Ny UNICEF dia mampitandrina momba ny traikefa amin’ny fianarana ambany dia ambany izay tena mampivarahontsana: ny ampahatelon'ny ankizy 10 taona maneran-tany ihany no tombanana ho afaka mamaky sy mahatakatra lahatsoratra tsotra.

Mialoha ny Fihaonana an-tampony momba ny fanavaozana ny fanabeazana, ny UNICEF dia nanambara tao amin'ny foiben'ny Firenena Mikambana any New York mahakasika ny fametrahana ny fotodrafitr’asa hiatrehana ny krizin'ny fampianarana

16 Septambra 2022
Apprendre à lire et écrire
UNICEF/UN0673523/Andrianantenaina

NEW YORK, 16 Septambra 2022 Mialoha ny Fihaonana an-tampony momba ny fanavaozana sy fampivoarana ny fanabeazana, ny UNICEF dia nampitandrina ny amin’ny traikefa amin’ny fianarana ambany dia ambany izay tena mampivarahontsana. Talohan'ny valan’aretina dia notombanana ho ny antsasaky ny ankizy 10 taona maneran-tany dia afaka namaky sy nahatakatra lahatsoratra tsotra. Ankehitriny, ny ampahatelon’izy ireo ihany sisa no nahavita izany.

« Ny tsy fahampian'ny enti-manana ho an’ny sekoly, ny tsy fahampian’ny tambin-karama sy ny fahaiza-manaon'ny mpampianatra, ny hamaroan’ny mpianatra diso tafahoatra anatin’ireo efitrano fianarana ary ny fandaharam-pianarana efa lany andro dia manakana ireo zanatsika hahatratra amin’ny fahafenoany ny fahafaha-manaon’izy ireo, » hoy i Catherine Russell, Tale Jeneralin'ny UNICEF. « Ny fitodiky ny rafi-panabeazantsika, araka ny fantatra, no mamaritra ny fitodiky ny hoavintsika. Raha tsy mamadika ny fironana ankehitriny isika dia tsy maintsy hizaka ny vokatry ny fahapotehan’ny  fanabeazana ny taranaka iray manontolo. Ny fahambanian’ny traikefa amin’ny fianarana ankehitriny dia mampihena ny fahafahantsika amin'ny ho avy. »

Mampanahy ihany koa ny zava-misy eto Madagasikara. Ny 15 isanjaton’ny ankizy ihany no mandeha any amin’ny garabola. Miakatra hatrany amin’ny 76 isanjato izany antontan’isa izany ho an’ny sekoly ambaratonga fototra, ary ny 56 isanjaton’ny mpianatra fotsiny ihany no mahazo diplaoma sy manohy ny fianarana ambaratonga faharoa. Antontan’isa mampanahy no manampy izany satria 27 isanjato amin'ireo mpianatra ihany no mamonjy ny ambaratonga faharoa ary ny 13 isanjato amin'izy ireo no tonga hatrany amin'ny ambaratonga ambony.

Ny fikatonan’ireo sekoly mandritra ny fotoana maharitra sy ny tsy fahampian'ny fisitrahana fanabeazana manara-penitra nandritra ny valan'aretina COVID-19 dia nampiharihary sy nampitombo ny krizy teo amin’ny sehatry ny fampianarana izay efa nisy teo aloha, ka nahatonga ankizy aman-tapitrisany manerantany very fahaiza-manao fototra amin'ny lafin’ny famakian-teny sy fanisana, araka ny fampitandremana nataon’ny UNICEF.

Eto Madagasikara, manodidina ny 70 isanjaton’ny mpanabe dia mpampianatra eny anivon’ny fiarahamonina (karamain’ny ray aman-dreny sy ny mpiara-monina), ary misy fiantraikany mivantana amin’ny kalitaon’ny fanabeazana sy ny fianarana ny tsy fahalavorarian’ny fahaiza-mampianatra. Amin’ireo ankizy 7 ka hatramin’ny 14 taona mandia sekoly dia 7 isanjato ihany no manana fahaizana fototra amin’ny matematika ary 23 isanjato amin’ny famakian-teny. Ny fikarohana notanterahan’ny PASEC, mpandinika iraisam-pirenena momba ny vokatry ny fianarana any amin'ireo firenena miteny frantsay tamin'ny taona 2019, dia nampiseho fa arakaraka ny ijanonan'ny ankizy maharitra eny amin'ny sekoly ambaratonga fototra no mampaharatsy ny vokatry ny fianaran’izy ireo.

Mba hisarihana ny saina amin'ny krizy eo amin'ny lafin’ny fianarana sy ny filàna fanovàna eo amin’ny fanabeazana eran’izao tontolo izao, ny UNICEF androany dia nanambara ny fametrahana fotodrafitr’asa iray ho an'ny besinimaro antsoina hoe, « Efitrano fianarana ao anatin’ny krizin’ny fanabeazana », efitrano fianarana modely izay mampiseho ny isan'ireo ankizy tsy manana ny fahaiza-manao fototra. Ny 16 ka hatramin’ny 26 septambra izao no haseho eny amin’ny kianjan’ny mpitsidika ao amin’ny foiben’ny Firenena Mikambana any New York izany fotodrafitr’asa izany.

Ny ampahatelon'ny latabatra ao amin'ilay efitrano modely dia vita amin’ny hazo ary azo ampiasaina tanteraka, araka ny asehon’ilay kitapo babena ahafantarana an’ny UNICEF izay napetraka eo amin'ny seza ao ambadik'izany latabatra izany. Ireo latabatra ireo dia maneho ny ampahatelon'ny ankizy 10 taona maneran-tany izay afaka mamaky sy mahatakatra lahatsoratra tsotra (ny tondron’ny fahazoana ny fahaiza-manao faran'izay kely indrindra amin'ny fahatakarana an-tsoratra). Ny roa ampahatelon'ireo latabatra izay zary tsy hita maso dia vita amin'ny fitaovana mangarahara mba hanehoana fa eo amin'ny 64 isanjato eo ho eo amin'ny ankizy dia tsy mahay mamaky teny sy mahatakatra lahatsoratra tsotra eo amin'ny faha-10 taonany.

Nandritra ny Fihaonana an-tampony momba ny fanaovazana sy fampivoarana ny fanabeazana izay natrehan'ireo mpitarika maneran-tany, ny UNICEF dia nanentana azy ireo mba hiditra an-tsehatra amin'ny fiantohana fanabeazana tsara kalitao ho an'ny ankizy rehetra. Nanentana ireo fitondram-panjakana ihany koa ny UNICEF mba handray andraikitra sy hampiasa vola ho famerenana ny ankizy rehetra any an-tsekoly sy fitazomana azy ireo ao anatin'ny rafi-panabeazana, hanatsarana ny fidiran'izy ireo amin'ny kilasy fanarenana, hanohanana ny mpampianatra sy hampitaovana azy ireo amin'ny fitaovana ilainy, ary ahafahan'ny sekoly manome tontolo iainana azo antoka sy feno fitsinjovana, izay manome vahana ny fianarana ho an’ny ankizy rehetra.

Delegasiona izay notarihin’ny Filoham-pirenena, ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa ary ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Siantifika no nandray anjara tamin’ny Fihaonana an-tampony momba ny fanavaozana sy fampivoarana ny fanabeazana, izay natao tany New York ny 16-19 septambra. Tanora mpianatra malagasy iray no nitondra ny feon’ny tanora eto Madagasikara nandritra ny andro fanentanana nokarakarain’ireo tanora ny 16 septambra 2022 lasa teo.

Fifandraisana

Abela Miarintsoa Ralaivita
Communication Officer
UNICEF
Lalaina Ralaiarijaona
Misahana ny serasera
UNICEF Madagascar

A propos d'UNICEF

L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous. 

Suivez l’UNICEF sur TwitterFacebook et Instagram