Tanora efatra no nanatevin-daharana ny delegasiona Malagasy ho Mpanara-maso Ara-Politika ny fifampiraharahana tamin'ny Fihaonamben'ny Antoko faha-29 tao Amin'ny Fifanarahan'ny Firenena mikambana Momba ny Fiovaovan'ny Toetrandro (COP 29) tao Azerbaijan.
Baku, 12 novambra 2024 - tanora Malagasy efatra no tonga ao Azerbaijan handray anjara voalohany amin'ny maha-Mpanara-maso ara-politika azy mandritra ny COP29. Ireo tanora antsoina hoe "mpanara-maso ny politika" ireo no tompon'andraikitra amin'ny fanaraha-maso ny fifampiraharahana sy ny fanovana ny vaovao ara-teknika ho votoaty azo idirana mba hanentanana ny vahoaka amin'ny ankapobeny, ka hanetsika ny tanora, ny fiarahamonim-pirenena, ny sehatra ho an'ny ara-panjakana sy ny tsy miankina mivantana. Ankoatra izay, manome fanohanana stratejika ho an'ny delegasiona izy ireo amin'ny alalan'ny fanomanana fanadihadiana haingana, fandraisana anjara amin'ny fivoriana fanomanana, ary ny famantarana ny famatsiam-bola hanohanana ny fandraisana an-tanana ny toetrandro eto Madagasikara.
Manan-danja manokana ny fandraisan'izy ireo anjara amin'ity hetsika manerantany ity. Eny tokoa, anisan'ireo firenena marefo indrindra amin'ny vokatry ny fiovan'ny toetr'andro i Madagasikara. Loza mihantona mitambesatra amin’ny zon'olombelona, indrindra fa ny an'ny ankizy, ny tanora ary ny vehivavy, izany ka misy fiantraikany amin'ny fahasalamany, sy ny tokony hananany fiainana tsaratsara kokoa ary ny fivoarany. Ankoatra izany, efa ho ny antsasaky ny isan’ny Mponina Malagasy ny isan’ny ankizy Malagasy, izany hoe mahatratra 15 tapitrisa any ho any ireo mponina 18 taona.
Tanora mpikatroka ao amin'ny fiarahamonim-pirenena, efa niomana nandritra ny volana maromaro niaraka tamin'ny Minisiteran'ny Tontolo iainana sy Ny Fampandrosoana Maharitra izy ireo ary niaraka tamin'ny fanohanan'ny Rafitry ny Firenena mikambana Eto Madagasikara handray tanteraka ny andraikiny. Noho ny fiofanana nomen'ny Aika Alliance, niara-niasa tamin'ny UNFPA sy UNICEF, tanora telopolo avy amin'ny sehatra samihafa no afaka nanamafy ny fahatakarany ny olan'ny toetrandro ary niaro ny tombontsoan'ny taranaka ho avy. Anisan'izany ny sasany efa nandray anjara tamin'ny Fihaonambe Momba ny Fahasamihafana Biolojika (UNCCD COP16) ary ny hafa handray anjara amin'ny Fihaonambe Momba ny Ady firosoan'ny efitra (UNCCD COP16).
" Maneho dingana iray lehibe ao anatin’ny fandrosoana ny fandraisantsika anjara voalohany amin'ny Maha-Mpanara-maso Ara-Politika antsika ao anatin’ny COP . Fotoana mety indrindra hampidirana ny tanora sy ny ankizy amin'ny adihevitra momba ny fiovan'ny toetr'andro ary hanasongadinana ny filàna ny fandraisan'izy ireo anjara. Manantena izahay fa, aorian'io, ny ankizy sy ny tanora dia ho afaka handray anjara amin'ny fanavaozana ny antontan-taratasy momba ny Fandraisana Anjara Voafaritra Nasionaly ary koa ny politikan'ny toetrandro," Hoy i Lucky Andrianirina, mpikambana ao amin'ny delegasion'ny tanora ary filohan'ny “Youth Climate Alliance, Aika. Manampy ireo tanora mpikatroka hafa tafiditra amin'ny hetsika momba ny toetrandro ihany koa ny delegasiona, anisan'izany i Tania Lemainty, Anja Radoharinina ary Riantsoa Mihajaharivelo.
Manokatra varavarana handraisana anjara amin'ny hetsika sy fihaonambe isan-karazany izay mampivondrona ireo tanora avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao ho an'ireo tanora ireo ihany koa ny COP 29. Ny delegasiona Malagasy ho an'ny tanora no andrasana any mba hiresaka vahaolana, hizara fomba fanao tsara ary hiady hevitra momba ireo lohahevitra toy ny toe-javatra iainan'ny tovovavy sy ny fiovaovan'ny toetrandro na ny fahaizan'ny ankizy sy ny tanora hiatrika fisehoan-javatra mahery vaikan'ny toetr'andro tafahoatra.
Fifandraisana
Momba ny UNICEF
Ny UNICEF dia miasa any amin'ny toerana marefo manerana izao tontolo izao mba hanatratrarana ireo ankizy sahirana indrindra. Any amin'ny firenena 190, miasa ho an'ny ankizy tsirairay izahay, na aiza na aiza, mba hanorina tontolo tsara kokoa ho an'ny rehetra.
Araho ny UNICEF amin'ny X, Facebook, Instagram sy LinkedIn