Fahafahana hamiratra noho ny fandaharan’asa UPSHIFT, fomba iray hafa ahafahana mianatra sy mivelatra
-
Teny amin’ny araben’i Fénérive-Est, atsinanan’i Madagasikara, no nahitana hazavana mipoitra, manazava ny faravodilanitra mety ahitan’ny tanora tsy nandia fianarana tombontsoa. Oscamidi Anne, 18 taona, dia maneho fahavononana sy fanantenana ho an'ny taranaka iray manontolo. Mpiofana ao amin’ny fandaharan’asa UPSHIFT izy ary mamolavola tetikasa fametrahana herinaratra amin'ny alàlan'ny takelaka fahanan’ny herin’ny masoandro (panneaux solaires).
Oscamidi dia lehibe tao amin’ny tanànan'i Fénérive-Est, tao anivon’ny fianakaviana miatrika olana ara-bola tsy tapaka. Niala tamin'ny fianarany izy rehefa tonga tao amin’ny lisea, saingy noraisiny tamin-kafaliana lehibe hatrany ny fiainany. Tapa-kevitra tanteraka ny hanoritra ny làlany manokana i Oscamidi, mpisitraka fanohanana avy amin'ny UPSHIFT – fandaharan’asa mampiroborobo ny fanomezana sehatra ny tanora tsy nandia sekoly – amin'ny alàlan’ny fanomezana azy ireo fahaiza-manao ara-pandraharahana sy arak'asa, ahafahan’izy ireo miditra amin’ny sehatra ara-tsosialy sy ara-toekarena. Mampitombo fahaiza-manao iray i Oscamidi noho ity fandaharan’asa ambany fitarihan'ny Minisiteran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'asa ity, izay tohanan'ny UNICEF amin'ny alàlan'ny famatsiam-bola isan-karazany, ary indrindra ny fiofanana sy ny fampivoarana ny fahaiza-manao. Vokatr’izany dia afaka misitraka ilay hazavana ihany koa ny fianakaviany.
Ao amin'ny Foibe fanofanana arak'asa ao Fénérive-est, nanatevin-daharana ny vondrona maniry ny ho tonga mpametraka fitaovana mandeha amin’ny herinaratra sy manampahaizana manokana momba ny takelaka fahanan’ny herin’ny masoandro izy. Amin'ny maha-tovovavy tokana azy, ny safidiny – izay nataony fanahy iniana sy feno fahasahiana – dia maneho marika famantarana lehibe: ny fanoherana ny fitsarana an-tendrony mahakasika ny maha-lahy sy vavy. «Tsy tokony hisy asa hofaritana amin'ny maha-lahy na vavy mihitsy, » hoy i Oscamidi. Tapa-kevitra tanteraka izy ny hanaporofo fa ny asa rehetra dia afaka ataon’ny vehivavy, toy izay vitan’ny lehilahy.
Nahazo fahalalana i Oscamidi nandritra ny dingana « bootcamp », izay mampiseho ny fahaiza-manaony sy ny fitiavana avo dia avo ananany ho an’ny sehatra sahaniny. Nandresy tamim-pireharehana ireo fanamby ara-teknika izy ary mahafehy ireo zava-tsarotra momba ireo pitsopitsony elektrika sy ny takelaka fahanan’ny herin’ny masoandro.
Ankehitriny, rehefa milentika ny masoandro dia manazava ny tranon'i Oscamidi ny takelaka fahanan’ny herin’ny masoandro. Ampihariny ao an-tranony ny fahaizany mikasika ny resaka fametrahana fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro; izany dia mampiseho ny fahaizany manova ny fianarana teorika ho zava-bita mivaingana. Ity hetsika azy manokana ity dia manasongadina ny fandraisany andraikitra ho amin'ny hoavy maharitra sy mahazaka tena.
Ankoatr’izany, amin’ny maha-tovovavy tokana azy ao anatin’ny vondron’ny mpiofana, i Oscamidi dia nofidian’ny UNICEF hisolo tena an’i Madagasikara nandritra ny atrikasa natao tany Côte d’Ivoire ny volana mey lasa teo. Ity hetsika panafrikanina ity dia nahafahany nizara ny traikefany, nianatra tamin'ireo mpandray anjara hafa ary nanamafy ny fandraisany anjara amin’ny fanomezan-danja ny tanora sy ny vehivavy eo amin'ny sehatra teknika.
Ho fanampin’izany, amin'izao fotoana izao i Oscamidi sy ny vondrona misy azy dia mitady fiaraha-miasa mba hanombohana ny tetikasan’izy ireo ho amin'ny fotoana maharitra. Mitady fiaraha-miasa amin’ireo orinasa eo an-toerana misehatra amin’ny resaka takelaka fahanan’ny herin’ny masoandro sy ireo fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana misahana manokana ny sehatry ny angovo azo havaozina izy ireo. Izany fiaraha-miasa izany dia afaka manome azy ireo loharano ilaina toy ny fitaovana, fiofanana tsy ankiato ary fahafaha-mahita tsenam-barotra. Ankoatr’izany, ny fametrahana fifandraisana amin’ny banky mba hahazoana misitraka fampindramam-bola madinika dia mety ahafahan’izy ireo mamatsy vola ny fanitarana ny asan’izy ireo.
I Oscamidi Anne dia maneho ny herim-po sy ny faharetan'ny tanora izay sahy manonofy mihoatra ny fetra napetraky ny fiarahamonina. Mamirapiratra eo amin’ny masony ny famirapiratan'ny ho avy – ho avy izay voafaritry ny hery tsy voahozongozon’ny talenta sy ny fahavononana ka mandrava ireo sakana mifandraika amin’ny maha- lahy na vavy.