Fotodrafitrasa sahaza ho an'ny kalitaon'ny fahasalaman’ny reny, ankizy, tanora.

Averina amin’ny laoniny ny ny tobim-pahasalamana ao Fénérive-Est, mba hanomezana tolotra fitsaboana tafiditra ao anatin'ny fepetra tsara indrindra

Iavilisy Rame Kara/Christine Ravaonoro
Centre de Santé de Base Urbain de Fenerive-Est
UNICEF Madagascar/2023
17 Oktobra 2023

Tohanan'ny tetikasa HAFA Velontegna sy ny Komity Danoà ny Tobim-Pahasalamana ao East Fénérive. Ity fandaharan’asa ity dia manampy amin’ny ady amin'ny tsifanjariantsakafo mitarazoka sady mikendry ny hanatsara ny fivoarana ara-tsaina, ara-batana, ara-tsosialy ary ara-pihetseham-po an'ireo ankizy latsaky ny 5 taona ny toby ary  nanampy iany koa tamin’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon'ireo mpanome tolotra ara-pahasalamana ho an'ny zaza vao teraka, ny ankizy sy ny tanora ao an-toby ary koa nahafahana nanao ny asa fanarenana ny fotodrafitrasa misy ankehitriny.

Fotoana tokoa izao hanomezana aina vaovao an'ity ivon-toerana izay ifaneraseran’ny mponina ao an-toerana ity. Mitombo hatrany ny isan'ny vehivavy tonga manara-maso ny fitondrany vohoka sy mandea miteraka ao. Amin'ny ankapobeny, 90 ka hatramin'ny 100 ny fisafoana isam-bolana, ary eo amin'ny 50 eo kosa ny mpiteraka.

 

Sahirana mafy anefa ry zareo ao amin’nytobim-pahasalamanana noho ny fahateren’ny toerana andraisana ny marary sy ny mpiteraka. Tsy misy efitrano ho an’ireo kaikerin-jaza ; tsy misy efitrano fiterahana, fa efitra kely iray no hitobian’izy reetra. Fanamby isanandro ho an'ireo mpiasa mazoto miasa ao ny fanomezana fikarakarana sahaza, na dia atao oe ampy aza ny isan’izy ireo miasa eto amin’ny toby.

« Nanomboka tena nahakivy ny ekipako ny fandaniana andro nifampijerijery fotsiny nefa tsy afaka miasa rehefa betsaka ny olona," hoy i Joma Claudia, mpampivelona. « Tsy maintsy nametraka fandaharam-potoana izahay mba ahafahana mampisitraka ny marary ireo tolotra samihafa atolotry ny Toby. Eny tokoa, tsy azo atao, ohatra, ny mandray vehivavy tonga hifampitafatafa mandritra ny fotoana fisafoana raha to aka amin'ny andro voatondro hanaovana vaksiny izy ireo no manatona ny toby. Tsy maintsy nody izy ireo nefa rehefa tona indray ny andro voatondro hanaovana ireny fifampidinihana ireny dia betsaka loatra ny olona tona kz voatery nasaina niverina indray ny ankamaroany. Ireo mpitsidika mikasika ny fandrindram-pianakaviana indray dia manana efitra kely ihany izahay hanomezana torohevitra sy handraisana ny marary” hoy izy nanohy ny fanazavana.

 Etsy ankilany, tery dia tery ny efitrano fiterahana, ka voafetra ny isan’ny vehivavy afaka raisina ao an-toby. Fandriana atsaky ny 10 no misy ary matetika ny mpampivelona dia tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra sarotra. "Noho ity fanarenana ity dia tsy dia sarotra aminay intsony ny fandaminana ny as aka maatsiaro maivamaivana izahay" hoy hatrany izy nanohy, ny resany.

Mahakasika ny tobim-pahasalamana iray manontolo ny fanarenana. Nasiana lavarangana lehibe sy efitra fiandrasana mampahazo aina kokoa ny marary mandritra ny filaharana lavabe indrindra ireo mitondra zaza. Tena efa azon'ny mpiasan' ny fahasalamana mpanampy tsapain-tanana ny vokatry fanatsarana voalohany. « “Endrey ny fahafaham-po fa ho afaka mandamina mialoha sy mieritreritra fa ho afaka mandray ny olona rehetra amin'ny fotoana iray ihany izahay. Tsy hisy hody intsony nohon’ny olana amin’ny tsy fahampian’ny toerana. Afaka manome tolotra samihafa izahay ao anaty andro iray ary amin’ny fomba tsara indrindra izany”, hoy i Joma Claudia, mpampivelona.

Ao anatin'ny dingana hahatongavana ho Tobim-Pahasalamana Sakaizan'ny tanora (CAJ) ity ivon-toerana ity ka handray an-tanana ny zo ara-pananahana sy ny fahasalaman'ny fananahana ho an'ny tanora miala sakana sy ny tanora ka hifantoka amin'ny fisorohana sy fitantanana ny vohoka aloha loatra, ny fahasalamana ara-tsaina, ny fandrindram-pianakaviana ary ny fitantanana ny aretina ara-pananahana / VIH, ny fandraisana an-tanana ny trangan'ny herisetra atao amin'ny vehivavy, ny fitiliana ny homamiadan'ny taovam-pananahan’ny vehivavy ny tolotra. Ireo tolotra ireo dia hatambatra amin'ny tolotra ara-pahasalaman’ny reny sy zaza vao teraka sy ny ankizy madinika.

Tobim-Pahasalamana fototra miisa 05 ao amin’io faritra iasana io no kasaina hatao hatramin’ny taona 2025 ary anisan’izany ity CSBU Fenerive ity. Aorian’ny fanarenana dia efa voavinavina koa ny famatsiana fitaovana sy kojakoja ireo toby ireo, izay mbola ao anatin’ny tetikasa HAFA Velontegna ihany, tohanan’ny komity danoà.

Centre de Santé de Base Urbain de Fenerive-Est
UNICEF Madagascar/2023
Centre de Santé de Base Urbain de Fenerive-Est
UNICEF Madagascar/2023