Fiaingana vaovao ho an'ny fanabeazana noho ny fotodrafitrasa maoderina.

Narisika hiverina hianatra indray i Soanomena, mpianatra kilasy faha-5, rehefa nahita ny fiovan'ny tontolon'ny sekoly izay mifanaraka tsara amin 'ny filàny.

Abela Ralaivita
October 2024 – Ankaranabo village, southern Madagascar – Photo of Soanomena in her new classroom. Soanomena, a 12-year-old student in the 5th grade at the Ankaranabo General Education College in southern Madagascar, is experiencing a fresh start.
UNICEF/UNI739844/Ralaivita
20 Febroary 2025

Manao fiaingana vaovao Soanomena, 12 taona, mpianatra ao amin'ny kilasy faha-5 ao amin'ny sekoly ambaratonga faharoa ao Ankaranabo, any amin’ny faritra atsimon'i Madagasikara. Avy amin'ny fianakaviana tantsaha mamboly anana sy mangahazo izy, saingy tsy maintsy niato tamin'ny fianarana nandritra ny fotoana vitsvitsy niala ny toeram-ponenany, noho ny antony ara-pianakaviana. Rehefa niverina izy dia nahita fa  nohavaozina tanteraka sekoly, miaraka amin'ny foto-drafitrasa vaovao natsangana vokatry ny fanampiana natolotry ny Komity Japoney ho an'ny Unicef sy ny *Sl Creations. "Mazoto hianatra be aho izao, ity tontolo ity dia tsara ho antsika," hoy izy nizara.

Hoenti-mamaha ireo fihaikana mis yeo amin’ny rafi-pampianarana Malagasy, ny UNICEF dia nametraka ny  fomba fiasa "Firenena an-tsekoly sy fiverenana mianatra" (back to school and learning), fandaharanasa mampiaty sy mivoy ny mirlenta hoenti-miady amin'ny kirizy mihatra amin’ny fampianarana. Ity fandaharana ity dia nahafahana nanangana efitrano fianarana vaovao efatra, efitrano ampiasaina marolafy, kianja filalaovana fanatanjahantena maro ary trano fidiovana misy fandroana mba hahafahan'ny zazavavy mitantana ny fadimbolany amim-pahamendrehana, ao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa fototra ao Ankaranabo. Napetraka ihany koa ireo fitaovana fanasan-tanana sy fanaka maoderina, ahafahan'ny mpianatra mianatra amin'ny fomba tsara indrindra.

Tsy nisy sekoly ambaratonga faharoa fototra tao Ankaranabo Avaratra teo aloha, ary tsy maintsy nandeha an-tongotra 15 km ho any amin'ny foiben'ny distrikan'i bekily ny mpianatra raha te-hanohy ny fianarany. Tamin'ny taona 2009, nanapa-kevitra ny hanangana sekoly ambaratonga faharoa fototra ao Ankaranabo ny manampahefana ao an-toerana. Nanangana tranobe misy efitrano fianarana roa vita amin'ny fitaovana avy eny an-toerana ny fiarahamonina, ka nisy mpianatra 45 voasoratra anarana, tamin'izany.

"Teo aloha dia tsy maintsy nipetraka tamin'ny tany ny mpianatra, ary nalamina hifandimby ny fianarana noho ny tsy fisian'ny efitrano", hoy ny fanazavan'i Remisoa, mpampianatra ao amin'ny kolejy, izay naneho ny fahafaham-pony tamin'ity fanovana ity.

« Ankehitriny, mazoto ery na ny mpampianatra na ny mpianatra, ary tafakatra 147 ny isn’ny mpianatra nisoratra anarana sy mamonjy sekoly» - hoy Remisoa

October 2024 – Ankaranabo village, southern Madagascar – Photo of Soanomena and her classmates. Soanomena, a 12-year-old student in the 5th grade at the Ankaranabo General Education College in southern Madagascar, is experiencing a fresh start. Coming from a family of farmers who grow leafy greens and cassava, she had to stop attending school for a while and leave her village due to family reasons.
UNICEF/UNI739845/Ralaivita Soamena (ankavanana) sy ireo mpiara-mianatra aminy eo manoloana ny efitrano fianarana vaovao ao amin'ny sekoly ambaratonga faharoa.
On October 7, 2024, the Netherlands National Committee for UNICEF delegation visited a lower secondary school in Ankaranabo, Bekily district, Androy region of Madagascar, part of the ecovillage programme.
UNICEF/UNI719728/Andrianantenaina Mpianatra iray manondraka hazo namboleny tao an-tokotanin'ny sekoly.

Nahafahana nanokatra ny lalana ho an'ny fianarana ara-kaji-mirindra koa ny vokatry ny fiaraha-miasa eo amin'ny *Airtel sy UNICEF kay fotodrafitrasa maoderina, manana fitaovana informatika ary mifandray amin'ny aterineto ny sekoly. Io fandaharana io dia manampy ny mpianatra hahay mikirakira solosaina sy mitrandraka ny tranomboky nomerika ao amin'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena, ka manamora ny fahazoana loharanom-pianarana vaovao.

Ankoatra izay, tonga manamafy ity tetikasa ity ihany koa ny hetsika "mpianatra Iray, hazo iray" amin'ny alalan'ny fanentanana ny tanora momba ny fiarovana ny tontolo iainana. Mandray anjara mavitrika amin'ny fambolena hazo ao an-tsekoly ireo mpianatra, santionan’ny fomba fiasa sy fanabeazana hoenti-mandrisika azy ireo hikajy ny harena voajanahary izany, ary famahana ny olana lehibe atrehin’ity faritra ity noho ny fahasimbana ateraky ny fiovovan’ny toetrandro. Eo koa ny fametrahana angovo azo havaozina ihany izay ao anatin’ity hetsika ity, hoenti-manampy ny mpianatra mianatra mampifanaraka ny fomba fiainany amin’ny zava-misy sy miaro ny tontolo iainany.

Any amin'ireo tanàna sasany any atsimon'i Madagasikara, ny fandrosoan'ny foto-drafitrasa sy fanabeazana any an-tanàna dia natao hifanaraka amin’ny fikolokoloana ny ny tontolo iainana sy mivoy ireo soa fanararaotra eo an-toerana azon’ny mponina sitrahana. Mpiara-miombon’antoka isan-karazany no manohana izany, tsy vitan'ny hoe manamafy ny fahazoana fanabeazana izy ireo, fa mponina mahay miatrika koa.

Ireny fanorenana ireny ihany koa dia vakana malaimisaraka amin'ny amin'ny fandaharan'asa mikendry ny fanatsarana ny fahazoana fanabeazana tsara kalitao, amin'ny alalan'ny fizarana fitaovana ho an'ny mpianatra, mpampianatra sy sekoly, fanofanana mpampianatra, ary fanohanana akademika mba hampiroboroboana ny fianarana tsara kokoa.

"Te ho lasa mpampianatra aho any aoriana any. Mino aho fa hankafy ny asa fampianarana ao anaty tontolo toy izao aho," hoy i Soanomena.

 

Vakio koa : Hope takes shape: ecovillages bring smiles back to the people of southern Madagascar.

 

Fanamarihana: ny Foto-kevitry ny ecovillage ampiharin'ny UNICEF dia vatsian'ny Komity Nasionaly hp an'ny Unicef any Belzika, Holandy, Royaume-uni, Frantsa, Andorra ary Alemana, ary koa ny moondance sy Eleva foundations.

 

* TSY manohana marika, vokatra na tolotra ny UNICEF.

 

Nataon’i Abela Ralaivita