Casmira, feon'ny tanora mandray andraikitra miaraka amin’ireo tanora namany.
Herintaona taorian'ny diany voalohany tany ivelany, i Casmira dia nivoatra avy amin'ny maha-zatovo mavitrika azy, ka lasa tovovavy vonona tanteraka hiaro ny zon'ireo tanora mitovy aminy.
Fotoana fakan-drivotra izao ao amin'ny Sekoly Ambaratonga Faharoa Fototra ao amin'ny tanànan'i Fenearivo Atsinanana. Manodidina ny folo ireo mpikambana ao amin’ny Filankevitry ny Tanora ao amin’ny Faritra Analanjirofo no miditra eo an-tokontanin’ny sekoly mba hanao fanentanana ireo mpianatra, izay mivondrona eo ambany elo mba hiarovan’izy ireo tena amin’ny masoandro. Anisan’izany i Casmira, iray amin’ireo mpanorina ity hetsika ity.
Mpianatra ao amin’ny kilasy famaranana, taranja siantifika ao amin'ny lisea i Casmira. Vao haingana izy no nankalaza ny faha-18 taonany ary lasa tovovavy tena vonona ny hifehy ny hoaviny.
« Nanangana ity Filankevitry ny Tanora ity izahay niaraka tamin’ireo mpikambana hafa mba hitondra ny feon’ireo tanora mitovy aminay, rehefa avy nisolo tena an’i Madagasikara tamin’ny Atrikasa mikasika ny adisisika ho an'ny Fanabeazana ny Tanora, » hoy ny fanazavany. Ny Filankevitry ny Tanora dia vondrom-piarahamonina tena miroborobo fatratra, izay mampivondrona ireo tanora 15 ka hatramin'ny 25 taona vonona hiditra an-tsehatra amin’ny fitondrana fanovana tsara, na eo an-toerana na maneran-tany. Herintaona talohan’izao dia nandray anjara tamin’ny fivoriana iraisam-pirenena natokana ho an’ireo tanora mpitondra fanovana ihany koa izy.
« Fotoana izao handraisan’ireo zatovovavy andraikitra bebe kokoa eo amin'ny fiaraha-monina misy antsika ary mba hahazoan’izy ireo ny fanajan'ny hafa, » hoy izy
Miaro ny tombontsoan’ny ankizy
Ao anatin'ilay vondrona, i Casmira sy ireo tanora namany dia mandeha mitety sekoly sy vondrom-piarahamonina mba hamantarana ireo olana mifandraika amin'ny fanabeazana, ary hanao haitaky eny amin’ireo mpanapa-kevitra ho amin'ny hetsika fampidirana an-tsekoly ny ankizy sy fanatsarana ny kalitaon'ny fanabeazana. Mandray anjara amin’ny hetsiky ny olom-pirenena ihany koa izy ireo, toy ny hetsika fanadiovana faobe.
« Tena raisinay ho zava-dehibe ny fidirana an-tsehatr’ireo tanora ireo izay heverinay ho tena tompon’andraikitra. Tsy misy taona ny fiatrehana ireo olana eto amin’ny firenena, ary raisina an-tanan-droa ny fanampian’ireo tanora ireo,» hoy ny fanazavan’ny mpampianatra iray nifanerasera tamin’izy ireo tamin’io andro io.
Casmira, izay skoto mavitrika ihany koa, dia tena vonona tanteraka ny hanatratra ny nofinofiny ho lasa dokotera ary, tsara kokoa noho izay, te-hahazo fahaiza-manao manokana mahakasika izany. Iray amin'ireo mpianatra fanta-daza indrindra ao amin'ny lisea misy azy izy ankehitriny, ary ho azy dia miteraka voka-tsoa izany satria nanitatra ny faribolana ara-tsosialy misy azy, no sady nahafahany nampitombo ireo olona ifaneraserany ihany koa.
« Ny fomba fijeriko ny ho avy dia ny fahitana ireo tanora mandray andraikitra bebe kokoa ary lasa mahaleotena, » hoy izy teo am-pamaranana.
Note: dans la région d'Analanjirofo, l'UNICEF et ses partenaires soutiennent ces jeunes dans le cadre du programme Let Us Learn, à travers le financement du Comité National pour l'UNICEF en Allemagne et la Fondation Findel.