Ny voka-tsoa avy amin’ny toerana filalaovana sady fianarana ho an'ny fitomboan’ny zaza

Heverina ho zava-baovao eo anivon'ny vondrom-piarahamonina, ny toeram-pilalaovana sady fianarana izay ahafahan'izy ireo mivelatra ao anatin’ny toerana azo antoka sy mahasalama kokoa.

Jahdiel Mishael
Les bienfaits des espaces d’éveil pour le développement de l’enfant
UNICEF/UN0845790/Andriantsoarana
29 Janoary 2024
Vaoline se rejouit de l’utilisation de l’espace mandady sécurisé avec ses enfants. L’utilisation de l’espace mandady a permis à la famille de Vaoline d’économiser de l’argent qui a été souvent dépensé aux soins des maladies diarrhéiques affectant ses enfants
Photo fournie Faly i Vaoline mampiasa miaraka amin'ny zanany ny toerana “mandady” izay azo antoka. Ny fampiasana ilay toerana “mandady” dia nahafahan'ny fianakavian'i Vaoline nanana vola tahiry izay matetika nolaniana tamin'ny fitsaboana ny aretim-pivalanana nihatra tamin'ny zanany.

Ao amin'ny tanànan'i Tanambao, any atsimo andrefan'i Madagasikara, i Vaoline dia misitraka ny tombony azo avy amin'ny toeram-pilalaovana sady fianarana mba hiantohana ny fitomboan’ny zaza. Tsy dia hita mibaribary foana ny fivoaran’ny zanany lahikely sy ny zanany vavikely vao 7 volana. Io toeram-pilalaovana io dia nanome azy ireo tontolo mahafinaritra sy azo antoka ho an'ny fivoaran’izy ireo ara-batana, ara-tsaina ary ara-tsosialy. “Tena faly aho isan'andro amin'ny fametrahana ity toerana ity, indrindra rehefa mahita ny zanako mivelatra tsara ao. Tena azo antoka sy mahafinaritra tokoa ilay toerana ary manatsara ny fomba fiainanay izany”, hoy i Vaoline. Torak’izany ihany koa i Vaha Berthine, 45 taona ary manan-janaka roa. Ao amin’ny tanànany ao Andrebasy, any atsimon’i Madagasikara amin’ity indray mitoraka ity, ny asa andavanandron’ireo tokantrano, indrindra ny vehivavy, dia mifantoka amin’ny fambolena sy ny asa atao amin’ny tànana.

Tsy izany tokoa mantsy fa amin’ny ankapobeny ao anatin'ny vondrom-piarahamonina dia tsy misy rafitra manokana ahafahan'ny ankizy latsaky ny 3 taona mitrandraka ny tontolo manodidina azy. Mandady amin'ny tany ireo ankizikely ary manomboka manandrana an'izao tontolo izao amin'ny fomba tsy mendrika loatra, amin'ny toerana tandindomin-doza sy tsy madio. Tsaroan’i Vaoline manokana ilay fotoana nampidi-doza izay niainany satria rehefa variana tamin’ny raharaha tao an-tokatrano izy dia saika latsaka tao an-kabone ny zanany na saika nihinana taim-biby. Izany toe-javatra izany dia mahatonga aretina, indrindra ny aretim-pivalanana noho ny tsy fahampian'ny fahadiovana. Nohon’ny hasarotam-piainana dia tena enta-mavesatra ho an’ny isan-tokatrano ny saran’ny fitsaboana.

Tena nilaina ny fisian’ny fanentanana nataon’ny Fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana SAHI, izay mpiara-miombon’antoka amin’ny UNICEF amin’ny fametrahana ireny toerana filalaovana ho an’ny ankizy, mba handresen-dahatra an’i Vaoline sy Vaha Berthine amin’izao fiovana fitondran-tena izao. Ity farany, niaraka tamin’ireo renim-pianakaviana hafa teo an-tanànany ary nohon’ny famporisihan’ny sefom-pokontany, dia niara-nientana mba hanorenana toeram-pilalaovana sady fianarana natao tamin’ny akora hita eo an-toerana.

« Azo antoka sy mahasalama ilay toerana filalaovana sady fianarana. Ahafahan’ireo harenakeliko mitombo am-pahalalahana izy io sady manentana ny fivoarany ara-batana sy ara-tsaina. Nanjavona ireo ahiahy mifandraika amin’ny saram-pitsaboana satria matetika no tratran’ny aretim-pivalanana izahay, »  hoy i Vaoline. Mahakasika an’i Vaha Berthine kosa indray dia nahitana fitaovana fanasan-tanana misy lavenona ny toerana filalaovana sady fianarana, mba hanamafisana ny fahadiovana ho tombontsoan’ireo ankizy.

Amin'izao fotoana izao, i Vaoline dia mamporisika ny fampiasana toeram-pilalaovana sady fianarana eo amin’ireo reny eo amin'ny manodidina azy. Raha ny an’i Vaha Berthine kosa indray dia efa maivamaivana sy nahazo toky kokoa izy ankehitriny. Indraindray izy dia manararaotra milalao miaraka amin'ireo ankizy ary mampahafantatra azy ireo lalao tsotra.

Ny UNICEF sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy dia nanangana toeram-pilalaovana sady fianarana efa ho 457 tany amin'ny faritra miisa dimy hatramin'izao.

L’espace mandady en état bien sécurisé avec les nourrissons et les enfants des habitants, de toute catégorie d’âges.
Photo fournie Ny toeram-pilalaovana “mandady” dia azo antoka tsara ho an’ny zaza menavava sy ny zanaky ny mponina, amin'ny sokajin-taona rehetra. Jerena avy aty anatiny
Le groupe de mamans du village a construit ce lieu avec un dispositif de lavage des mains et du cendre pour s’assurer de l’hygiène des enfants et des responsables d’enfant.
Photo fournie Namboaran’ireo renim-pianakaviana avy ao an-tanàna ity toerana ity izay ahitana fitaovana fanasan-tanana sy lavenona, mba hiantohana ny fahadiovan’ny zaza sy ny tompon’andraikitra misahana ny zaza.