary manolotra izany maimaimpoana ho an’ny zaza latsaky ny 5 taona, ny vehivavy bevohoka sy ny vehivavy vao tera-bao, » araka ny famintinana nataon’i Dr Saholinirina Clarisse Ramaholiarisoa, lehiben'ny CSB2 Manandona.

Noho ny rafi-piantohana « voucher » dia nitombo be ny isan’ny olona namonjy CSB mahakasika ny fitsaboana aretina ho an'ny zaza latsaky ny 5 taona: nitombo 11% ny isan'ny olona nanatona ireny tobi-pahasalamana ireny tamin'ny 2021,  raha oharina tamin'ny 2020. « Tamin'ny fiandohan'ny fampiharana ny rafi-piantohana « voucher » dia sahirana izahay vao nahazo ny famerenam-bola satria tsy feno ara-dalàna ireo antontan-taratasy fanamarinana. Avy eo nampianarin’ny UNICEF anay ny fomba hijerena mialoha izany antontan-taratasy izany alohan'ny handefasana azy, ny fomba handrindrana tsara sy handaminana ny zavatra ataonay, ary ny fomba hitantanana tsara ny loharanon-karena. Nanjary haingana dia haingana ny famerenam-bola ka nahafahanay nahazo fanafody ary niantoka fikarakarana maimaimpoana ho an'ny zaza latsaky ny 5 taona, vehivavy bevohoka sy vehivavy vao tera-bao, » hoy ny fanazavan'i Dr Saholinirina Clarisse Ramaholiarisoa.

Noho ny famatsiam-bola avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena, ny UNICEF dia manome fanampiana ara-teknika ho fanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana any amin'ireo faritra ampiharana ny Tetik’asa fanatsarana ny vokatra ara-tsakafo (PARN). Izany fanohanana ara-teknika avy amin'ny UNICEF izany dia manampy amin'ny fanatsarana ny rafitry ny fampahalalam-baovao manerana ny nosy, ny fandrindrana miainga avy eny ifotony ary ny fitantanana ireo loharanom-pahalalana isan-karazany eny anivon’ny  faritra, distrika ary ireo faritra manodidina.