New York, 05 Septambra 2024 – Madagasikara tao amin'ny fotoam-pivorian’ny Filan-kevim-pitantanan’ny UNICEF: Adisisika ho amin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ny ankizy manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro.

06 Septambra 2024
Advocacy for Improving Children’s Living Conditions in response to Climate Change.
UNICEF Headquarters/2024

New York, 5 septambra 2024 – Ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy (MEDD) eto Madagasikara, Max Andonirina Fontaine dia nandray fitenenana nandritra ny fotoam-pivoriana manokana notanterahan’ny Filankevi-pitantanan’ny UNICEF, izay nifantoka tamin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny ankizy; ka nandrindra izany ny Repoblika Dominikanina. Koa satria ny  “Fametrahana ny ankizy ho fototry ny hetsika momba ny toetr’andro sy ny fikatsahana vahaolana maneran-tany” no lohahevitr’izany fotoana izany, dia naneho ny maha zava-dehibe ny fanapahan-kevitra sy ny hetsika manome lanja ny zon’ny ankizy manoloana ny fahasimban’ny tontolo iainana, ny fahapotehan’ny zavamanan’aina ary ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetr'andro amin’ny ankapobeny Andriamatoa Ministra.

Ho an'i Madagasikara, dia toe-javatra tena misy izany. Misy fiantraikany amin'ny fiainan'ny ankizy maherin'ny 15 tapitrisa izay maneho ny antsasaky ny mponina io toe-javatra io. Nanomboka tamin'ny 2000 ka hatramin'ny 2023, rivodoza 47 mahery no namely ny nosy, ka niteraka fahasimbana goavana sy fifindra-monina teo amin’ny mponina maherin'ny 740.000 – anisan'izany ny ankizy miisa 445.000. Mampitombo ny tsy fanjarian-tsakafo ny hain-tany, raha toa ka manimba fotodrafitr’asa kosa ny tondra-drano, anisan'izany ny sekoly sy ny tobim-pahasalamana, sns[1]. Izany dia misy fiantraikany amin'ny fahasalaman'ny ankizy, ary koa ny fiarovana azy ireo, na ny fitomboan’izy ireo. Izany lafin-javatra rehetra izany dia tokony ho ivon’ny dinika sy ny fifampidinihana mikasika ny fiovaovan’ny toetr’andro.

“Tsy mampidi-doza intsony ny fiovaovan’ny toetr’andro eto Madagasikara, fa kosa iainan’ny mponina eo amin’ny andavanandrom-piainany izany toe-javatra izany. Isan-taona dia misy rivodoza manimba ny fotodrafitrasa toy ny lalana, sekoly, tobim-pahasalamana hatrany. Isan-taona dia tsy maintsy mandany vola bebe kokoa isika entina manao fanamboarana sy fanarenana. Ireo loza ireo dia mianjady indrindra amin’ny ankizy sy ny tanora ary ny vehivavy”, hoy i Max Fontaine.

Ny Minisitra lefitry ny Tontolo Iainana ao amin'ny Repoblika Dominikanina kosa dia nanantitrantitra ny maha zava-dehibe ny fandraisan’andraikitry ny ankizy sy ny tanora amin'ny fandrafetana ny Fandraisan'anjara Voafaritra eo amin’ny sehatra nasionaly na ny « Contributions déterminées au niveau national » (NDCs). Ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy eto Madagasikara, nandritra ny fitsidihana nataony tao amin’ny foiben’ny UNICEF, dia nanao sonia ny Fanambarana momba ny Ankizy sy ny Tanora ary ny Toetrandro ihany koa. Izany fanambarana izany, izay efa nosoniavin'ny firenena miisa 50 ary nivoaka taorian’ny fivoriana COP 25, dia maneho ny fandraisan’andraikitr’ireo 


[1]  Zy Misa Harivelo, Rakotoarimanana & Zy Harifidy, Rakotoarimanana & Pandin, Moses & Sumartono, Christrijogo. (2022). Analysis of tropical cyclones 2000-2020 in Madagascar. Disaster Advances. 15. 13-20. 10.25303/1503da1320.

Le ministre de l’Environnement a également signé la déclaration en faveur des enfants, des jeunes et du climat.
UNICEF Headquarters/2024

Fifandraisana

Timothy James Irwin
Tompon'andraikitry ny serasera
UNICEF Madagascar
Lalaina Ralaiarijaona
Misahana ny serasera
UNICEF Madagascar

Momba ny UNICEF

Ny UNICEF dia miasa any amin'ny toerana marefo manerana izao tontolo izao mba hanatratrarana ireo ankizy sahirana indrindra. Any amin'ny firenena 190, miasa ho an'ny ankizy tsirairay izahay, na aiza na aiza, mba hanorina tontolo tsara kokoa ho an'ny rehetra.

Araho ny UNICEF amin'ny XFacebook, Instagram sy LinkedIn