Aretina mahafaty maro no azo sorohina amin'ny alàlan’ny vaksiny

Marie Véronique Rasoanomenjanahary, mpampivelona 21 taona, anisan’ireo mpiasa an-tsitrapo tanora indrindra eo amin’ny sehatry ny fahasalamana eto Madagasikara. Izy dia resy lahatra ny amin’ny tombontsoa azo avy amin’ny vaksiny

Domoina Ratovozanany
Véronique Agent Communautaire
UNICEF Madagascar/2021/Ratovozanany
10 Septambra 2021

Marie Veronique Rasoanomenjanahary dia tanora mpampivelona mpitovo izay 21taona. Avy any amin’ny faritra Vakinankaratra ary nanaraka làlam-piofanana hahatongavana ho mpampivelona teo anivon’ny anjerimanontolo teto Antananarivo izy ary nody tany amin’ny faritra niaviany ny aprily 2021 rehefa nahavita ny fiofanana. Hatramin’izay nodiany izay dia nanolo-tena hiasa an-tsirapo ao amin’ny tobim-pahasalamana fototra (CSB2) ao Tsivatrinikamo Antsirabe I izy ary tafiditra ho anisan’ireo mpiasa an-tsitrapo tanora indrindra eto Madagasikara.

Amin’izany lafiny izany, Marie Veronique Rasoanomenjanahary dia anisan’ireo mpanao vaksiny nandritra an’ireo andiana fanaovam-baksiny faobe roa fanefitry ny lefakozatra ny faran’ny volana jona sy ny voalohan’ny volana aogositra 2021. Ankoatra’io fotoana nanaovana vaksiny faobe io dia miandraikitra manokana ny fitadiavana tsy tapaka ireo zaza tokony hatao vaksiny mahazatra sy ireo izay efa tsy hitahita teo anivon’ny fiarahamonina izy, ary miandraikitra ihany koa ny fanentanana momba ny tombontsoa azo avy amin’ny fanaovan’ny ray aman-dreny sy ny fiarahamonina eo amin’ny fokontany Mahazoarivo Nord vaksiny.  

Raha mikasika ny fahazotoany amin’ny fanaovana asa an-tsitrapo kosa indray, indrindra mahakasika ny fanaovam-baksiny dia toy izao ny fanazavan’i Véronique Rasoanomenjanahary: « Te hanana traik’efa maro indrindra araka izay azo atao aho tao aorian’ny nahavitako fianarana. Tena mbola maro ny zavatra tokony atao amin’ny lafiny fahasalamana eto Madagasikara, indrindra fa momba ny fahasalamana sy ny fanaovam-baksiny ny ankizy. Betsaka ny areti-mandoza sy mahafaty izay azo sorohina raha misitraka ireo andiam-baksiny rehetra ilaina alohan’ny faharoa taonany ny ankizy ».

Ilay tanora vavy mpiasa an-tsitrapo koa moa mihevitra fa laharam-pahamehana ny fanamafisana ny fampitam-baovao sy ny fanentanana ny ray aman-dreny momba ny tombontsoa azo avy amin’ny fahavitana feno ireo karazam-baksiny rehetra, ho an’ny aretina azo sorohina amin’ny alàlan’ny fanaovam-baksiny sy ny maha zava-dehibe ny fanarahana ny tetiandro fanaovam-baksiny. « Tsy mahafantatra afa tsy tioberkiolaozy, tetanosy, polyomyelita sy kitrotro ny ray aman-dreny amin’ireo aretina izay azon’ny fanaovam-baksiny sorohina. Ny mpiasan’ny fiarahamonina sy ny mpiasan’ny fahasalamana dia tokony hanamafy ny fampahafantarana sy ny fanentanana mialoha sy ao aorian’ny fotoana fanaovam-baksiny mba hisorohana ny honohono sy hanamafisana bebe kokoa ny fampahafantarana ny ray aman-dreny mikasika ny tombontsoa amin’ny famelàna ny zanany hatao vaksiny feno mialohan’ny faha-eritaonany », hoy Marie Véronique Rasoanomenjanahary.

Ny famatsiam-bola avy amin’ny governemanta amerikana sy ny falalahan-tanan’ny fikambanana mpanao asa soa Latter-Saints Saints (LDS) dia nahafahan’ny UNICEF Madagascar manohana ny fanatrarana ny fanaovana vaksiny mahazatra mandritra ny hetsika fiadiana amin’ny lefakozatra any amin'ny faritra 15 sy distrika 85 izay notanterahina tamin'ny faran'ny volana jona sy ny fiandohan'ny volana aogositra 2021. Ny UNICEF Madagascar tokoa mantsy dia niantoka ny vaksiny rehetra, ireo akora fototra, ireo fitaovam-pitantanana ary ireo fitaovam-pifandraisana ary koa namatsy vola ny fanentanana ifotony izay tanterahan’ireo mpanentana, niantoka ara-bola ny fivezivezen’ireo ekipa mpanao vaksiny ho fanatanterahana ny paik’ady manakaiky vahoaka sy mitety vohitra mba hanatrarana ireo ankizy izay tsy vita vaksiny ara-potoana sy tsy nahazo vitamine A ho fanampin-tsakafo.