Manamafy ny fahaizany miatrika ny fiainany sy fahaiza-miaina eo anatrehan’ny haintany i Fanyah
Ho an’i Fanyah sy ny ankizy hafa miaina ao amin’ny fahasembanana toa azy dia zary lasa tandra vadin-koditra ny fahasahiranana ateraky ny fiovan’ny toetrandro

Vao mangiran-dratsy dia indro i Fanyah (14 taona) mizotra tsimoramora manjohy ny lalankely mankany an-dreniranon’Antsozo. Na dia akaiky ny tranony aza ny renirano, dia miaraka aminy hatrany ny zana-drahavaviny antsoina hoe Tsimanotry (13 taona) ka manampy azy hiala ireo vato mety hamingana azy eny an-dalana. Jamba hatrany ambohoka mantsy i Fanayah. Ao Anarabe, tanàna kely any atsimon’i Madagasikara no fonenany. Nohon’ny tsy fahampian’ny orana eny amin’ny faritra rehetra manodidina dia efa saika ritra tanteraka ny renirano ka rano miandrona sisa no mba tovozin’izy mirahavavy hoentina mody. Dia indro fa mizotra mody, miloloha siny, anaty doron’andro migaingaina indray izy roa vavy.
« Toy izany hatrany ny anjara asa sahaninay mirahavavy isa-maraina. Mampijaly ahy mihitsy ny mandeha mamakivaky irery lalana mikisilasila ireny. Na izany aza anefa dia mbola mahavita manampy an’i mamakely amin’ny fanaovana ny asa aman-draharaha an-trano toy ny mahandro sy manasa lovia aho », hoy i Fanyah no sady mandrehitra afo sy manokana ny sakafo atoandro ihany izy. I Fanyah no zandriny indrindra amin’izy sivy mianadahy. Nisaraka ny ray aman-dreniny, ary miara-mipetraka amin’ny renikeliny sy ny rainy izy. Mpamboly no asan’izy ireo.
Potiky ny haintany misesy ny vokatra ka mampanahirana ny fahazoana sakafo any amin’ny faritra atsimon’ny nosy. Anisan’ireo firenena mamokatra gazy karbonika (CO2) amin’ny tahany faran’ny kely i Madagasikara, kanefa dia mizaka tanteraka ny vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro, sy ifandimbiasan’ny rivodoza sy ny tondradrano.


Mpianatra matsilo
Ny andro manaraka kosa dia ho hitantsika any am-pianarana, ao amin’ny taona faha-4 (8ème) ao amin’ny sekolim-panjakana misy eo an-tanàna i Fanyah. Araka ny voalazan’i Homaro Sylvine Gabrine, mpampianatra azy, dia mpianatra matsilo izy ary mora mandray izay ampianarina azy. « Miezaka ny hampiaty ny fampianarana araka izay azo atao izahay ka ataonay izay fomba hahatakaran’ireo ankizy miaina anaty fahasembanana ny lesona » hoy Sylvine mijoro ho vavolombelona, mirehareha amin’ity mpianany. Liana be amin’ny fianarana teny frantsay i Fanyah ka tsy misalasala mampihatra izany raha vao misy vahiny tonga mitsidika ny tanànany.
Ny tatitra navoakan’ny Haut-Commissariat avy ao amin’ny Firenena Mikambana, misahana ny zon’olombelona, izay navoakany tamin’ny taona 2020, dia nanambara fa ny olona manana fahasembanana, indrindra fa ny vehivavy sy ny ankizy, no tena lasibatra voalohany mizaka ny vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro. Voalaza fa rehefa natao ny fandrefesana ny sedra mahazo ny ankizy vokatry ny olana ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro dia i Madagasikara no mitàna ny laharana faha-folo maneran-tany.
Mbola mpiara-mponina amin’i Fanyah sy Tsimanotry koa i Etsiharogne (10 taona). Hitanay niaraka nilalao tamin’ny ankizy vitsivitsy teo an-tanàna izy. Moana – marenina i Etsiharogne. Kilasy taona faha-3 (10ème), ao amin’ny sekoly ianaran’i Fanyah izy. Mahay mamaky izay ambaran’ny molotra sy mamantatra ny tiana ho lazaina amin’ny alalan’ny fihetsika tsotra koa izy. Rehefa manontany azy izay zavatra nianarany tany am-pianarana ny mpiara-monina, dia sady mamerimberina manonona ny litera « a, o, i, e », izy no sady manoratra izany eo amin’ny tany.

©UNICEF/UN0781037/Ramasomanana
Homaro Sylvine Gabrine am-perinasam-pampianarana an-dry Fanyah sy ny mpianatra ao amin’ny kilasy faha-efatra (8ème) ao amin’ny sekolim-panjakana ao an’Anarabe, atsimon’i Madagasikara.

©UNICEF/UN0781029/Ramasomanana
Fanyah sy ireo mpiantsehatra amin’ny fandaharan’asa fanamafisana ny fahaizana miatrika ny fiainana, mamerina izay nampianarin’ny mpanentana.

© UNICEF/UN0781147/Ramasomanana
Etsiharogne, eo afovoany, manoratsoratra amin’ny tany hodidinin’ny ankizy eo an-tanàna.
Mampifanaraka ny fiainana amin’ny fiovaovan’ny toetrandro
Nanaraka ireo fizarana 16 misy ao anatin’ny fandaharan’asa mikasika ny fanamafisana ny fahaizana miatrika ny fiainana i Fanyah. Tafiditra ao anatin’ny hetsika fiarovana ny ankizy izay tohanan’ny UNICEF sy ireo mpiombonantoka aminy moa izany fandaharana izany. Mampianatra ny ankizy hamantatra ny tenany sy ny tontolo iainany ny mpanentana. «Nahafahako hanana tombontsoa hifanakalo hevitra amin’ny tanora hafa toa ahy ny fandraisako anjara tamin’ity fandaharan’asa ity. Nahazo namana betsaka aho ary manampy ahy hivelatra sy hampivoatra ny fikasako ho amin’ny ho avy izany rehetra izany », hoy izy. Araka ny voalazan-dRamatoa Rakotozandry Violette, mpanentana ny fandaharan’asa, dia « zava-dehibe ny fanomezana torohevitra azo ampiharina avy hatrany ho an’ny ankizy sy ny tanora, indrindra ireo anaty fahasembanana ; Ny tanjona dia ny mba hampivelatra ny maha-izy azy ireo anatin’ny tontolo manokana ianjadian’ny haintany mandritra ny taona maro misesy».
Maro ireo fidirana an-tsehatra efa nataon’ny UNICEF sy ny mpiombonantoka aminy hatramin’ny niantombohan’ny olana ateraky ny fiovaovan’ny toetrandro. Foto-drafitrasa maharitra fampidirana lakan-drano no namboarina, hetsika maro mahakasika ny fanjariantsakafo, ny fahasalamana ary ny fiahiana ara-piarahamonina no natao, singanina manokana amin’izany ny fametrahana vatsy ho an’ny ankohonana natolotra ho an’ny tokantrano miisa 7,850 sy ny fitsimbinana ny ankizy sy ny olona manana fahasembanana.
Mizotra tsara ho amin’ny ny fandraisana andraikitra miaraka amin’ireo firenena 37 nanao sonia ny fanambarana mikasika ny ankizy sy ny tanora ary ny hetsika ho an’ny toetrandro Madagasikara, taorian’ny fandraisany anjara tamin’ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana tamin’ny 2022 momba ny fiovaovan’ny toetrandro. Iray amin’ny zavatra nisongadina amin’izany fidirana an-tsehatra izany ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fahalalana mikasika ny ezaka atao hampihenana sy hahaiza-miatrika ny fiovaovan’ny toetrandro ho an’ny tanora, indrindra ireo tanora natao an-jorom-bala.
Manohy ny nofinofiny ho tonga mpampivelona ao amin’ny tanàna keliny sy ireo tanàna hafa manodidina i Fanyah, sady miandry asa fanatanterahana azo tsapain-tanàna amin’ireo teny fampanantenàna nataon’ny mpanapakevitra. « Iriko indrindra ny hanampiana ahy hanatratra ny tanjoko sy hampivelatra ahy toy ireo ankizy mitovy taona amiko », hoy izy nanohy raha namirapiratry ny fanantenana ny masony.

