Eto Madagasikara, misitraka fitsaboana ireo marefo indrindra amin'ny alàlan'ny fahasalamam-bahoaka

-

Harilala Myriam Vololonarivo
Avotra et son bébé
UNICEF Madagascar/2022
09 Febroary 2022

Ao amin’ny kaominina ambanivohitra iray any Ambositra dia tsy maintsy mandeha 2 kilometatra farafahakeliny vao tonga any amin’ny tobim-pahasalamana akaiky indrindra. Tena sakantsakana izany, indrindra ho an’ny ankizy sy ny reny. Tsaroan’i Avotra, renim-pianakaviana manan-janaka efatra, ny tsy fisian’ny fanaraha-maso tamin’ny fitondrany vohoka telo voalohany. "Lavitra loatra ny tobim-pahasalamana ary tsy dia nanana fidiram-bola betsaka aho nahafahako nanao fizaham-pahasalamana tsy tapaka," hoy izy.

Mba hamahana io olan’ny fahalavirana io dia nipetraka tsikelikely teny anivon’ireo faritra saro-dàlana indrindra ny tobin’ny vondrom-piarahamonina. Natsangana ny Tetikasa Fanatsarana ny vokatra ara-tsakafo (PARN), izay nitarika fandraisana mpiasan'ny fahasalamam-bahoaka manodidina ny 11.000. Ny andraikitr’izy ireo dia ny manara-maso sy mikarakara maimaimpoana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza latsaky ny 5 taona eny amin’ireo fokontany mitokana ireo. Araka ny famaritana, ny mpiasan'ny vondrom-piarahamonina dia olona manolo-tena hampandroso ny fahasalamana eo an-tanàna. Manara-maso ny fahasalaman'ny reny bevohoka, mampinono na vao tera-bao izy. Manara-maso ny toe-pahasalaman’ny zaza latsaky ny 5 taona amin’ny alàlan’ny fandanjana sy ny fandraisana refy ary ny fitiliana ny tsy fanjarian-tsakafo ihany koa izy. "Manana fitsaboana ho an'ny ankizy tratran'ny aretina tsy mahafaty na lasibatry ny tsy fahampian-tsakafo izahay. Raha misy fahasarotana dia afindranay eny anivon’ny tobim-pahasalamana akaiky indrindra izy ireo", hoy i Nirina, mpiasan’ny fahasalamam-bahoaka. Ny mpiasan'ny fahasalamana ihany koa dia manome fanabeazana ara-tsakafo ho an'ireo vondrom-piarahamonina mahazo tombony.

"Nanatsara ny fomba fanao ny fisian’ireny toby ho an’ny vondrom-piarahamonina ireny eny akaikin’ny tanàna: mihamaro ny vehivavy bevohoka sy ny reny ary ny zaza latsaky ny 5 taona tonga manao fizaham-pahasalamana", hoy hatrany izy. Mandray ankizy 250 eo ho eo amin’ny ankapobeny ny toby ho an’ny vondrom-piarahamonina iray.

Noho ny famatsiam-bola azo avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena, ny UNICEF dia manome fanampiana ara-teknika entina manamafy ny rafi-pahasalamana eny amin’ireo faritra ametrahana ny Tetikasa fanatsarana ny vokatra ara-tsakafo (PARN). Tafiditra ao anatin’izany ny fiantohana ny fisitrahana fanafody sy fitsaboana ho an’ny reny sy ny zaza. Ilay fanohanana ihany koa dia ahafahana manatsara ny rafi-pampahalalam-baovao nasionaly, ary koa ny fandrindrana ifotony sy ny fitantanana ireo otrikarena isan-karazany eo anivon’ny faritra, distrika ary ny faritra manodidina.

Nirina, agent de santé communautaire
UNICEF Madagascar/2022