Mianatra ireo teknika momba ny fambolena sy ny fiompiana i Floria.
Miaina ao anaty fahasembanana izay manasarotra ny fianarana mahazatra i Floria, kanefa manantena hoavy tsara kokoa amin'ny lafiny fambolena izy ankehitriny.

Tovovavy 16 taona i Floria, ary na dia efa niatrika zava-tsarotra maro aza izy dia mizara ny fanantenany sy ny nofinofiny. Ny fiainan’i Floria dia ady mafy satria teraka tao anatin’ny tsy fahatomombanana ara-tsaina izy. Hatramin'ny fahazazany ka hatramin'ny faha-15 taonany dia tsy afaka nihoatra ny kilasy voalohany tamin'ny sekoly ambaratonga fototra i Floria. Sahirana izy amin’ny fitadidiana zavatra, ary matetika dia sahirana amin'ny famaliana ireo filàna ara-pahasalamana fototra izy, toy ny fandroana na ny fanampiana ao an-tokantrano, raha tsy asehon'ny fianakaviany azy isaky ny mandeha ny fomba fanaovana izany.
Nanomboka tsikaritry ny reniny, fony i Floria vao 6 taona, fa matetika izy no sahirana manao ireo raharaha ao an-trano na tsy mahavita izany mihitsy aza. Tatỳ aoriana dia nampahafantarin’ny sekoly ny fianakaviana fa sarotra tamin’i Floria ny nahatakatra ireo taranja tao amin’ny kilasy voalohany. Taorian'ny nisitrahany ny vola fanampiana Zara Mira dia afaka nandoa ny fitsaboana tany amin'ny hôpitaly ny fianakaviana, ka nahitan’ny dokotera fa manana olana ara-tsaina i Floria. Nampahafantarina ny fianakaviana fa tokony ampidirina ao amin’ny sekoly manokana izay afaka mikarakara azy bebe kokoa i Floria.
Niatrika fanavakavahana maro i Floria, indrindra fa ireo mpiara-mianatra taminy izay matetika ratsy fanahy taminy noho izy tsy nahavita ny taona voalohany tamin’ny sekoly ambaratonga fototra. Matetika izy ireo no maneso sy mampijaly azy noho ny fahasembanana ara-tsaina iainany. Indrisy fa na ireo rahavaviny koa aza dia manao toy izany, ka misy fiantraikany amin’ny fihetseham-pony izany.
Soa ihany fa nahita ny làlana sahaza azy izy ary manantena ny handroso eo amin’ny sehatry ny fambolena. Nanatevin-daharana ny fikambanana mpamboly legioma izy ary dia nianatra namboly; nanomboka teo dia matetika izy no nanampy ny fianakaviany teny an-tsaha. Manantena ny hiasa eo amin'ny sehatry ny fambolena izy indray andro any ary hiara-hiasa akaiky amin'ireo tantsaha mba hanampy azy ireo hamboly ny taniny.
Soa ihany fa nahita ny làlana sahaza azy izy ary manantena ny handroso eo amin’ny sehatry ny fambolena.

