Fiatrehana ny tsy fahampian-drano any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara
Ny fotodrafitr’asa fampiasana rano marolafy sy fanalana sira amin’ny rano dia manampy amin'ny famaliana ny filàn’ny vondrom-piarahamonina.
Niova ny fiainan’ny fianakaviana ao Manavy noho ny fisian’ny fotodrafitr’asa fampiasana rano marolafy
Tany amin'ny faritra karankaina any atsimon'i Madagasikara, ny UNICEF dia namita iraka goavana mba hamahana ny olan’ny tsy fahampian-drano mianjady amin'ny fiarahamonina. Ny vahaolana ? Fotodrafitr’asa fampiasana rano marolafy amin'ny alàlan'ny vatoaratra fahanan’ny herin’ny masoandro (“panneau solaire”), izay tantanin'ny kiôska isam-pokontany, mba hamaliana ireo filàna isankarazany eo amin'ny mponina: fisitrahana rano, fambolena ary fiompiana.
Tao Manavy, i Ahovafidiazy, renim-pianakaviana manan-janaka telo, dia nahita fiovana teo amin’ny fiainany taorian’ny nametrahana ity fotodrafitr’asa ity. Tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo i Finidisoa, zanany vao 9 volana. Ho fitsaboana io zaza io dia nahazo Koba izy, sakafo hafa manolo ny PlumpyNut (paty fitsaboana tonga dia vonona), ary rano fisotro novatsian’ny kiôska. Tamim-pihetseham-po no nizaran’i Ahovafidiazy ity: « Tena fanamaivanana ho an’ny fahasalaman’ny zanako ny Koba sy ny rano madio avy tao amin’ilay kiôska. Nitondra tara-panantenana kely teo amin’ny fiainana andavanandronay izay tena sarotra izany. » Fanampin’izany, mampiasa io rano io amin’ny fandrahoana sakafo sy fanasan-damba i Ahovafidiazy. Rehefa hanasa lamba izy dia mampiasa ny rano avy amin’ilay fatsakan-drano teo aloha, 2 km miala ny tanàna. Mividy rano 5 ka hatramin’ny 6 siny 20 litatra isan’andro ao amin’ny kiôska izy ka 100 ar ny iray, izany hoe 0,022 USD. Ilay mpiandry ny fantsakan-drano, Mara, lehibe eo an-tanàna, dia miantoka ny fitsinjarana rano isan'andro amin'ny fomba mahomby, ary koa mitantana ny fitaovana fanondrahana mitsitaitaika manondraka ny tanimboly.
Nisitraka io rafitra ftisinjarana rano io ihany koa i Sambeandrae, mponina iray hafa ao Manavy. Afaka namboly legioma isan-karazany niaraka tamin’ireo mpikambana hafa tao amin’ny fikambanan’ny tantsaha teo an-toerana izy, noho ny rano nomena. Mamboly mananasy, voatabia, tongolo, ovy, voatavo, vomanga ary karaoty ity fikambanana ity, izay ahitana lehilahy sy vehivavy. Miisa 67 ny isan’ny mpikambana ao amin’ilay fikambanana any an-toerana ary mandray anjara mavitrika amin’ny fikojakojana ny tanimboly izy ireo, ka manamafy ny firaisankina eo anivon’ny fiarahamonina, ary miantoka ny sakafo ho an’ny fokontany izany. Nizara ny zavatra niainany izy: “Ny fomba famatsian-drano mitsitapitapy dia nahafahanay nampiovaova ny voly ary nanome antoka ho amin’ny fisian’ny sakafo ho an’ny tanànanay.” Manome rano ho an’ny biby ihany koa io fomba fampiasa io; miantoka ny famatsiana tena ilaina ho an'ny biby fiompy izany ka mandray anjara amin'ny filàn'ny fiarahamonina.
Nahazo rano fisotro ny fokontany Ambondro noho ny fanalana sira amin’ny rano
Any Ambondro, fokontany mifanolo-bodirindrina, ny fitantanana ny rano dia nankinina tamina orinasa tsy miankina iray izay miandraikitra ny fanalana sira amin’ny rano mialoha ny fitsinjarana izany. I Mbola, amin’ny maha mpitantana azy an’ity orinasa ity, dia misahana ny fanaraha-maso ny fanadiovana ny rano sy ny fitsinjarana izany. Noella, bevohoka 8 volana, dia mizara ny traikefany nandritra ny telo volana farany hatramin'ny nampidirana ny rano voadio teo amin'ny fiaraha-monina misy azy. Hoy izy: “Nanomboka teo amin’ny telo volana teo izao dia afaka nisitraka rano tsara kalitao, manana tsiro mitovy amin’ny rano anaty tavoahangy izahay. Io rano tsy misy sira io no tena ampiasainay hosotroina, fa ho an’ny zavatra hafa ilain’ny tokantrano indray dia mbola aleon’ny mponina mampiasa rano avy amin’ny fatsakana. ”
Vololoniaina, mpiandraikitra ny fatsakan-drano ao Ambondro dia manana anjara toerana lehibe amin’ny fitsinjarana ny rano. Ho fankasitrahana ny asa tanterahany dia mahazo 10% amin'ny vola azo isaky ny roa volana izy. Nomarihiny fa ny asa fisitoman-drano dia matetika iantsorohan’ny vehivavy, na dia miandraikitra ny asa mavesa-danja kokoa aza ny vatan-dehilahy, ohatra amin’izany ny fampiasana sarety izay ampiasain’i Lambofomesoa. Ny rafitra fandoavam-bola mialoha izay ampiasaina dia miantoka ny fitantanana araka ny tokony ho izy ny fitsinjarana ny rano ary indrindra ny faharetany.
Tena azo tsapain-tanana ny fiantraikan’ny fidirana an-tsehatry ny UNICEF amin’ireo tanàna karankaina ireo. Tsy vitan’ny hoe nanatsara ny fahasalaman’ny mponina ny fahazoana rano fisotro madio fa nanokatra ny sehatry ny fambolena ihany koa, ka nanamafy ny tohibelin’ireo vondrom-piarahamonina ireo manoloana ny tsy fahampian-drano miverimberina.