Miantoka ny fivoaran'ny zaza ny fandraisana andraikitra manomboka eo amin'ny arivo andro voalohany
Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka eto Madagasikara, vehivavy bevohoka 290.000 mahery sy zaza vao teraka 220.000 no nisitraka tolotra ara-tsakafo sy ara-pahasalamana sahaza nanomboka ny taona 2017


« Isan’ny singa fototra miantoka ny fivoaran’ny zaza ny fihinanana sakafo isan-karazany sy miovaova », hoy i Séraphine, sady nampiseho ireo karatra nentina nanentanana ny reny momba ny sakafo ara-pahasalamana.

Séraphine dia mpanentana ara-pahasalamana ao amin'ny tanànan'i Tsaramainandro, any avaratra atsinanan'i Madagasikara. Isam-bolana izy dia mamory ireo reny miaraka amin’ny zanany eny amin’ny toby ifotony ara-tsakafo. Miroso amin’ny fandanjana sy fandrefesana ireo ankizy madinika izy mba hanaraha-maso tsara raha ampy sakafo na tsia izy ireo.

Ny fampinonoana tsy misy fangarony hatramin’ny faha-enimbolana ary koa ny fanitarana ny fampinonoana hatramin’ny faha- roa taonan’ny zaza no anisan’ny soso-kevitra arosony mandritra ireo fotoam-pivoriana maharitra tapak’andro ireo.

Tena manongilan-tsofina ireo reny rehefa manome torohevitra isan-karazany izy mahakasika ny fahasalamana sy ny sakafo ara-pahasalamana ho an'ny reny sy ny zaza ary ny zaza madinika. « Mamporisika ny mpiara-monina aho hanatona matetika ny tobim-pahasalamana satria ao anatin'ny rafitra ara-pahasalamana no ahafahana mahazo tolotra tsara indrindra, » hoy izy.

Nanohy ny fotoam-pivoriana i Séraphine tamin’ny alàlan’ny fampirantiana fandrahoan-tsakafo, izay arahahin’ireo reny maso tsara, mialoha ny ampiharan’izy ireo ny torohevitra nomena, rehefa tonga any an-tranony ireo reny ireo.

Tamin'io andro io, oviala nafangaro tamin’ny « sesame » sy akora hafa no sakafo. Ireo no sakafo ara-pahasalamana izay mora hita any amin’iny faritra iny.

Tamin’ny fiafaran’ny fotoam-pivoriana dia faly ny rehetra fa afaka niara-nisakafo tamim-pitsikiana, rehefa avy niandry ora vitsivitsy.

Eto Madagasikara, 42%-n’ny zaza latsaky ny dimy taona dia tratran’ny fahataran’ny fitomboana, atsoina ihany koa hoe tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka. Ity trangan-javatra ity dia vokatry ny fahazaran-dratsy ara-tsakafo ho an’ny reny, ny zaza menavava ary ny zaza madinika.

Ny fivoaranan’ny zaza dia tsy miankina amin’ny sakafo irery ihany anefa fa amin’ny fanatonana tobim-pahasalamana ihany koa. Tao Mahambo, adiny roa miala ny toby ifotony ara-tsakafo, maro ireo vehivavy tonga nanara-maso ny fahasalamany sy ny fahasalaman-janany.

Noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny UNICEF sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy toy ny orinasa Takeda pharmaceutical dia nahazo fiofanana ireo mpiasan’ny fahasalamana ireo, ka nahafahan’izy ireo nanome tolotra manara-penitra eny anivon’ny tobim-pahasalamana.
Ny fotoana fampahalalam-baovao, fanabeazana ary fifandraisana mialoha ireo tolotra isan-karazany.

Augustine, mpitsabo mpanampy, manao fizaham-pahasalamana ho an’ny vehivavy bevohoka. Araka ny filazany, « ireo reny dia tokony manatona tobim-pahasalamana tsy tapaka mandritra ny fitondrana vohoka, ny fiterahana, ary koa aorian’ny fiterahana mba hahazoana antoka fa salama tsara ny reny sy ny zaza. »

Misy ihany koa ny fitiliana ny aretina azo avy amin’ny firaisana ao amin’ity tobim-pahasalamana ity. Natao izany mba ahafahana mitily io aretina io aloha sy ahafahan’ny mpiasan’ny fahasalamana manome fitsaboana sahaza.

Farany, ny vaksiny sy ny kasinga mahavelona dia singa tena ilaina hatrany entina miantoka ny fahasalaman'ny ankizy.

Ny UNICEF sy ny mpiara-miombon'antoka aminy dia manohy ny fanohanana ny fandaharan'asa ara-pahasalamana sy ara-tsakafo mba hamonjena ny ain'ny ankizy. Ilaina ihany koa anefa ny fandraisan’andraikitry ny ray aman-dreny satria ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fiantohana ny fivoaran’ny ankizy dia andraikitry ny tsirairay.