KOICA - UNICEF: Manatsara ny fiainana syn y hoavin’ny tanora eto Madagasikara
Amin’ny alàlan’ny fanomezana tolotra ilaina eo amin’ny sehatry ny fanabeazana, ny fahasalamana ary ny fiarovana

Mahakasika
Ny Fanjakana Koreana sy ny UNICEF dia miasa ho an’ny ankizy eto Madagasikara mba hanatrarana tontolo ara-drariny, marina ary maharitra kokoa. Amin’ny alàlan’ny fiaraha-miasanay ao anatin’ny tetik’asa fampiroboroboana ny zazavavy tamin’ny ny taona 2017-2021, dia nanentana fiarahamonina izahay mba hampiroborobo ny famongorana ny fanavakavahana ary nanohana tovovavy mba hahatonga azy ireo ho mpitondra fiovana sy hahafahany maneho feno ny fahafaha-manaony. Ny fanambarana hery amin’ny sehatra maro dia nampivoatra ny fahavitan’ireo zazavavy ny fianarany eny amin’ny sekoly ambaratonga faharoa, nampitombo ny fahalalany momba ny fahasalamana ara-pananahana, nanitatra ny fisitrahana fitsaboana ara-pahasalamana tsara kalitao sy ho an’ny tanora ary nanamafy orina ny tolotra mahakasika ny fiarovana amin’ny herisetra. Amin’izao fotoana izao, ny zazavavy, ny fianakaviana ary ny fiarahamonina dia samy mahafantatra ny zony avy, ary nanova ny fitondrantenany mba ahafahana misoroka ny fanao mampidi-doza, toy ny fanambadiana aloha loatra sy ny vohoka aloha loatra.