Nanendry tanora iray ho “mpiaro ny toetr’andro” ny UNICEF Madagasikara mba hampidirana an-tsehatra ny tanora ao anatin’ny tontolon’ny fanapahan-kevitra mikasika ny fiovaovaan’ny toetr’andro
Mifandrohy ny olana ateraky ny fiovaovan’ny toetrandro sy ny olana mifandraika amin’ny zon’ny ankizy. . Hitondra ny feony sy ny fahaizany mandresy lahatra ny tanora mpiaro ny toetr’andro avy ao amin’ny UNICEF.
Antananarivo, 07 martsa 2025 ––Notendren’ny UNICEF Madagasikara ho “Mpiaro ny Toetr’andro” i Tania Jeannie LEMAINTY, tanora vao 24 taona. Efa mpikatroka mavitrika amin’ny ady manoloana ny olan’ny fiovaovann’ny toetr’andro izy. Natao ny 3 martsa lasa teo ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana mikasika ny fiaraha-miasa teo amin’i Tania sy ny Solontenan’ny UNICEF Madagasikara Christine Jaulmes. Ny ny 7 martsa lasa teo, nandritra ny asa fandravonana ny COP29 nataon’ny tanora mpanara-maso akaiky ny politika na “policy trackers”no nanaovana izany fanambarana izany
Fandraisana andraikitra amin’ny olan’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny zon’ny ankizy
Isan’ny mpikambana mavitrika ao amin’ny Move Up Madagascar i Tania Jeannie Lemainty. Ity sehatra ity dia sehatra izay iarahan’ny tanora miasa ho amin’ny fiovana maharitra ao anatin’ny fiaraha-monina Malagasy. Miorina amin’ny soatoavin’ny asa an-tsitrapo sy ny andraikitra ara-piarahamonina ny Move Up Madagascar, ary ny tanjona dia ny hanentana sy handray andraikitra manoloana ny olana momba ny fiovaovan’ny toetr’andro. Teboka lehibe iray miantoka ny hoavin’ny ankizy Malagasy izany. Efa miantraika mivantana na ankolaka ny olana ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro ny ankizy amin’izao fotoana izao . Miantraika amin’ny ara-pahasalamanya, ny fianarany ary ny filaminam-piainan’izy ireo izany. Maika araka izany ny tokony hisian’ny hetsika ny hiarovana azy ireo sy hiantohana ny zony.
Zanak’i Mahajanga i Tania. Mampiavaka azy ny fahaizany manao ady sisika amin’ny fomba manintona ireo tanora namany mba hiady ho fiarovana ny toetr’andro . Izany dia noho ny fandraisany anjara mavitrika amin’ny hetsika momba ny tontolo iainana. Tanjona amin’izao fanendrena azy ho “Mpiaro ny Toetr’andro” eo anivon’ny UNICEF izao ny hanamafisana kokoa ny fandraisan’anjaran’ny tanora amin’ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro.
Ao anatin’izany andraikitra izany dia ireto ny iraka ampanaovina azy:
- Hanentana sy hamporisika ny tanora hahafantatra ny olana ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fiantraikan’izany amin’ny zon’ny ankizy.
- hitondra ny feon’ny tanora mahakasika ny lohahevitra momba ny tontolo iainana na eo an-toerana izany na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena .
- Hanampy amin’ny fanentanana sy ny hetsika ara-pifandraisana ary hanaparitaka ny tolo-kevitra avy amin’ny UNICEF Madagasikara momba ny fiarovana ny ankizy sy ny tontolo iainana.
- Hamporisika ny fandraisan’anjaran’ny tanora, indrindra mandritra ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Ankizy sy ny hetsika hafa mifandraika amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro.
Fandraisana anjara fototra amin’ny firotsahan’ny tanora : fandraisana anjara mavitrika tamin’ny COP29
Nampitombo ny faharesen-dahatra tao amin’i Tania ny fandraisany anjara tamin’ny COP29. Niaiky izy misy akony lehibe ny fandraisana anjaran’ny tanora amin’ny fifampidinihana maneran-tany momba ny toetr’andro . Tamim-pireharehana no nilazany nandritra nyasa fandravonana ny COP29 raha niresaka mikasika ny fandraisan’anjaran’ny malagasy izy ireo fa : “ Ady iarahan’ny rehetra ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro, ka tsy misy tokony ho voahilika amin’izany. Tsy tokony hisy an-kolafiny fa fiaraha-mientana no ilaina amin’ny fanapahan-kevitra rehetra ka atambatra ny hery. Hifampitantana ny rehetra, na fikambanana izany na na tanora sy fanjakana.”
Taratra amin’ireo teny nataony ny firotsahany tanteraka amin’ny famporisihana ny mpisehatra rehetra hanao hetsika ho hiombonana, tsy misy fanavakavahana ho fiarovana ny toetrandro.
Ramatoa Christine Jaulmes, Solontenan’ny UNICEF Madagasikara dia naneho ny hafaliany: “Faly izahay manendry an’i Tania ho Mpiaro ny Toetr’andro ho an’ny Tanora. Izy dia tanora mpanome aingam-panahy, hitondra ny feon’ny ankizy sy ny tanora malagasy ho amin’ny hoavy maharitra sy mirindra kokoa.”
Tena faly ny UNICEF Madagasikara amin’ity fiaraha-miasa ity, ary manamafy hatrany ny fanoloran-tenany hiara-hiasa amin’ny tanora amin’ny fananganana tontolo mendrika, mirindra ary maharitra kokoa ho an’ny taranaka anio sy ampitso.
Fifandraisana
Momba ny UNICEF
Ny UNICEF dia miasa any amin'ny toerana marefo manerana izao tontolo izao mba hanatratrarana ireo ankizy sahirana indrindra. Any amin'ny firenena 190, miasa ho an'ny ankizy tsirairay izahay, na aiza na aiza, mba hanorina tontolo tsara kokoa ho an'ny rehetra.
Araho ny UNICEF amin'ny X, Facebook, Instagram sy LinkedIn