Mandray anjara lehibe amin'ny tohi-bely ara-tsakafo eo amin’ny fianakaviana ny fitahirizam-bola
Ny fanamaroana ny loharanom-bola dia manatsara ny fahasalamana ara-tsakafon'ny fianakaviana amin'ny alàlan'ny fahazoana karazan-tsakafo samihafa tsara kokoa
« Mihinana vary isan’andro miaraka amin’ny legioma otazana eny amin’ny tanim-bolinay izahay, » hoy i Jacquise Tombondrasoa, renim-pianakaviana monina ao amin’ny fokontany Ambalatenina, any Vavatenina, any atsinanan’i Madagasikara. Ity famariparitana mikasika ny sakafony ity dia maneho mazava tsara ny fiainana andavanandron’ireo fianakaviana eo an-toerana, roa taona taorian’ny tetikasa Hafa Velotegna, izay mikendry ny « Fananganana Vondrona misahana tahirim-bola ho an'ny vondrom-piaraha-monina (GEC) tafiditra ao anatin’ny asa mampidi-bola (AGR) ho fampivoarana sy fanatsarana ny sakafo mahavelona. » Nahitana fiovana goavana teo amin’ny sakafo hohanin’io fianakaviany io.
Ny Fananganana Vondrona misahana tahirim-bola ho an'ny vondrom-piaraha-monina (GEC): andrin'ny fanjariana ara-tsakafo sy ara-toekarena
Ny fananganana ny vondrona misahana tahirim-bola ho an'ny vondrom-piaraha-monina (GEC) dia tanterahin'ny Fikambanana mpanohana ny fampandrosoana eny ambanivohitra eto Madagasikara, izay mpiara-miombon'antoka mpanatanteraka amin'ny UNICEF ho fampiroboroana ny tetikasa. Nanambara avy eo i Jacquise Tombondrasoa fa tsy vitan’ny hoe loharanom-bola entina mampitombo ny vokatra ara-pambolena fotsiny ihany izany fa sehatra fianarana sy fifampizarana fahalalana ihany koa. Noho ny fampindramam-bola nomen'ity vondrona ity dia afaka mampiasa vola hahazoana fitaovam-pambolena sy akora fototra ilaina izy mba hanamaroana sy hanamafisana ny famokarana. Ankoatra izay dia nahazo fiofanana isan-karazany izy, indrindra ny fanomezan-danja ny vokatra ara-tsakafo eto an-toerana, izay nohamafisin’ny fampisehoana ara-tsakafo nokarakarain’ilay tetikasa.
« Amin’izao fotoana izao dia mihinana sakafo ampy sy ara-dalàna tsara ny ankohonako, eny fa na dia amin’ny vanim-potoanan’ny maitso ahitra eo anelanelan’ny Novambra sy Febroary aza. »
Anisan’ny fiofanana nositrahan’i Jacquise Tombotsoa ny rafitra fambolem-bary Zanatany. Ity teknika vaovao ity dia nahafahana nampitombo ny fatram-bary voajinja, sady nampiroborobo ny fitantanana maharitra kokoa ny tany. Tetsy andanin’izany dia nanamboatra zaridaina fambolena legioma ihany koa ilay fianakaviana ka nambolen’izy ireo karazana legioma isankarazany toy ny laisoa, karaoty, anana, sns izany. Nitondra tombontsoa lehibe io fanamaroana ara-tsakafo io: ny ampahany amin’ilay vokatra dia hohanin’ny fianakaviana, ka manatsara ny sakafon’izy ireo isan’andro izany, ary ny ambim-bokatra kosa indray dia amidy eny amin’ny tsena eo an-toerana. Ny fidiram-bola fanampiny azo avy amin'ireo varotra ireo dia nanokatra fahafahana vaovao, nahafahan'izy ireo nividy vokatra izay tsy fahita eo an-toerana, toy ny hena, ovy, eny fa na dia ny akanjo aza, ka anisan’ny nanatsara bebe kokoa ny fari-piainan’izy ireo izany.
Fizarana fomba fanao tsara
Tsy misalasala i Jacquise Tombondrasoa mizara ny traikefany amin’ny mpiara-monina aminy ary manentana azy ireo hiditra ao amin’ny GEC.
« Mamporisika ny mpiray vodirindrina amiko aho mba handray anjara amin’ny andiany manaraka satria maro ny tombontsoa azo : fifanakalozana hevitra sy fomba fanao amin’ireo mpamboly hafa, fanaovana tahiry mafonja, ary ambonin’izany rehetra izany, ny fahafahana mindrana vola entina mikaroka loharanom-bola vaovao. Ny fidirana amin'ny GEC dia tsy vitan'ny hoe miantoka sakafo tsara kokoa ho an'ny ankohonana, fa manamafy ihany koa ny faharetantsika manoloana ireo olana ara-tsakafo sy ara-toekarena. »
Ity fanasana hanatevin-daharana ny fananganana ny vondrona misahana tahirim-bola ho an'ny vondrom-piaraha-monina (GEC) ity dia maneho vina iombonana ho amin'ny hoavy tsaratsara kokoa, izay ahitana ny anjara toerana lehibe raisin’ny fifanampiana sy ny fitondrana zava-baovao ara-piaraha-monina eo amin'ny fanamafisana ny fanjarian-tsakafo sy ny fahatsaram-piainana eo anivon’ny fiaraha-monina amin'ny ankapobeny.