Mba hampiroboroboana ny sehatry ny fanadiovana, ny Minisiteran'ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana izay tohanan'ny UNICEF dia manao fanentanana eny anivon’ny sehatra tsy miankina
Fanambarana an-gazety iombonana

Antananarivo, 17 mey 2022 – Hatramin’ny 18 mey 2022 dia misy fakan-kevitra ara-indostrialy eny amin’ny Radisson Blu Ambodivona mba handinihana miaraka momba ny fampandrosoana ny sehatry ny fanadiovana any amin’ny faritra an-tanàn-dehibe, manakaiky tanàn-dehibe ary ambanivohitra eto Madagasikara. Izany dia tafiditra ao anatin’ny fanadihadiana mahakasika ny sehatry ny fanadiovana isan-tokantrano eto Madagasikara izay notontosain’ny UNICEF, ho fanohanana ny Minisiteran’ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana (MEAH), amin’ny alàlan’ny vondrona Hydroconseil sy Arafa.
Na eo aza ny ezaka notanterahin’ireo mpisehatra isan-karazany dia tsy ampy ny taham-pandrosoana ankehitriny mba hamongorana ny fanaovana maloto an-kalamanjana hatramin’ny taona 2030 sy hanatrarana ny Tanjon’ny Fampandrosoana Maharitra 6.2, izay hiantohana ny fisitrahan’ny tsirairay tolotra mahakasika ny fanadiovana sy ny fidiovana amin’ny fomba ara-drariny, entina hamongorana ny fanaovana maloto an-kalamanjana, sady hijerena manokana ny filàn'ny vehivavy sy ny tovovavy ary ireo olona anaty faharefoana. Eto Madagasikara, ny fiaraha-miasa sy ny fandraisan’anjaran’ny sehatra tsy miankina no anisan’ny andry iankinan’ny fampiroboroboana ny fahafahan’ny rehetra misitraka vokatra sy tolotra ara-pahasalamana maharitra.
Ny tsena mahakasika ny fanadiovana amin'izao fotoana izao dia nanaovana tombana amin’ny lafiny telo: ny filàn’ny tokantrano mpanjifa, ny tolotra mahakasika ny vokatra sy servisy mikasika ny olana mifandraika amin’ny fanadiovana, ny tontolon'ny fandraharahana izay ahitana ireo fitsipika isan-karazany sy ny rafitra mifehy ny hetra mifandraika amin'izany.
Eo amin’ny lafiny filàna dia hita tamin’ny fanadihadiana fa lava-piringa miisa 7,6 tapitrisa (6 tapitrisa any ambanivohitra ary 1,6 tapitrisa any an-tanàn-dehibe) no tokony haorina hatramin’ny taona 2030. Mitady toerana fivoahana mora sasana, mateza ary mahatohitra ny fiovaovan’ny toetr’andro ihany koa ireo tokantrano. Raha ny momba ny famatsiana kosa indray dia misy ny tsy fifandanjana eo amin’ny tanàn-dehibe sy ny faritra ambanivohitra. Ireto farany dia tratran’ny ankilabao kokoa raha ny lafin’ny fandrakofana sy ny fanamaroana ny vokatra sy ny tolotra no asian-teny.
Ny fanadihadiana iray hafa dia mampiseho fa ny ankizy tsirairay eto Madagasikara dia mila fampiasam-bola 8 dolara isan-taona ao anatin'ny 15 taona manaraka. Ambany lavitra izany mihoatra amin’ny fatiantoka mifandraika amin'ny toe-javatra ratsy mahakasika ny rano, ny fahadiovana ary ny fidiovana, izay mitentina mihoatra ny 567 tapitrisa dolara isan-taona, na 25 dolara isan'olona isan-taona. Ny halehiben'ny tsena mikasika ny fanadiovana, tsy tafiditra ao anatin'izany ny fanangonana sy ny fanodinana, dia tombanana ho 34 tapitrisa dolara isan-taona amin'ny antsalany.
Noho izany, ny fakan-kevitra ara-indostrialy dia ahafahan'ny mpisehatra ao amin'ny tsenan'ny fanadiovana mifanaraka mahakasika ny fomba hampiharina mba hampisandratana sy hampaharitra ireo tsena ara-pahasalamana sy lovain-jafy ho an'ny vokatra vaovao sy tolotra fanadiovana izay mahafeno ny filàna, ary azon'ny rehetra sitrahana sy tantanina amin’ny fomba azo antoka. Ao anatin’ny roa andro no hanolorana sy hankatoavana miaraka ireo vokatra navoakan’ilay fanadihadiana. Avy eo, ireo mpandray anjara izay ahitana ny Fanjakana, amin’ny alàlan’ny Minisiteran’ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, ny sehatra tsy miankina ahitana ireo mpamokatra sy mpamatsy amin’ny lafiny indostrialy, ireo banky sy ivotoerana fampindramam-bola madinika, ireo mpisehatra amin’ny sehatry ny rano, fanadiovana ary fidiovana, ireo mpikambana ao amin’ny fikambanan’ny fiarahamonim-pirenena, ireo mpiara-miombon'antoka ara-teknika sy ara-bola dia hiara-misalahy. Izany no natao dia entina mamantatra ireo vahaolana hampandrosoana ny tsenan'ny fanadiovana amin’ny lafiny iray, ary misaintsaina ny drafitr’asa antomotr’ezaka, sy antenantenan’ezaka ary lavitr’ezaka ho fanatanterahana izany.
Fifandraisana
A propos d'UNICEF
L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous.
Suivez l’UNICEF sur Twitter, Facebook et Instagram