I Tianarivelo Gilardy Totozandry dia notendrena ho Mpisolovava ny tanora ao amin’ny UNICEF Madagascar, entina manandratra ny feon’ireo ankizy varira na manana fahasembanana

24 Aprily 2024
Tianarivelo Gilardy Totozandry est nommé Youth Advocate de l'UNICEF Madagascar, afin de porter la voix des enfants atteints d’albinisme ou vivant avec un handicap
UNICEF Madagascar/2024/Ramasomanana

Antananarivo, 23 Aprily 2024 – I Tianarivelo Gilardy Totozandry, 20 taona, dia niditra ho Mpisolovava ny Tanora ao anivon’ny UNICEF Madagascar. Ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasa dia notanterahina teo anatrehan’i Rtoa Etleva Kadilli, Talem-paritry ny UNICEF any amin’ny faritra Atsinanana sy Afrika Atsimo, izay mitsidika an’i Madagasikara amin’izao fotoana izao sy ny Solontena maharitry ny UNICEF eto Madagasikara, Christine Jaulmes.

Notontosaina izao fanendrena izao ho fankasitrahana ny fandraisany andraikitra miavaka entina miaro ny zon’ny ankizy, indrindra fa ny ankizy varira.

Mpiaro mavitrika ny zon'ny olona varira i Gilardy. Nandray fitenenana voalohany izy tamin’ny fihaonambe TEDx ho an’ny ankizy, izay nokarakarain’ny UNICEF Madagascar tamin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny ankizy tamin’ny taona 2020. Izany hetsika izany, izay mitondra ny lohateny hoe “Moving Mountains”, dia nahafahany nizara ny zavatra niainany manokana amin’ny maha olona varira azy sy nanao fanentanana ho fiarovana ny zon'ireo izay lasibatr’izany toe-piainana izany.

Nanomboka teo dia nandray anjara mavitrika tamin'ny hetsika samihafa nokarakarain’ny UNICEF i Gilardy, ka nanararaotra ny fotoana rehetra mba hizarany ny traikefany sy hiarovany ny zon'ireo olona sy ankizy varira. Nandray anjara manokana izy tamin’ny fankalazana ny faha-75 taonan’ny UNICEF, ny Andron’ny Fahatsiarovana ny aretina varira tamin’ny taona 2022, sy ny fitsidihan’ny Talem-paritry ny UNICEF any amin’ny Faritra Atsimon’i Afrika sy Atsinanana teo aloha teto Madagasikara tamin’ny taona 2022. Nandritra izany hetsika rehetra izany no nanaovany fanentanana ho fiarovana ny ankizy varira. Vao haingana, tamin'ny volana Janoary 2024, dia nanao lahateny tamin'ny Filankevim-pitantanan’ny UNICEF izy.

Manana feo sy zo hohenoina ny ankizy tsirairay. Voninahitra ho ahy ny manatevin-daharana ny UNICEF amin’ny maha-mpisolovava ny tanora ahy ary mitondra ny anjara biriky ho amin’ny fampandrosoana ny fiarovana ny ankizy sy ny tanora manana fahasembanana sy varira,” hoy i Gilardy. “Rehefa miara-mientana isika dia afaka mamorona tontolo iray izay ahafahan'ny ankizy tsirairay manatratra ny fahaiza-manaony rehetra sy miaina amim-pahamendrehana."

Amin’ny maha-Mpisolovava ny tanora ao anivon’ny UNICEF azy, i Gilardy dia mampaneho hevitra ny ankizy, indrindra fa ireo manana filàna manokana, ary hiaro ny zon’izy ireo, na zo hahazo fiahiana, fahasalamana, na fanabeazana na fandraisana anjara izany.

Mahafaly ny UNICEF ny fiaraha-miasa aminy mba hananganana tontolo tsaratsara kokoa ho an'ny ankizy tsirairay.

Tianarivelo Gilardy Totozandry est nommé Youth Advocate de l'UNICEF Madagascar, afin de porter la voix des enfants atteints d’albinisme ou vivant avec un handicap
UNICEF Madagascar/2024/Ramasomanana
Tianarivelo Gilardy Totozandry est nommé Youth Advocate de l'UNICEF Madagascar, afin de porter la voix des enfants atteints d’albinisme ou vivant avec un handicap
UNICEF Madagascar/2024/Ramasomanana

Rehefa miara-mientana isika dia afaka mamorona tontolo iray izay ahafahan'ny ankizy tsirairay manatratra ny fahaiza-manaony rehetra sy miaina amim-pahamendrehana.

 

Gilardy, Mpisolovava ny Tanora ao anivon’ny UNICEF

Fifandraisana

Timothy James Irwin
Tompon'andraikitry ny serasera
UNICEF Madagascar

A propos d'UNICEF

L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous. 

Suivez l’UNICEF sur TwitterFacebook et Instagram