Eto Madagasikara, ny fiaraha-mientana dia miaro ny fitiavana mianatra

Any Atsimo, tsy ampy ho an’ireo ankizy 659 tonga mianatra isan’andro ireo trano fianarana miisa dimy ao amin’ny sekoly ambaratonga fototra ao Beraketa, ka manao ezaka hanatsarana izany ireo mpikambana mavitrika ao amin'ny komity mpitantana ny sekoly

Lalaina Harisoa Ralaiarijaona
L’un des bâtiments de l’Ecole Primaire Publique de Beraketa
UNICEF Madagascar/2022/Ralalaiarijaona
03 Aogositra 2022

Beraketa dia tanàna ambanivohitra any atsimon’i Madagasikara; mila mandeha fiara adiny iray vao tonga any ary manaraka làlana lava be misy fasika, anelanelan’ny saha-na taretra midadasika, ilay zava-maniry tropikaly izay angalana kofehy hanaovana karipetra. Vokatry ny toetr'andro maina mandritra ny taona, nohamafisin'ny hain-tany tsy nisy toa azy tamin'ny taona 2021 dia olana lehibe ny tsy fahampian-drano sy sakafo, ka manery ny fianakaviana hanao laharam-pahamehana ny fivelomana mihoatra amin’ireo filàna hafa toy ny fahasalamana, na koa ny fanabeazana. Tamin’ity taona ity, 24%-n’ny ankizy tao amin’ny Faritra Anosy no tsy nisoratra anarana nianatra, raha toa ka ny taona 2020 dia efa ho 43% no niala an-tsekoly fa nanaraka ireo ray aman-dreniny tany amin’ny tany mahavokatra kokoa na noho ny tsy fahampian’ny enti-manana.

Eo anivon’ny Sekoly Ambaratonga Fototra ao Beraketa dia navondrona ny ezaka mba tsy hisian’ny fiatoana mandritra ny 10 volana ianarana. Ankizy sivy amby dimampolo sy enina hetsy, ao amin’ny garabola sy ambaratonga fototra mitambatra, no raisina isan’andro ao, ka izany no antony lehibe mahatonga ny filofosan’i Tenasoa Justine, talen’ilay sekoly.

Mba hanatanterahana izany dia afaka matoky ny fanohanana tsy tapaka omen’ireo mpikambana ao amin’ny komity mpitantana ny sekoly i Tenasoa Justine. Rafitra napetraky ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena izy io ary ny fanatanterahana azy dia vokatry ny fanohanan’ny mpiara-miombon’antoka toy ny UNICEF. Nohon’ny fanampiana avy amin’ny Fondation Hempel any Danemark dia nisitraka fanatevenam-pahaizana ireo ray aman-dreny, mpampianatra, lehiben'ny fokontany ary ny manampahefana eo an-toerana izay mandray anjara ao amin'izany komity izany, mba ho andrin’ny fahombiazana ao amin'ilay sekoly fanabeazana fototra.

Miantehitra amin'ny mangarahara

Ny teny filamatry ny komity mpitantana dia ny mangarahara. Na eo amin’ny lafiny fitantanana ara-bola na fampitaovana dia miroborobo izy io nohon’ny fahaiza-manaon’ireo mpikambana ao aminy, ho tombontsoan’ny ankizy sy ny fianakaviana. Tetik’asam-panabeazana anaty fifanarahana iray no mandrafitra ny hetsika manomboka eny am-piandohan'ny taom-pianarana mba hamaritana ireo filàna tena laharam-pahamehana, handrindrana ny fandaniana ary hamolavolana ny drafitra fampiharana. Misy ireo fivoriana atao isan-telo volana entina manao tomban’ezaka ireo asa sy mandray fanapahan-kevitra anaty fifampidinihana feno. « Laharam-pahamehana amin’ny fanatanterahana ny programa ny fividianana fitaovana ho an’ny mpampianatra sy ny tale toy ny tsaoka, taratasy, penina, kahie fanomanana... », araka ny fanazavan’ny Tale. « Mandray anjara an-kalalahana amin'ny fanapahan-kevitra izahay ary mahafantatra tsara ny fomba sy ny karazana hetsika ampiasana ny vola. Tena vonona izahay handefa ny ankizy hianatra satria azo antoka fa tsy ho tapaka ny fampianarana, » hoy i Marguerite Miambintsoa, ​​mpitam-bola ao amin’ilay komity mpitantana. Ny roa amin'ireo zanany valo dia ao amin'ny garabola sy sekoly akanin-jaza ao amin'ny sekoly fanabeazana fototra.

Tena mbola tsizarizary ho an’ny zanany ao amin’ny garabola ny toe-java-misy amin’izao fotoana izao, saingy mbola manam-panatenana ihany i Marguerite Miambintsoa noho ny fahombiazan’ilay komity mpitantana. « Mikasa ny hanangana efitrano ahafahana mandray an-tànana ireo zaza madinika ireo izahay. Tsy ampy ny enti-manana amin’izao fotoana izao saingy efa eo am-pikarakarana izahay, » hoy hatrany izy. Ny sekoly dia nahazo trano roa vao naorina ka ny iray ahitana efitrano 3 ary ny iray kosa misy efiftrano 2; ny fandaharan’asa iombonan’ny UNICEF, ny Fandaharanasa maneran-tany ara-tsakafo (PAM) ary ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Asa no niantoka izany, saingy tsy mbola ampy andraisina ireo mpianatra manontolo. « Mindrana tranokely iray izahay mba ampianarana azy ireo. Saingy amin'izao dingana izao dia zava-dehibe kokoa ny fanabeazana azy ireo. Efitrano fianarana dimy fanampiny no ilaina hamaliana ny filàn’ny sekoly amin’izao fotoana izao, » hoy ihany ny Tale. Nahitam-bokany ny ezaka nataon’ny tale sy ny ekipany manontolo satria nandritra ny fanadinana ofisialy 2022 dia manodidina ny 80 isan-jato ny voka-panadinana azo.

« Ny fiovaovan’ny toetr’andro, indrindra ny hain-tany, no tena fahavalonay. Izany no tena mahatonga ny tsy fahatongavan’ireo ray aman-dreny mpikambana ao amin’ny komity, izay sahirana tanteraka amin’ny famelomana ny fianakavian’izy ireo. Ho an’ny zaza, fanamby iray tena mampalahelo koa ny fandehanana mianatra kanefa ny kibo noana, » hoy ny fitarainany. Ny lehiben’ny kaominina Manjosoa, mpiara-miombon’antoka mavitrika amin’ilay komity, dia mitety tokantrano mba hankaherezana ireo ray aman-dreny, indrindra amin’ny fotoanan’ny kere. « Ny sekoly dia manana trano fisakafoanana iray izay manamaivana ny vola aloan’ireo ray aman-dreny ary miantoka ny fandehanan’ireo ankizy an-tsekoly, » hoy izy.

 

De Gauche à Droite, Tenasoa Justine, la directrice, un représentant des enseignants et Marguerite, la trésorière de Feffi
UNICEF Madagascar/2022/Ralalaiarijaona Avy any ankavia miankavanana, Tenasoa Justine, talen’ny sekoly, solontenan’ny mpampianatra ary Marguerite Miambintsoa, mpitam-bolan’ny Feffi.
Manjosoa, le chef du village est un partenaire actif du comité de gestion de l’école
UNICEF Madagascar/2022/Ralalaiarijaona Manjosoa, lehiben’ilay tanànakely, dia mpiara-miombon’antoka mavitrika amin’ny komity mpitantana ny sekoly