Mendrika s'engage à assurer la supplémentation en vitamine A pour chaque enfant à Amboanio

L'utilisation d'une approche de conception orientée vers l'humain pour co-créer des solutions locales en collaboration avec les communautés permet d'améliorer l'utilisation des services des centres de santé, notamment l'utilisation de la vitamine A.

Herisoa Razafindraibe
Jour de vaccination
UNICEF Madagascar/2025
26 Martsa 2025

Any afovoan-tanànan’ Amboanio, any amin’ny faritra atsimo antsinanan’i Madagasikara, dia mijoro ho loharanom-panantenana eo anivon’ny adim-piainana I Mendrika, vehivavy 30 taona. Manan-janaka roa izy: zaza mavitrika kely enintaona sy zaza iray herintaona  izay tia mikaro-javatra. Nifantoka betsaka tamin’ny fahasalamana sy izay mahasoa ny zanany i Mendrika. Mbola misedra ny onjam-piainana izy amin’ny maha-mpianatra azy ka hoy indrindra izy, “Tsy mbola miasa aho; mbola mpianatra aho ary tsy mbola nahita asa.” Toy ireo fianakaviana maro ao amin’ny fiaraha-monina misy azy, dia miatrika ny fahasarotana ara-toe-karena izay mampananosarotra ny famelomany ireo zanany sy ny fitadiavana ireo zavatra ilain’izy ireo. Ny jono no asa foto-pivelomana eo amin’ny distrika misy azy kanefa tsy afaka hiantoka hampanana ho avy milamina akory izany.

Mahafantatra tsara mikasika ny maha-zava-dehibe ny fahasalaman’ny zaza i Mendrika, ary reny mahafatra-po ka tonga mitsidika ara-potoana ny tobim-pahasalamana fototra (CSB) mba hanao fitiliana ara-pahasalamana. Na dia eo aza anefa izany ezaka ataony izany, dia tsapany fa tsy ampy fahalalana anananany mikasika ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny ankizy ananany. Ka mampametra-panontaniana azy amin’ny tenany:

“Tiako raha hitombo anaty fahasalamana sy hery ireo zanako, fa inona anefa no tokony hataoko hanatanterahako izany?” 

Mendrika et son enfant
UNICEF/2025/Razanamahefa Mitrotro ny zanany i Mendrika, reny iray 30 taona, mipetraka eny Amboanio, any amin’ny Faritra antsinanan’i Madagasikara. Amim-pihetseham-po sy fireharehana no hitantarany fa salama tsara ny zanany satria nahazo fanampin-tsakafo vitamina A tao amin’ny tobim-pahasalamana.

Ny UNICEF sy ireo mpiara-miombona antoka aminy dia manohana ny  fiaraha-midinika mifototra amin’ny maha-olona izay atao miaraka amin’ny fiaraha-monina mikasika ny fitadiavam-bahaolana mifandraika amin’ny zava-misy eo an-toerana mba hahafahan’izy ireo misitraka ireo tolotra ara-pahasalamana. Ity fomba fiasa ity dia manana tanjona hiresaka ain’ny fiaraha-monina mahakasika ireo fanandramana, fikasana, vahaolana napetraka sy afaka mamaly filàn’ny reny tahaka an’I Mendrika. Mandritra ny dinidinika miaraka amin’ny fiaraha-monina dia misy zava-dehibe toy izao voizin’ny mpandray anjara, ka anisan’izany ny mpanentana ara-piaraha-monina: Mazàna dia misalasala ny reny hitondra ny zananeny amin’ny tobim-pahasalamana noho ny tsy fahampianan’ny fahalalana sy fahafantarana; sarotra ny mandresy lahatra raha to aka tsy misy porofo mivaingana mikasika ireo tombontsoa mety ho azony. Anisan’ireo vahaolana hitan’ny mpandray anjara ny fisian’ny tantara fijoroana vavolombelona ataon’ny fiaraha-monina izay fomba mety iray hanamafisana ny fahombiazan’ny fanentanana mikasika ny fanaovam-bakisiny eo amin’ny tobim-pahasalaman’Amboanio. Rehefa nandray anjara namaritra izay fomba hoentina manao ny fanentanana mikasika ny fanaovam-vakisiny izay natao tao amin’ny tobim-pahasalamana i Mendrika dia sady nihaino ireo reny sy mpiasan’ny fahasalamana nizara ny fanandramana nataony mikasika ireo zava-dehibe ilaina amin’ny fikarakarana ny ankizy madinija. Tapa-kevitra izy fa hametraka fanontaniana bebe kokoa amin’ny mpitsabo mpanampy miasa eo an-toerana. Teo no nisy zava-dehibe fantany toy izao: na dia efa azony antoka tsara aza fa vonona ny hanome sakafo voalanjalanja ny zanany izy, dia ilainy koa ny manome ny daozin’ny fanampin-tsakafo vitamina A mba hanamafy ny hery fiarovana sy hahazoana antoka ny fitomboan’izy ireo. Tany aloha dia mandeha mandondona isam-baravarana ny mpanentana ara-pahasalamana manazava amin’ireo reny. Ny taona 2024 kosa dia efa misy ilay fomba fiasa mampifandray fomba fiasa maro, vokatry ny fanaovana hetsika fanentanana, ny fandraisana andraikitra ataon’ny reny mitondra ny zanany ho eny amin’ny tobim-pahasalamana mba hisitraka ireo tolotra ara-pahasalamana samihafa, ao anatin’izany ny fanomezana Fanampin-tsakafo vitamina A.

“Hoentiko eny amin’ny tobim-pahasalamana ny zanako mba homena fanampin-tsakafo vitamina A ary hozaraiko amin’ny manodidina ahy izany vaovao izany,” hoy izy tamim-pahavononana. 

un agent de santé administre une dose de vitamine A à un nourrisson de 7 mois, accompagné de sa mère
UNICEF/2025/Rakotoarilafy

Ao amin’ny tobim-pahasalamana fototra (CSB) ao Ambohipo, dia manome fanampin-tsakafo vitamina A ho an’ny zazakely 7 volana iray noentin-dreniny tao an-toby ny mpiasan’ny fahasalamana iray. Zava-dehibe ny fanomezana azy izany mba hisorohana ny tsy fahampian-tsakafo sy hanamafisana ny hery fiarovan’ny zaza.  

Nandritra ny fiaraha-midinika midinika mifototra amin’ny maha-olona natao niaraka tamin’ireo reny, mpanentana ara-pahasalamana, mpiara-monina dia nanolo-tena i Mendrika fa ho tonga modely ka hitondra ny zanany hisitraka ny fanampin-tsakafo vitamina A eny amin’ny tobim-pahasalamana Amboanio. Ny fisiana modely ao anaty fampiasana fomba fiasa samihafa dia mampahatanjaka ny tobim-pahasalamana, indrindra amin’ny fanazarana ny amin’ny fihinanana fanampin-tsakafo vitamina A; Ny risi-pony hampahalala ny hafa dia nahatonga an’i Mendrika tsy ho reny fotsiny intsony fa ho lasa tompon-dakan’ny fahasalaman’ny zaza eo amin’ny fiaraha-monina misy azy. Fijoroana vavolombelona mahery vaika ny tantarany sady nahazahoana fahalalana sy vaovao manan-danja nandritra ny hetiska fanentanana ka niteraka fiovana sy namporisika ny hafa hitsinjo ny fahasalamna sy ny mahasoa zanany. Tao anatin’ny ady sarotra dia namiratra i Mendrika, naneho fa misy fanantenana ny ho avy mamiratra sy anaty fahasalamana  ary azon’ny fiarahamonina sitrahana izany..

Tao amin’ny hopitalin’i Fenoarivo Antsinanana, dia manome fanampin-tsakafo vitamina A ho an’ny ankizikely iray dimy taona ny mpiasan’ny fahasalamana raha manara-maso akaiky izany kosa ny renin’ny zaza. Noraisina izany fepetra izany mba hanatsarana ny hery fiarovana sy hanampy ny zaza hitombo tsara.

À l’hôpital de Fénérive-Est, un agent de santé dispense une supplémentation en vitamine A à un enfant de 5 ans,
UNICEF/2025/Rakotoarilafy

Tsara ho marihina fa: Ny fanjakana Kanadiana no mamatsy ny fandaharan’asa fanomezana fanampin-tsakafo vitamina (Vitamin A Supplementation in A new Age (VINA))

Ity tantara ity dia nangonin’ny “Human Development Action” – sampan “Social and Behavior Change”- UNICEF Madagasikara