Fampiasana biriky Lego Braille: ohatra avy amin'ny sekoly tsimialonjafy any atsinanan’i Madagasikara

Ny fomba fampianarana amin'ny alàlan'ny fampiasana ny biriky Lego Braille dia ahafahan'ny ankizy manana fahasembanana ho liana kokoa amin'ny fianarana

Richard Daretry
Monsieur Paulin avec ses élèves en utilisant le LEGO Braille Bricks
UNICEF Madagascar/2023/Daretry
10 Novambra 2023

Any atsinanan’i Madagasikara, ao anatin’ny Sekoly Tsimialonjafy ao amin’ny Faritra Atsinanana, ny kilasy tazomin’i Paulin Cloris RAZAFINDRAZOTO dia ahitana ankizilahy dimy sy ankizivavy efatra. Antsoina hoe kilasy tetezamita, izay manomana ny ankizy hiditra ao amin’ny kilasy tsimialonjafy na mampiaty izany kilasy izany. Ampahafantarina mialoha ny fampiasana ny biriky Braille ireo ankizy miisa sivy ireo mba ahafahany manaraka tsara ny lesona ary misitraka feno ny fanabeazana. Mampihatra ny fiofanana amin’ny fampiasana ny biriky Lego Braille i Paulin mba hamporisihana ny ankizy ho liana amin'ny lesona ampianarina sy handraisan’izy ireo anjara amin’izany fampianarana izany.

Io fiofanana io izay notanterahan’ny UNICEF, ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena ary ny Fikambanana LEGO tamin'ny Novambra 2022 tao Fianarantsoa, ​​dia mampianatra ny fampiasana ny biriky LEGO Braille, fitaovam-pianarana novolavolain'ny Fikambanana LEGO izay manampy ny ankizy jamba sy ny olona manana olana ara-pahitana amin’ny fampivelarana ny fahaiza-manaon’izy ireo izay mampiasa tanana sy amin’ny fianarana ny fomba fampiasana biriky LEGO braille. Tsy izany tokoa mantsy fa efa zatra nampiasa ny Braille i Paulin hatry ny fony izy tany amin'ny sekoly ambaratonga fototra, saingy ny fanavaozana amin'ny alàlan'ny biriky Lego Braille dia manome antoka fa misy fitaovana fampianarana hafa sahaza kokoa mba hahazoana fianarana tsara kokoa. Ny matematika, ny kajy ary ny famakian-teny dia afaka ianarana manokana amin'ny alàlan'ny lalao.

Ity fitaovana ity dia manampy ny mpampianatra amin’ny fanovanovana ireo kilalao fampianarana ho an’ny mpianatra, fanamorana ny fanentanana azy ireo handray anjara ka manao izay tsy hahafoizan’ireo mpianatra izany kilalao izany intsony izay hanovozan’izy ireo fahalalana rahateo.  Fanampin'izany, ny fampiasana ny biriky LEGO Braille dia manatsara ny fifandraisana eo amin'ny mpianatra manana fahasembanana amin’ny fahitana sy ireo izay tsy manana izany olana izany satria miara-milalao, mianatra ary mampirina izany fitaovana izany izy ireo. Mifandray sy mifanampy bebe kokoa izy ireo ary misy fiantraikany tsara amin'ny vokatra azo any an-tsekoly izany toe-javatra niorina izany,” hoy i Paulin.

Amin’izao fotoana izao dia mampiasa biriky LEGO Braille ho fitaovana enti-mampianatra ny mpampianatra rehetra ao amin’ny Sekoly Tsimialonjafy ao amin’ny Faritra Atsinanana, any amin’ny kilasy misy azy avy. Mitotaly 38 ireo mpampianatra ary 4 ireo mpampiofana avy ao amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena izay nanaraka fiofanana mikasika ny fampiasana ny biriky LEGO Braille avy amin’ny ivon-toerana manokana miisa 3 sy sekoly tsimialonjafy miisa 2.

 

 

Les mathématiques, le calcul et la lecture sont notamment assimilés à travers des jeux.
UNICEF Madagascar/2023/Daretry
Les mathématiques, le calcul et la lecture sont notamment assimilés à travers des jeux.
UNICEF Madagascar/2023/Daretry