I Antsa Safidy dia miaro ny zony miaraka amin'ireo tovovavy maro hafa maneran-tany

Efa ho 2 taona izao no nipoiran’ny valan’aretina ka misy tovovavy manerana izao tontolo izao mitaky fanovana ao anatin’ny andiany faharoa amin'ny « Miatrika ny COVID-19 », andian-tantara mikasika zatovovavy sy ny fomba iatrehan’izy ireo ny COVID-19

Abela Ralaivita
Antsa Safidy
UNICEF/UNI354060
09 Febroary 2022

« Inona koa no azo lazaina fanampiny ? Manantena aho fa ankafizinareo ity andiany faharoa ity! Tamin’ireo teny ireo no nampidiran’i Antsa, 18 taona, ny fizarana voalohany amin’ilay andian-tantara « Miatrika ny COVID-19 ». Anisan’ireo mpandray anjara nisongadina tamin’ilay andiany voalohany i Antsa, ary mbola misarika ny sain’ny olona amin’ny olana sedrain’ny tovovavy eto Madagasikara izy, indrindra ny any amin’ny faritra Anosy izay niaviany. Ao anatin’ity zava-baovao iainany ity dia mirotsaka an-tsehatra miaraka amin'ny namany izy amin'ny alàlan'ny firesahana lohahevitra mifandraika amin'ny fanambadian'ny ankizy, ny fahasalamana ara-tsaina, ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy, ny fitantanana ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana, ny herisetra mifototra amin'ny lahy sy vavy ary ny fanabeazana.

Tena mpakafy fatratra ny « slam » i Antsa ary amin’ny alàlan’ity haikanto ity ihany koa no iresahany mikasika ny lohahevitra « masculinité toxique »  ao amin’ny fandaharana iray ao amin’ny onjam-peo ao an-toerana, izay ampahany nanaitra tao anatin’ny andiany fahatelo amin’ilay andian-tantara. Ankoatra izay, tsikaritry ny olona voalohany izy nohon’ny  fandraisany anjara tamin’ny fifaninanana « slam » nokarakarain’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny UNICEF tamin’ny taona 2018, tao anatin’ny hetsika nasionaly hiadiana amin’ny herisetra mihatra amin’ny ankizy. Nisafidy io endrika fanehoan-kevitra io izy tamin'ny fanarahana ny dian'i Caylah, olona izay nataony ho filamatra, mpanan-talenta fanta-daza eto Madagasikara amin'ny « slam » noho ireo andian-teniny feno fanoloran-tena sy ny fifikirany fatratra amin'ny fampiroboroboana ny zon'ny tovovavy.

Antsa Safidy, sauter sur la plage
UNICEF Madagascar/2021
Antsa Safidy, sans masque
UNICEF Madagascar/2021

Eto Madagasikara, ny 40%-n’ny ankizivavy dia manambady na miditra amin’ny fiainan-tokantrano alohan’ny faha-18 taonany ary 14%-n’ny tovovavy 15-19 taona no niharan’ny herisetra ara-batana. Ny 15%-n’ny zazavavy ihany no mahavita sekoly ambaratonga faharoa. Miatrika fanamby maro ireo tovovavy ireo ary miatrika sakana maro ihany koa. Matetika izy ireo no tsy manana fahaiza-manao hiaro ny tenany sy ireo tovovavy mitovy aminy, ka manakana azy ireo tsy hahatratra ny fahafahany. Ankoatr'izay, ny tolotra fototra dia niha-marefo noho ny COVID-19 any amin'ny ankamaroan'ny faritra manerana ny Nosy. Saingy tsy nahasakana an'i Antsa sy ireo tovovavy ireo hitsangana mba hitondrana fiovana, handraisana andraikitra amin'ny fitarihana sy hanehoana hevitra izany, araka ny voalaza ao amin'ny « générique »n’ilay andian-tantara.

« Ity andiany ity dia nahafahako nahita zava-baovao hafa ary faly aho  manana fahafahana hisolo tena an’i Madagasikara miaraka amin’ireo tovovavy hafa manerana izao tontolo izao », hoy ny nambaran’ilay tovovavy. Any atsimon’i Madagasikara no fiavian’i Antsa ary ankehitriny dia nifindra monina aty Antananarivo Renivohitra izy mba hianatra momba ny serasera eny amin’ny oniversite tsy miankina iray fanta-daza. Mbola manana tanjona marobe izy ary mikasa ny hanohy hatrany ny « slam » mandra-pahatratrarany ny tanjony. « Nanamarika ny fiainanay ny fandraisanay anjara tamin’ity andiany ity ary niteraka fifamatorana am-po bebe kokoa teo aminay mianaka », hoy ny reniny, izay tena faly mahita ny zanany vavy mihalehibe sy mitondra ny feon’ireo tovovavy malagasy an-tapitrisany.

Raha te hijery ilay andiany feno ianao dia tsidio ity rohy ity : https://uni.cf/surmonterlacovid-s2

 

Antsa Safidy en train de lire
UNICEF Madagascar/2021