Fampidirana ny kilalao ao anatin’ny fitsaboana ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara
Ovaina ho kilalao mahafinaritra ho an'ny ankizy ireo boaty fasiana sakafo ara-pahasalamana efa vonona (ATPE), entina manohana ny sampan-draharaha mikarakara ny zaza sy ny fitsaboana ny tsy fanjarian-tsakafo.
Ity andro ity dia tolakandro sarotra ho an’i Fifaliana, dimy taona, izay voan’ny fanintona tamin’ny herinandro lasa. Manaraka fitsaboana eo anivon’ny sampan-draharaha mikarakara ny zaza ao amin’ny hopitaly Befelatanana, Antananarivo Renivohitra izy. Ny olona mpikarakara azy, Mialisoa Francine, 21 taona, dia eo anilany miezaka mampahery azy.
“Nikarakara azy hatramin’ny nahaterahany aho”
Avy eo i Mialisoa dia naka boaty iray izay nahitana fonosana sakafo ara-pahasalamana, fantatra amin'ny anarana hoe PlumpyNut, izay ampiasaina hitsaboana ny tsy fahampian-tsakafo mahery vaika eo amin'ny ankizy. Manintona ny mason’i Fifaliana ilay boaty. Miezaka mafy manakatra izany izy ary manomboka milalao irery. Piozila, izay mikendry ny hanatsarana ny fivoaran'ny sain'ny zaza, no lalaoviny, ary vitany mora foana ilay kilalao. Teo amin’ny 30 minitra teo ho eo no namitan’i Fifaliana ilay kilalao. Milalao amin'ny karazana kilalao rehetra ary tsy te hijanona mihitsy izy.
“Sambany izy no nilalao io karazana kilalao io; orsa kilalao ihany no filalaony any an-trano. Gaga aho fa tsy sahirana mihitsy izy satria mbola tsy nandeha mianatra mihitsy izy.”
Ny UNICEF dia manolotra sakafo ara-pahasalamana efa vonona (ATPE) an'arivony taonina maneran-tany isan-taona. Ahitana voanjo manan-karena otrikaina fanome ireo zaza latsaky ny dimy taona voan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika (SAM) izany fonosana izany. Tamin'ny taona 2023, boaty miisa 7,5 tapitrisa teo ho eo izay nitaterana ATPE no naely eran’izao tontolo izao, ka manodidina ny 70.0001 tamin’izany no naparitaka nanerana an’i Madagasikara.
Tamin'ny alàlan'ny hetsika “Project Play”, sokajina kilalao miisa dimy ahitana karazana kilalao 20 no novolavolain'ny Fondation Lego sy ny sampan-draharaha misahana ny famatsiana eo anivon’ny UNICEF, mba hanomezana aina vaovao ireo boaty ATPE efa foana. Ny hetsika dia ahitana:
- Kilalao mikendry ny hampivelarana ny fikarohana
- Kilalao misy mozika
- Kilalao hanatsarana ny fivelaran’ny saina
- Kilalao virtoaly araka ny fomba fijerin’ny mpilalao - izay ahafahan’ny ankizy hilalao toy ny hoe izy ireo no mpilalao fototra - ary ny kilalao virtoaly araka ny fomba fijerin’ny olon-kafa - izay ahafahan’ny ankizy mifehy na mijery mpilalao na zavatra iray avy ety ivelany.
Ity hetsika ity dia manana tanjona lavitr'ezaka mahakasika ny fampidirana ny fanaitairana ny retsipamantarana amin’ny alàlan’ny lalao ao anatin’ny fitsaboana ny tsy fanjarian-tsakafo, ary ny famahana ny olan’ny fiovaovan'ny toetr'andro amin’ny alàlan’ny fitantanana ny fako rehefa manao fanjifana maharitra.
« Mahafinaritra ny ankizy ireo kilalao. Ahafahan’izy ireo mitsoaka ny toe-java-misy iainany noho ny aretina mahazo azy ireo mandritra ny fotoana fohy ireny kilalao ireny. Mbola sahirana anefa izahay amin’ny famporisihana ny ray aman-dreny hampiasa izany miaraka amin’ny ankizy », hoy i Maminiaina Ranaivoson, mpitsabo ao amin’ilay hopitaly nandritra ny 16 taona.
Efa herinandro izao no nanaovana andrana tamin’ireo kilalao ireo tao amin’ny sampan-draharaha mikarakara ny ankizy ao amin’ny hopitaly, ka ankizy 20 no afaka nilalao izany. Dokotera dimy ao amin'ny hopitaly no nahazo fiofanana momba ny fampiasana azy ireo sy ny fomba hampandraisana anjara ireo ray aman-dreny sy ny mpikarakara zaza ao anatin'izany fomba fitsaboana vaovao izany. Hatomboka tsy ho ela ny andrana mahakasika izany eny anivon’ny distrika efatra any amin’ny faritra atsimo atsinanana sy atsimon’i Madagasikara. Ny kilalao dia natao ho an'ny rehetra, miaraka amin'ny loko mifanohitra, azo raisin-tanana, mora raisina; ka azo antoka fa afaka milalao azy ireny ny ankizy rehetra.
Ny lalao dia manatsara ny fivoaran'ny zaza ara-pahasalamana, ka manampy azy ireo amin’ny fampivelarana ny fahafaha-manao ara-tsaina, ara-tsosialy, ara-pihetseham-po ary amin’ny lafin’ny famoronana izany.
1 baoritra miisa 68.417 ahitana sakafo ara-pahasalamana efa vononano naparitaka manerana an’i Madagasikara tamin’ny taona 2023