Afaka miresaka momba ny fikarakarana ny fidiovana mandritra ny fadim-bolana isika
-
Lucienne, ilay mpanjaitra
I Lucienne irery no mpanjaitra ao amin'ny tanànany ao Mandromoromotra, atsimon'i Madagasikara. Nahazo fiofanana tamin'ny volana Mey izy niaraka tamin'ireo mpanjaitra hafa avy any amin'ny tanàna manodidina mba ahafahana manamboatra lamba fampiasa amin’ny fadim-bolana azo sasaina; ka ny tanjona amin’izany dia ny hamarotra azy ireny mba ho lasa loharanom-bola maharitra. Ny fiofanana dia tafiditra ao anatin'ny fandaharan’asa fikarakarana ny fidiovana mandritra ny fadim-bolana ao amin’ny ONG SEED Madagascar, izay tohanan'ny UNICEF. Taorian’ny fiofanana dia nahazo kit enti-manomboka ny asa izy. Androany dia nahavita nanamboatra lamba fampiasa amin’ny fadim-bolana vitsivitsy izy ary namarotra izany tamin’ny vehivavy teo an-tanànany. « Sarotra amiko ny mivarotra ireo lamba fampiasa amin’ny fadim-bolana azo sasaina izay namboariko ireo amin’ny tovovavy sy ny vehivavy ao an-tanàna na dia eo aza ny fanentanana momba ny fidiovana mandritra ny fadim-bolana izay tanterahina matetika ao an-tanàna ary na dia milaza aza aho fa manome fihenam-bidy ho azy ireo, » hoy i Lucienne. Na eo aza izany dia tsy kivy izy ary manam-paharetana. Ny fiovam-pitondran-tena mantsy dia dingana mizotra moramora ary maharitra ela; izany no hanazavana izao fisalasalan’ny olona izao.
Misy santionany vitsivitsy amin’izany ihany koa asehon’i Lucienne eo amin’ny fivoratana kely manoloana ny tranony mba hisarihana ny mason’ireo mpandalo eo anoloan’ny tranony, satria ny làlana izay mandalo eo alohan'ny tranony dia mampitohy ny tanànan'i Tolagnaro sy ny morontsiraka atsinanan'i Madagasikara.
Vao voalohany no nahitan’i Fransisca ireo lamba fampiasa amin’ny fadim-bolana
20 taona Faravavy i Fransisca; niteraka ny zanany voalohany izy ny volana jona lasa teo. I Marie, reniny, no nividy ho azy ny lamba fampiasa amin’ny fadim-bolana azo sasaina izay namboarin’i Lucienne rehefa akaiky ny fiterahany. « Fifandrifian-javatra ilay izy satria efa antomotra ny daty voatondro hahaterahan’ny zanako vavy ary sendra nanatrika hetsika fanentanana mikasika ny fidiovana mandritra ny fadim-bolana aho. Nanaitra ahy izany ary nijanona nihaino aho. Teo no nahalalako voalohany momba ny lamba fanao amin’ny fadim-bolana azo sasaina, ka nividianako ny zanako vavy, » hoy i Marie tamim-pireharehana. Ambonin'izany, mba hanampiana bebe kokoa ny zanany vavy dia nanisy trano fandroana teo akaikin'ny tranon'i Fransisca ihany koa i Marie.
Talohan'ny nahafantarany ny lamba fampiasa amin’ny fadim-bolana azo sasaina, i Fransisca dia nampiasa tapatapa-damba tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy. « Amin’izao fotoana izao dia afaka manao fampitahana aho ary afaka milaza fa ny lamba fanao amin’ny fadim-bolana azo sasaina dia mampiadana kokoa sady mifanaraka amin’ny vatako, ny fahasalamako ary ny fahazoako aina. »
Miza Georgine, ilay renibe resy lahatra amin'ny maha-zava-dehibe ny fidiovana mandritra ny fadimbolana
Miza Georgine dia 70 taona, izy dia iray amin'ireo zokiolona ao amin'ny tanànany ao amin'ny Kaominin'i Mandromoromotra. Anisan’ireo olona nandray tsara ny hafatra fampahafantarana momba ny fikarakarana ny fidiovana mandritra ny fadim-bolana izy ary avy eo dia niezaka nandresy lahatra ny olona manodidina azy. Taorian'ny fandalovan'ireo mpanentana izay nampiofanin'ny ONG SEED Madagascar ihany koa momba ny fanatanterahana ny hetsika fanentanana, sy i Lucienne izay nampiseho ny fomba fampiasana ireo lamba fampiasa amin’ny fadim-bolana azo sasaina ireo, i Miza Georgine dia mbola nijanona manoloana ny tranony ihany mba hampivoriana ireo zanany vavy sy zafikeliny vavy, ary koa vondrom-behivavy hafa ary lehilahy vitsivitsy. Izany no natao dia mba hanasongadinana ny maha-zava-dehibe ny fidiovana mandritra ny fadim-bolana. « Manan-janaka 14 aho, zafikely 30 ary tsy haiko intsony hoe firy ny zafikeliko, » hoy izy tao anaty fihomehezana ary hoy hatrany izy, « miezaka mampahafantatra azy ireo aho fa ilaina ny miresaka ny fikarakarana ny fidiovana mandritry ny fadim-bolana, satria miankina amin’izany ny fahasalaman’ny vehivavy. »
Razanatsimba Laurent, mpandrindra miandraikitra ny serasera sy ny fanentanana ara-tsosialy eo anivon’ny ONG SEED Madagascar, dia miaraka tsy tapaka amin’ny ekipany mba hanohanany hatrany ny ezaka fanentanana ataon'ny mpanentana eny an-toerana sy ny asa mafy tontosain'ny vehivavy toa an'i Lucienne. Ny ONG SEED Madagascar, miaraka amin'ny fanohanan'ny UNICEF, ankehitriny dia misehatra amin'ny fikarakarana ny fidiovana mandritra ny fadimbolana any amin'ireo kaominina miisa 21 ao amin'ny Faritra Anosy, atsimon'i Madagasikara.