Miatrika ny zava-tsarotra ho avy : fanabeazana miatrika ny olan'ny toetrandro any atsimo atsinanana

Tantaran’i Razanantsoa Germaine Nadia, talen-tsekoly nanapa-kevitra fa hanomana ny mpianatra hiatrika ny mety ho fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro.

Nangonin'i Josias Ratsimbazafy, nosoratan'i Ny Hasina Ramahenina
Des élèves posant devant leur salle de classe provisoire après le cyclone Freddy
UNICEF/UNI420108/Andriantsoarana
09 Septambra 2023

Mikorontana ny fiainan’ny mponina andavanandro any amin’ny faritra atsimo atsinanan’i Madagasikara noho ny fiovaovan’ny toetr’andro. Tsapa ny vokatr’izany fiovana izany na eny anivon’ny sekoly aza, ary misy fiantraikany amin’ny fanabeazana ny tanora mpianatra any amin’iny faritra iny.

Mahafantatra tsara ny zava-misy Ramatoa Razanantsoa Germaine Nadia, talen’ny sekoly ambaratonga faaroa fototra any Anosivelo any Farafangana. Vao haingana izy no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fanomanana ny fananganana klioba DRR (Fampihenana ny loza mitatao ateraky ny loza voajanahary) sy ny fanomezana tohana ara-tsaina. Tapa-kevitra ny hizara ny fahalalana azony nandritra ny fiofanana izy, ka nampita izany vaovao sarobidy izany tamin’ireo mpampianatra 19 hafa miasa ao amin’ny sekoly.

"Amin'izao fotoana izao, ny zava-misy momba ny toetr'andro dia tsy mitovy amin'ny zava-nisy tany amin’ny 5 na 10 taona lasa," hoy Ramatoa Nadia nanazava tamin'ireo mpiara-miasa aminy. “Tsy ny fiainan’ny mponina ihany no voakasika amin’izany rehetra izany, fa ny fiainan’ny mpianatrantsika miisa 290 sy ny fomba fampianarantsika ihany koa.“  Nohamafisiny ny maha-zava-dehibe ny fizarana ity vaovao ity haingana mba hananganana klioba DRR sy hametrapetrahana ireo torohevitra ilaina hanamaivanana ny rarin-tsaina mety mahazo ny olona amin’ny andavan’andro sy amin'ny fotoan-tsarotra.

Mme RAZANANTSOA Germaine Nadia, Directrice CEG Anosivelo Farafangana
UNICEF Madagascar/2023/Ratsimbazafy
Mme RAZANANTSOA Germaine Nadia, Directrice CEG Anosivelo Farafangana
UNICEF Madagascar/2023/Ratsimbazafy

Nanaitra ny sain’ny talen’ny sekoly ambaratonga faharoa fototra any Anosivelo ihany koa ny maha zava-dehibe ny fiofanana momba ny fanohanana ara-tsaina. Niaiky izy fa teo aloha dia tsy hainy izay atao manoloana ny fangatahan'ny ankizy sy ny ray aman-dreny momba ny rarin-tsaina na ny herisetra, na eo amin'ny fiainany andavanandro izany na aorian'ny fisehoan-javatra ratsy avy amin'ny toetr'andro. Takany avy eo fa tena ilaina ny mihaino ny ankizy, mandray an-tanana ny ahiahiny ary manampy azy ireo hanatsara ny vokatry ny fianarany na dia eo aza ny rarin-tsaina isan-karazany mety mahazo azy.

Nanomboka nanangana klioba DRR tao anatin'ny sekoly tamim-pahavononana tanteraka Ramatoa Nadia sy ireo mpampianatra namany. Namorona toerana azo antoka ahafahan'ny mpianatra maneho hevitra, mizara ny tahony sy ny ahiahiny mifandraika amin'ny fiovan'ny toetr'andro izy ireo. Mikarakara hetsika fanabeazana mikendry ny hanentanana ny tanora hanao fanamby mikasika ny fikajiana ny tontolo iainana sy mamporisika azy ireo hanana fitondran-tena tsara maharitra ao amin’ny ny klioba.

Laharam-pahamehana ho an'ny ekipan'ny mpanabe ihany koa ny fanohanana ara-tsaina. Mamorona programa izy ireo mba hanampiana ireo mpianatra hifehy ny rarin-tsainy, hamboly faharetana ary hikolokolo ny fahasalamany ara-pihetseham-po. Napetraka ao an-tsekoly ny fandaaram-potoana o an’ny fihainoana arahan’asa, mba hahafahan'ny ankizy mizara ny traikefany sy ny fihetseham-pony amim-pahatokiana tanteraka.