Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin'ny MEAH sy ny UNICEF : Fiarabe mpitatitra rano miisa telo entina hanamafisana ny fahafaha-manaon’ny JIRAMA momba ny famatsian-drano eto amin'ny tanànan’ Antananarivo sy Toamasina.
Toy izao ny fanambaran’ny Ministry ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana, Voahary RAKOTOVELOMANTSOA : « Mampahatsiaro ny hasarobidin’ny rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana amin’ny hetsika rehetra hiadiana amin’ny COVID-19 ireo tetikasa sy hetsika mandeha amin’izao fotoana izao. Mampiseho izany fa ny MEAH dia mikaroka vahaolana hatrany mikasika ny fanatsarana ny fahazoana rano fisotro madio. »
Tafiditra indrindra ao anatin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny COVID-19 sy ny fanatsarana ny sehatra ara-pahasalamana amin’ireo tanàna roa ireo io hetsika io, raha mijery ny maha sarobidy ny rano amin’ny hetsika rehetra hisoroana sy hiatrehana ny valanaretina, indrindra fa ny fanasana tànana amin’ny savony.
Tsara ny manamarika fa efa namandrika fiarabe mpitatitra rano 2 fanampiny ny UNICEF, izany hoe mitotaly 5 arak’izany ireo kamiô ireo. Hatolotra ny JIRAMA amin’ny voalohandohan’ny volana Martsa ireo, entina hanamafisana ny famatsian-drano any amin’ireo faritra tsy mahazo rano fisotro madio ao Antananarivo. Olona miisa 50.000 fanampiny, izany hoe mitotaly 125.000 araka izany ny olona hisitraka ny fanamafisana ny famatsian-drano fisotro madio nohon’ny fampiasana ireo fiarabe mpitatitra rano miisa 5 ireo, izay nitaky famatsiam-bola mitentina iray miliara ariary. Nisaotra manokana ny Sampan-draharaha Koreana misahana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena (KOICA) ny UNICEF tamin’ny nanoloran’izy ireo ny famatsiam-bola ho an’ireo kamiô 3 ireo tamin’io andro io, ary nisaotra ihany koa ny governemanta Norveziana tamin’ny famatsiam-bola nomeny hahazoana fiarabe 2, izay hatolotra amin’ny vola Martsa ho avy izao.
Fifandraisana
A propos d'UNICEF
L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous.
Suivez l’UNICEF sur Twitter, Facebook et Instagram