Fanabeazana mampiaty : mpampianatra roa no mijoro ho modely
-
Efa folo taona mahery izao no nanao asa fampianarana amin’ny Sekolim-panjakana any Ankilimaroaloka - Faritra Androy any Atsimo i Esmine. Talen’ny sekolim-panjakana ambaratonga voalohany ao Erakoka i Joela Baona nanomboka ny taona 2018 ary efa mpampianatra koa izy hatramin’ny taona 2004. Samy manana fahasembanana ara-batana izay roa ireto, toe-javatra izay nanome vahana ny fametrahana ny fanabeazana mampiaty sy fanajana avy amin’ny mpianatra eny ifotony.
Anisan’ny mahazo tombony amin’ny fiofanana tohanan’ny UNICEF mikasika ny fomba fampianarana mifanaraka amin'ny ny fari-pahaizan’ny mpianatra (TaRL) i Esmine sy Joela Baona , ka ao tafiditra ao anatin’izany fiofanana izany ny fanabeazana mampiaty, sy ny fampiasana boky fampiarana sy fomba fampianarana vaovao samihafa izay manampy bebe kokoa amin’ny fanohanana ny ankizy manana fahasembanana sy ny ankizy manana fahasahiranana amin'ny fianarana. Izy ireo mihitsy no modely sy vavolombelona fa ny olona manana fahasembanana dia mpandray anjara feno amin'ny fampandrosoana, indrindra amin'ny fanabeazana satria mpampianatra rahateo izy ireo.
« Tsy hisalasala aho raha vao tafaverina amin’ny toeram-piasako hampihatra ny zavatra nianarako nandritra ny fiofanana », hoy i Esmine, izay miandraikitra ny zaza ao amin’ny kilasy faha-11 ankehitriny. Ahitana mpianatra 80 ny kilasy ampianariny ka ny 40 amin’izy ireo dia zazavavy raa toa ka zazalahy kosa ny 40. Na dia tsy mba nisitraka fiofanana mikasika ny fampianarana aza izy ireo tany am-piandohana, dia nanomboka izany asa fampianarana izany ihany noho ny faniriany mafy hanohana ny zon'ny ankizy hianatra, anisan'izany ny an'ny zanany vavy. Mba hanamafisana ny fahaiza-manaony dia nahazo tombony isitraka fiofanana mitohy sy fanamafisana ny fahalalana akademika i Esmine ny taona 2016 ampian’ireo fandraisana anjara maro samihafa mandritra fotoam-piofanan'ny mpampianatra. Noraisin'ny fikambanan’ny ray aman-drenin'ny mpianatra an-tanàna izy ireo satria tsy mpiasam-panjakana, ary mandray tambin-karama isam-bolana avy amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ihany koa.
I Joela Baona indray dia ny fomba fampianarana amin'ny alalan’ny kilalao sy sy ny fampandraisana anjara mavitrika ny mpianatra amin’ny alalan’ity fomba fampianarana vaovao nomena azy no hoentiny hampavitrika ny mpanatra amin'ny fianarana. Ny fanabeazana mampiaty dia isan'ny fomba fampianarana iray ao anatin’ny fiofanana, ary mahazo laka izany satria ny talen'ny sekoly no mampihatra izany voalohany amin'ny alalan'ny fifandraisany akaiky amin'ny mpianany.
Teo amin'ny fomba fifandraisana amin’ny namana dia tsy nanana olana manokana i Esmine sy Joela Baona nandritra ny fisitrahana ny fiofanana notohanan’ny UNICEF. Nandritra ny fiofanana dia nanome tanana azy ireo ny mpiara-miasa rehefa nisy ezaka ara-batana nilaina, toy ny famindrana seza mandritra ny asam-bondrona ohatra.