Josiane, ilay mpanentana ara-pahasalamana tena be fitiavana
Claudio, zaza 2 volana, izay nankinin'ny reniny tamin'i Josiane, mpanentana ara-pahasalamana, mba hanao vaksiny andiany voalohany ao amin'ny tobim-pahasalamana
![Mrs Razafindrafara Marie Josiane, 42, a community agent, occasionally looks after a baby while his mother goes to work](/madagascar/sites/unicef.org.madagascar/files/styles/hero_extended/public/UNI628772.webp?itok=rTjFkE13)
Fianarantsoa, fokontany Ankofafalahy. Razafindrafara Marie Josiane na Josiane, 42 taona, mpanentana ara-pahasalamana, miomana vao maraina haka an’i Claudio, zazalahikely 2 volana izay nankinin-dreniny aminy mba hitondra ilay zaza eny amin’ny tobim-pahasalamana fototra Ankofafa, ho amin’ny fanaovana vaksiny andiany voalohany. Ny renin'i Claudio irery ihany no mitaiza ny zanany efatra, ary tsy afaka mandao ny asany izy amin’ny fitondrana ny zanany any amin'ny tobim-pahasalamana. Aleony i Josiane no mitondra ny zanany. Tsy izany mantsy fa niangavy an’i Josiane hatrany ity renim-pianakaviana ity mba hitondra ny zanany telo voalohany teny amin’ny tobim-pahasalamana tamin’ny fanaovana vaksiny na rehefa marary izy ireo.
Mpanentana ara-pahasalamana nandritra ny 22 taona i Josiane ary nananan’ireo mpiara-monina aminy fitokisana izy.
«Tena tiako ny asako. Tiako ny maha-mpanentana ara-pahasalamana ahy mba ahafahako mikarakara fianakaviana sy manampy azy ireo, tahaka ny ataoko amin'ny renin'i Claudio. Ankoatra izay dia fantatry ny olon-drehetra eto aho, ary fantatro ihany koa ny fianakaviana tsirairay sy ny isan-tokantrano. Tena henoin’ny olona teny aho ary hajain’ny olona. »
![Josiane agent communautaire dans le fokontany d’Ankofafalahy avec Claudio](/madagascar/sites/unicef.org.madagascar/files/styles/media_large_image/public/UNI628867.webp?itok=TeKbYhO4)
Isan’andro aorian’ny fanaovan-draharahany ao an-trano, dia mitsidika tsirairay ireo tokantrano iandraiketany i Josiane. Amin'izao fotoana izao dia mikarakara tokantrano maherin'ny telonjato izy. Teo aloha i Josiane dia nanana asa marin-toerana tao amin'ny ONG iray teo an-toerana hatramin'ny taona 2019. Nanapa-kevitra ny hanokan-tena ho amin’ny asan’ny mpanentana ara-pahasalamana fotsiny ihany izy. Manentana ireo reny sy ray aman-dreny amin'ny maha-zava-dehibe ny fanaovana vaksiny, sy ny fanajana ny tetiandro fanaovam-baksiny i Josiane, ary mandray anjara ihany koa amin'ny fikarakarana ny fanaovana vaksiny. Manampy ny mpiasan'ny fahasalamana izy amin'ny fampahafantarana ireo tokantrano voakasik'izany mahakasika ny andro sy ny fotoana hanaovana vaksiny ao amin'ny tobim-pahasalamana fototra (CSB), ary mampita amin'ireo reny sy mpikarakarana ankizy ny toerana sy ny datin'ny paikady manakaiky vahoaka, izay fanao isam-bolana. Misahana ihany koa ny fanisana ireo zaza tsy vita vaksiny izy amin’ny alàlan’ny rejisitry ny vondrom-piarahamonina ary mikaroka ireo tsy taza-maso intsony mahakasika ny fanaovam-baksiny.
![. Mrs Razafindrafara Marie Josiane, 42, a community agent, occasionally looks after a baby while his mother goes to work.](/madagascar/sites/unicef.org.madagascar/files/styles/media_large_image/public/UNI628865.webp?itok=BrhMrLF_)
« Na eo aza ny fanamby sy ny fahasahiranana atrehana amin'ny maha-mpanentana ara-pahasalamana ahy, dia manao ezaka aho mba hamitako tsara ny asako sy hanentanana ireo tokantrano. Tena tiako ny asako satria mianatra zava-baovao aho mandritra ireo hetsika fanaovana tari-dàlana miaraka amin'ireo mpiasan'ny fahasalamana. Izany dia mampitombo ny fahalalako izay azoko ampitaina amin'ireo mpiara-monina amiko. »
Koa satria mitana anjara toerana lehibe izy amin'ny fisitrahana fikarakarana ara-pahasalamana ara-drariny sy amin’ny fanatsarana ny fiainan'ny tsirairay sy ny fiaraha-monina, dia manentana ny fiarahamonina misy azy i Josiane amin'ny fanovana fitondran-tena sy ny fampiroboroboana ny fahasalamana, ny fanaovana vaksiny ny vehivavy bevohoka sy ny zaza ary koa ny tolotra hafa sy ny fanaraha-maso ny marary. Mandritra ireo hetsika fanentanana fanaovam-baksiny dia matetika izy no maka ny toeran’ny mpanentana na mpiraki-tahiry.
Eto Madagasikara, ny fanaovana vaksiny ny zaza dia mahazo fanohanana avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka, indrindra fa ny Gavi, ny Alliance du Vaccin, ny Fondation Gates, ary ny Hetsika manerantany hamongorana ny lefakozatra.