Mahazo fatrana vaksiny 250.000 ao anatin’ny andiany voalohany amin'ny hetsika COVAX i Madagasikara
Fanambarana iombonana

Antananarivo, 08 Mey 2021: Nahazo fatrana vaksinin’ny COVID-19, Covishield / AstraZeneca miisa 250 000 i Madagasikara androany, tamin'ny alàlan'ny hetsika COVAX manerantany. Ity famatsiana ity dia ampahany amin'ny fizarana voalohany izay hitohy mandritra ny herinandro maromaro ho avy, entina mandrakotra ny 20%-n'ny mponina eto Madagasikara ety am-boalohany.
Ireo fatrana vaksiny ireo dia noraisin'ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Profesora Jean Louis HANITRALA RAKOTOVAO teny amin'ny seranam-piaramanidina iraisampirenena Ivato – Antananarivo. Notronin’ny talen'ny kabinetran'ny fiadidiana ny Repoblika, Ranoromaro Lova Hasinirina ary koa ireo mpikambana ao amin’ny mekanisma COVAX izy tamin’izany; tsy iza fa ny solontenan’ny UNICEF sy OMS eto Madagasikara izay notarihin'ny Mpandrindra maharitra ny Rafitry ny Firenena Mikambana eto Madagasikara sy ny solontenan’ny CEPI, dia ny Ambasadaoron’i Etazonia, ny Vondrona Eôropeana ary Angletera. Ny famatsiam-bola notanterahan’izy ireo no nahafahana namokatra, nitatitra ary nizara ilay vaksiny.
Ity andiany voalohany ity dia ho aparitaka mba hahafahana manao vaksiny ireo mpisehatra eny amin'ny lohalaharana amin'ny ady atao amin'ny COVID-19 eto Madagasikara, indrindra ireo mpiasan'ny fahasalamana, ny mpitandro filaminana, ny mpiasa sosialy, ireo vondron’olona marefo ary ireo olon-dehibe mihoatra ny 70 taona. 3% amin'ireo vondrona atahorana mafy no ho voakasik’ilay vaksiny andiany voalohany izay hanomboka ny 10 Mey 2021.
« Ny laharam-pahamehana ho an'ny fanjakana Malagasy dia ny famonjena ain'olona. Tokony hiray hina isika hiatrehana ity valan’aretina manerantany ity. Amin'ny anaran'ny Fanjakana Malagasy dia manolotra fisaorana feno sy fankasitrahana ho an'ireo mpiara-miombon'antoka izay nandray andraikitra mba hahafahan’ny olona maro mahazo vaksiny aho. Nohon’ny fifampidinihana teo amin'ny fanjakana Malagasy sy ireo mpahay siansa avy ao amin'ny Akademian’ny mpitsabo eto Madagasikara, ny fanaovana vaksiny dia tafiditra ao anatin’ireo hetsika fisorohana mahomby ny Covid19 ary manamafy ny fiatrehana ara-pahasalamana ho an’ny fanjakana Malagasy enti-manohitra io valan’aretina io: ny fametrahana ivon-toeram-pitsaboana Covid -19 vaovao, ireo fepetra ara-pahasalamana anaty fiobohana, ny famolavolana fanafody nentim-paharazana CVO Plus sy ny Tambavy CVO, ny fampiasam-bola amin'ny fitaovana ara-pahasalamana sy ny famatsiana oksizenina. Zo fototra ny fahasalamana. Ho ataonay izay hahazoana antoka fa hahazo izany ny Malagasy tsirairay. »
I Madagasikara dia nanatevin-daharana ny lisitra lavabe ahitana ireo firenena afrikanina nisitraka ny hetsika COVAX izay mikasa ny hanolotra vaksiny farafahakeliny roa lavitrisa amin'ny 2021. Maherin'ny 38 tapitrisa ny fatran’ny vaksiny efa naparitaka manerana ny kaontinanta enina, ary hatramin'izao dia mihoatra ny firenena afrikanina 45 no nanao vaksiny tamin'ny alàlan'ity mekanisma ity.
Ny Minisiteran'ny Fahasalamana, nohon’ny fanohanan'ireo mpiara-miombon’antoka aminy, indrindra ny GAVI (Alliance du Vaccin), ny OMS, ny Banky Iraisam-pirenena, ny USAID ary ny UNICEF dia nanomboka nanofana ny mpiasan’ny fahasalamana tamin'ny fiandohan'ny herinandro mba hahafahana manatanteraka antsakany sy andavany ny fanaovam-baksiny.
Ny COVAX, ilay "vaksiny" andrin’ny mpanafaingana ny fahazoana fitaovana hiadiana amin'ny COVID-19 (ACT), dia tarihin'ny Fikambanana Iraisam-pirenena amin'ny fisorohana ny valan’aretina (CEPI), ny Gavi, ny Alliance du Vaccin (Gavi) ary ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS) izay miara-miasa amin'ireo orin’asa mpamokatra vaksiny any amin'ny firenena mandroso sy andalam-pandrosoana, ny UNICEF, ny Banky Iraisam-pirenena ary ny hafa. Io no hany fandraisan’andraikitra manerantany izay miara-misalahy amin'ny governemanta sy ireo mpamokatra vaksiny mba hahazoana antoka fa hisy vaksinin'ny COVID-19 eran’izao tontolo izao, ho an'ny firenena manana fidiram-bola ambony sy fidiram-bola ambany.
Ny hetsika COVAX dia fiaraha-miasa maneran-tany iraisan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena amin'ny fisorohana ny valan'aretina (CEPI), ny GAVI, ny UNICEF ary ny OMS, izay napetraka mba hahazoana antoka fa afaka mahazo vaksinin'ny COVID-19 ara-drariny ny firenena rehetra.
Teny avy amin'ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka:
Michael Peter Pelletier, Ambasadaoron'i Etazonia eto Madagasikara: « Miarahaba ny governemanta Malagasy aho noho ny fanapahan-kevitra noraisiny mikasika ny fanatevenan-daharana ny hetsika COVAX sy ny fanomezana vaksiny izay tena ilain'ny mponina. Mirehareha ny Etazonia fa izy no mpandray anjara lehibe indrindra amin'ny COVAX, mba hiantohana ny fahazoana vaksiny azo antoka sy mahomby ho an'i Madagasikara sy izao tontolo izao ».
Giovanni di Girolamo, Ambasadaoron’ny Vondrona Eôropeana eto Madagasikara sy ny Nosy Kaomoro: « Mirehareha Ny Vondrona Eôropeana, izay soloin’ny Kaomisiona sy ireo mpikambana ao aminy tena ao anatin'ny “Team Europe” fa nandray ireo vaksiny voalohany fanefitry ny COVID 19 eto amin'ny tanin'ny Malagasy. Nohon’ny famatsiam-bola mitentina 2,47 miliara euro dia faly ny “Team Europe” satria izy no mpandray anjara faharoa amin'ity rafitra ity izay natsangana mba hampiroboroboana ny fanaovana vaksiny any amin'ny firenena manana fidiram-bola ambany. Hatramin'ny fiandohan’ny valan’aretina, ny UE dia nanome lanja ny fomba fiasa marolafy sy iombonana. Vao mainka manamafy ny fifandraisana ara-pirahalahiana misy eo amin'i Madagasikara sy ny Vondrona Eôropeanina io fanampiana vaovao io ».
David Ashley, Ambasadaoron'i Angletera: « Vaovao mahafaly ny fahatongavan'io fatra voalohan’ny vaksiny io amin'ny alàlan'ny hetsika COVAX. Ny fanapariahana ireo vaksiny ireo dia hiantoka ny fiarovana ny olona tena marefo amin'ny COVID19 eto Madagasikara, manomboka amin'ireo mpiasan’ny fahasalamana izay miady amin-kerim-po amin'ny andiany faharoa amin'ny areti-mandringana na eo aza ny tataon-doza tena lehibe. Mirehareha i Angletera fa anisan'ireo mpiara-miombon'antoka nirotsaka an-tsehatra tamin'ny COVAX satria nanome famatsiam-bola mitentina £548 tapitrisa. Mamporisika ihany koa ireo firenena hafa izahay hanaraka ny dianay mba hahafahan’ny firenena rehetra misitraka vaksiny azo antoka sy mahomby ».
Dr Magdi Ibrahim, mpitantana ny Sekretarian’ny Alliance du vaccin (GAVI) eto amin’ny firenena: « Ny fahazoana ireo vaksiny fanefitry ny Covid-19 androany dia zava-dehibe miavaka ho an'i Madagasikara amin'ny fahazoana vaksinin’ny COVID-19 ara-drariny. Izany dia hanampy amin'ny fanaovana vaksiny ety am-boalohany olona sahabo ho 250 000 voasokajy ho laharam-pahamehana amin'ny faran'ny volana jona, araka ny drafitra nasionaly fanapariahana vaksiny. Faly ny GAVI fa afaka nanatanteraka ity andiany voalohan’ny fizarana ity ny hetsika COVAX,+ izay nahafahana nanome fanefitra ireo olona marefo, anisan'izany ireo mpiasan'ny fahasalamana eny amin’ny lohalaharana ao anatin’ny ady amin'ity valan’aretina ity».
Issa SANOGO, mpandrindra maharitra ny ratsamangaikan'ny Firenena Mikambana eto Madagasikara: « Ny fahatongavan'ireo vaksiny ireo eto Madagasikara dia tara-panantenana. Manamarika dingana iray manan-tantara amin'ny fandraisantsika rehetra andraikitra mikasika ny ady amin'ny COVID-19 izany, mba hamonjena ain'olona manoloana izao valan’aretina izao. Misaotra ny manam-pahefana eto an-toerana aho amin'ny ezaka nataon'izy ireo hitadiavana vahaolana fanampiny hampihenana ny isan'ireo tranga sy fahafatesan'olona mifandraika amin'ny COVID-19. Fisaorana ihany koa no atolotray rehetra ireo mpiara-miombon'antoka ao amin'ny hetsika COVAX: Gavi, CEPI, OMS ary UNICEF. Mitohy ny ady, andao ary atao izay hahazoana antoka ny fahatongavan’ireo fatrana vaksiny hafa haingana mba hamenoana ny banga ary mba hahazoan’ny mponina vaksiny. »
Charlotte Faty Ndiaye, solontenan'ny OMS eto Madagasikara: « Faly izahay mahita fa tanteraka eto Madagasikara ny hetsika COVAX amin'ny alàlan’ny fahatongavan'ireto fatrana COVISHIELD / ASTRAZENECA 250 000 ireto. Ny hetsika COVAX dia hahafahana miantoka fizarana vaksiny ara-drariny. Heverinay fa ny fanaovana vaksiny fanefitry ny COVID19 dia fitaovana tena ilaina amin'ny fifehezana ity valan’aretina ity ary miantoka ny fitohizan'ny tolotra ara-pahasalamana fototra. Ny OMS dia mbola handray ny anjara asany hatrany amin'ny fifehezana ny fihanaky ny aretina sy amin'ny fampiharana ny lalàna mifehy ny fahasalamana iraisam-pirenena ».
Michel Saint-Lot, solontenan'ny UNICEF eto Madagasikara: « Ny vaksiny dia mamonjy aina isan-taona. Tara-panantenana ho antsika rehetra ny fahatongavan'izany vaksinin’ny COVID-19 izany; anisan'ny sokajiana ho laharam-pahamehana amin’ny fisitrahana vaksiny ireo izay miantoka ny zo hahazo fahasalamana sy ny fiarovana ny zaza tsirairay. Ny fomba tokana handresena ny valan’aretina tokoa mantsy dia ny fahazoana antoka fa azon'ny rehetra atao ny manao vaksiny. Fisaorana ihany koa no atolotray ireo mpiara-miombon'antoka mpamatsy vola izay manohana anay isan'andro amin'ity fandraisan’andraikitra ity. Miaraka isika. Ary izany no hahatonga antsika ho mpandresy ».
Fanamarihana ho an'ny tonian-dahatsoratra:
Ny tsara ho fantatra mikasika ny COVAX
Ny COVAX, ilay "vaksiny" andrin’ny mpanafaingana ny fahazoana fitaovana hiadiana amin'ny COVID-19 (ACT), dia tarihin'ny Fikambanana Iraisam-pirenena amin'ny fisorohana ny valan’aretina (CEPI), ny Gavi, ny Alliance du Vaccin (Gavi) ary ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS) izay miara-miasa amin'ireo orin’asa mpamokatra vaksiny any amin'ny firenena mandroso sy andalam-pandrosoana, ny UNICEF, ny Banky Iraisam-pirenena ary ny hafa. Io no hany fandraisan’andraikitra manerantany izay miara-miasa amin'ny governemanta sy ireo mpamokatra vaksiny mba hahazoana antoka fa hisy vaksinin'ny COVID-19 eran’izao tontolo izao, ho an'ny firenena manana fidiram-bola ambony sy fidiram-bola ambany.
Ny CEPI dia mifantoka amin'ny asa fikarohana sy famokarana ny vaksiny COVAX: mampiasa vola amin'ny fikarohana sy ny famokarana vaksiny mpifaninana maromaro mahavelom-panantenana izy mba hanohanana ny famokarana vaksiny telo azo antoka sy mahomby izay azo omena ireo firenena mandray anjara amin'ny rafitra COVAX. Ao anatin'io asa io, ny CEPI dia nisitraka ny zo hanana safidy manoloana vaksiny mpifaninana maromaro izay afaka mahatratra fatra mihoatra ny iray tapitrisa ho an'ny foibe COVAX. Nanatanteraka fampiasam-bola stratejika amin'ny famokarana vaksiny ihany koa ny CEPI, indrindra amin'ny alàlan'ny fanomanana ny fahafaha-mamokatra fatrana vaksiny COVAX ao anaty tambajotram-pitaovana sy fiarovana ireo tavoahangy vera hitahirizana fatrana vaksiny 2 lavitrisa. Ho fanampin’izany, ny CEPI dia nampiasa vola tamin'ny "karazana vaksiny mpifaninana ho avy" izay hanome safidy misimisy kokoa ho an'izao tontolo mba hifehezana ny COVID-19 any aoriana anyo.
Ny Gavi dia mifantoka amin'ny fividianana sy ny fandefasana ny COVAX: mandrindra ny famolavolana, ny fampiharana ary ny fitantanana ny fametrahana ny COVAX sy ny fiantohana ny tsena Gavi COVAX ary miara-miasa ihany koa amin'ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny Alliance, ny UNICEF, ny OMS ary koa ny governemanta, mahakasika ny fiomanana sy ny fanapariahana eny anivon’ireo firenena isankarazany. Ny fomba fiasa COVAX no rafitra maneran-tany entina mividy vaksinin'ny COVID-19 faobe, izay hahafahan’ny COVAX miantoka ny fahazoana vaksiny marina sy ara-drariny ho an'ireo mpandray anjara miisa 190, amin'ny alàlan'ny rafitra fitsinjarana napetraky ny OMS. Ho fanatanterahana izany, ny mekanisma COVAX dia hampitovy ny fahefa-mividin'ny mpandray anjara tsirairay ary hanome antoka momba ny habetsaky ny fatran’ireo karazana vaksiny mpifaninana mahavelom-panantenana. Ny antoky ny tsena Gavi COVAX dia rafitra famatsiam-bola izay hanohanana ny fandraisan'anjaran'ny firenena 92 manana fidiram-bola ambany sy antonony amin'ny petrak’asa, izay hahafahan’izy ireo misitraka fatrana vaksiny azo antoka sy mahomby izay vatsian'ny mpamatsy vola. Manangona ny vola ho an'ny COVAX AMC ny Gavi, mamatsy ara-bola ny fividianana vaksiny izay tanterahan’ny UNICEF, manohana ara-bola ny asan'ny mpiara-miombon'antoka sy ny governemanta mahakasika ny fanomanana miaraka amin’ny fanapariahana ireo vaksiny ireo; tafiditra ao anatin'izany ny famatsiana ireo fitaovana ilaina amin'ny rojo mangatsiaka, ny fanampiana ara-teknika, ny fanjaitra fanindromana, ny fiara ary ireo lafiny hafa mikasika ny fampitaovana izay tena manahirana. Handray ny anjara toeran’ny mpandrindra ny famatsiana ho an’ny COVAX ny UNICEF sy ny Organisation Panaméricaine de la Santé (OPS), amin’ny alàlan’ny fanampiana amin'ny fanapariahana ny vaksiny ho an'ny mpandray anjara amin'ny foibe COVAX AMC sy ny olona hafa.
Ny OMS dia mitana andraikitra marobe ao anatin'ny COVAX: manome torolàlana manara-penitra momba ny politika, ny fitsipika, ny fiarovana, ny fikarohana sy ny fampandrosoana (R&D), ny fizarana vaksiny ary ny fanomanana sy ny fitsinjarana vaksiny ho an’ireo firenena. Ny Vondron'ireo manam-pahaizana ara-paikady (SAGE) momba ny fanaovam-baksiny dia mamolavola tolo-kevitra momba ny politikan’ny fanaovana vaksiny miorina amin'ny angon-drakitra mari-pototra. Ireo fandaharan’asany mikasika ny fisoratana anarana sy ny sivana mialoha momba ny fampiasana anaty hamehana (EUL) dia miantoka ny fandinihana sy ny fanomezan-dàlana voarindra eo amin'ireo fanjakana mpikambana. Miantoka ny fandrindrana sy ny fanohanana manerantany avy amin’ireo firenena mpikambana amin'ny fanaraha-maso ny fiarovana ny vaksiny io vondrona io. Namolavola ny mombamomba ireo vondrona kendrena hisitraka ny vaksinin'ny COVID-19 ny OMS ary niantoka ny fandrindrana ara-teknika ho an'ny fikarohana sy ny fampandrosoana (R&D). Ny OMS, miaraka amin'ny UNICEF, dia mikarakara ny fanampiana ireo firenena miomana handray sy hanome vaksiny. Ny sehatr’asa "Préparation et fourniture des pays" (CRD) dia ahitana ny Gavi sy ireo mpiara-miombon’antoka marobe miasa eo amin'ny sehatra manerantany, isam-paritra ary eto amin’ny firenena mba hanomezana fitaovana, torohevitra, fanaraha-maso ary fanohanana ara-teknika eny an-toerana amin'ny lafin’ny fandrindrana sy fanapariahana ny vaksiny. Ny OMS, miaraka amin'ny mpiara-miombon'antoka COVAX, dia mamolavola rafitra fanonerana tsy misy kilema ihany koa ao anatin'ny fidirana an-tsehatra mikasika ny fanonerana sy ny fandraisan’andraikitra voafetra ara-potoana.
Amin’ny maha-mpividy vaksiny lehibe indrindra manerantany ny UNICEF dia mampiasa ny traikefany izy ary miara-miasa amin'ireo mpamokatra sy mpiara-miasa amin’ny fividianana fatrana vaksin’ny COVID-19, ny fandefasana entana, fampitaovana ary ny fitehirizana. Efa nividy vaksiny mihoatra ny 2 lavitrisa isan-taona amin'ny anaran'ny firenena efa ho 100 Ny UNICEF, ho an'ny fanaovam-baksiny mahazatra sy ireo fandraisan’andraikitra raha sendra midangana be ireo trangana COVID19. Niara-niasa tamin’ny « Fonds renouvelable »n’ny OPS ny UNICEF tamin’ny fitarihana ireo ezaka entina mividy sy mamatsy vaksinin'ny COVID-19 ho an'ny COVAX. Ho fanampin'izany, ny UNICEF, ny Gavi ary ny OMS dia miara-miasa amin'ireo governemanta andro aman’alina mba hanomezana antoka fa ho vonona ireo firenena handray ny vaksiny miaraka amin’ny fitaovana miantoka ny rojo mangatsiaka mifanaraka amin'izany sy ireo mpiasan'ny fahasalamana voaofana mikasika ny fanaovana izany vaksiny izany. Mitana andraikitra lehibe eny amin’ny lohalaharana ihany koa ny UNICEF amin'ny fiezahana manamafy ny fitokisana ny vaksiny, amin'ny alàlan'ny serasera mahakasika ny fahatokisana ny vaksiny sy amin'ny fanarahana ary ny fandraisana an-tanana ireo vaovao diso manerana izao tontolo izao.
Ireo tsara ho fantatra momba ny CEPI
Ny CEPI dia fiaraha-miombon'antoka vaovao eo amin'ny fikambanana miankina amin’ny fanjakana sy ireo tsy miankina, mpanao asa soa ary fiarahamonim-pirenena, niatomboka tao Davos tamin'ny taona 2017, entina mamorona vaksiny mba hisorohana ireo valan’aretina mety hitranga amin'ny ho avy. Nirotsaka an-tsehatra maika ary niara-niasa tamin'ny OMS ny CEPI ho fiatrehana ny COVID-19. Nanangana fiaraha-miasa miisa 11 ny CEPI mba hamoronana vaksiny hiadiana amin'ilay coronavirus vaovao. Ireo fandaharan’asa ireo dia miorina amin'ny sehatra fiatrehana hamehana izay efa tohanan'ny CEPI ary koa amin'ny fiaraha-miasa vaovao.
Talohan'ny nipoiran'ny COVID-19, ireo aretina noraisin’ny CEPI ho laharam-pahamehana dia ny otrik’aretina Ebola, ny otrik’aretina Lassa, ny aretim-pahasarotam-pisefoana (MERS-COV), ny otrik’aretina Nipah, ny “Fièvre de la Vallée du Rift”, ary ny viriosy Chikungunya. Nanatantaraka fampiasam-bola ihany koa Ny CEPI tamin'ny sehatra teknolojia izay azo ampiasaina amin'ny fanamboarana vaksiny haingana sy ny “immunoprophylaxie contre des agents pathogènes inconnus (Maladie X)”.
Ireo tsara ho fantatra momba ny Gavi
Gavi, na ny Alliance du Vaccin dia fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny tsy miankina izay mitondra ny anjara birikiny amin'ny fanaovana vaksiny ny antsasaky ny ankizy manerana izao tontolo izao ho fanefitra amin'ny aretina mahafaty indrindra. Hatramin'ny niforonany tamin’ny taona 2000 dia nandray anjara tamin'ny fanaovam-baksiny taranaka iray manontolo ny Gavi – zaza maherin'ny 822 tapitrisa – sy ny fisorohana fahafatesan'olona 14 tapitrisa mahery. Izany dia nanampy tamin'ny fampihenana amin’ny antsasany ny taha-pahafatesan'ny ankizy tany amin'ny firenena an-dalam-pandrosoana miisa 73. Mitana andraikitra lehibe amin'ny fanatsarana ny fiarovana ara-pahasalamana manerantany ihany koa ny Gavi amin'ny alàlan'ny fanohanana ireo rafitra ara-pahasalamana sy famatsiana ny tahirina vaksinin’ny Ebola, cholera, meningite ary tazo mavo. Taorian'ny fandrosoana nandritra ny roapolo taona, ny Gavi ankehitriny dia mifantoka amin'ny fiarovana ny taranaka ho avy sy ny fanatrarana ireo zaza mbola tsy vita vaksiny, amin'ny alàlan'ny famatsiam-bola vaovao sy ny teknôlôjia farany, manomboka amin'ny drôna ka hatramin'ny biometrika. Ny tanjona amin’izany dia mba hamonjena ain'olona an-tapitrisany maro fanampiny, hisorohana ireo valanaretina alohan'ny fiparitahan’izany ary hanampiana ireo firenena eo an-dalam-pahaleovan-tena. Raha te hahalala bebe kokoa mikasika izany ianao dia tsidiho ny www.gavi.org ary mifandraisa aminay amin'ny Facebook sy Twitter.
Ny Alliance du Vaccin dia mampivondrona ireo firenena an-dalam-pandrosoana sy ireo malala-tanana, ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana, ny UNICEF, ny Banky Iraisam-pirenena, ny indostria mpamokatra vaksiny, ireo birao teknika, ny fiarahamonim-pirenena, ny Fondation Bill & Melinda Gates ary ireo mpiara-miombon’antoka samihafa eo amin’ny sehatra tsy miankina. Raha mila ny lisitr’ireo governemanta malala-tanana sy ireo fikambanana lehibe hafa mamatsy vola ny asan'i Gavi dia tsindrio eto.
Ireo tsara ho fantatra momba ny OMS
Ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana dia mitarika eran’izao tontolo izao eo amin’ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka eo anivon’ny rafitry ny Firenena Mikambana. Niorina tamin'ny 1948 ny OMS ary miara-miasa amin'ireo fanjakana mpikambana miisa 194 ao amin'ny faritra enina, miainga avy any amin'ny birao mihoatra ny 150, mba hampiroboroboana ny fahasalamana, hiantohana ny filaminana manerantany ary hikarakarana ireo olona marefo. Ny tanjonay ho an'ny 2019-2023 dia ny hanomezana antoka fa olona iray lavitrisa fanampiny no hisitraka fiahiana ara-pahasalamana manerantany, ny hiarovana olona an'arivony tapitrisa bebe kokoa amin'ny hamehana ara-pahasalamana ary ny hanomezana olona iray lavitrisa fanampiny fahasalamana tsaratsara kokoa.
Raha mila vaovao farany mikasika ny COVID-19 sy torohevitra momba ny fahasalamam-bahoaka ho fiarovana amin'ny coronavirus ianao dia tsidiho ny www.who.int ary araho ny OMS ao amin'ny Twitter, Facebook, Instagram, LinkedIn, TikTok, Pinterest, Snapchat, Youtube
Ireo tsara ho fantatra momba ny UNICEF
Miasa amin'ny toerana sarotra indrindra manerantany ny UNICEF mba hanatrarana ireo ankizy marefo indrindra. Any amin'ny firenena sy faritra miisa 190 ny UNICEF no miasa ho an’ny ankizy eran’izao tontolo izao mba hananganana tontolo tsara kokoa ho an'ny rehetra. Raha mila fanazavana fanampiny momba ny UNICEF sy ny asany ho an'ny ankizy dia tsidiho ny www.unicef.org. Raha mila fanazavana fanampiny momba ny COVID-19 dia tsidiho ny www.unicef.org/coronavirus. Raha te hahalala bebe kokoa momba ny asan'ny UNICEF mikasika ny vaksinin'ny COVID-19, tsidio ny Centre d'information maladie à coronavirus (COVID-19) | UNICEF
Araho ny UNICEF ao amin'ny Twitter sy Facebook.
Ireo tsara ho fantatra momba ny ACT-Accelerator
Ny mpanafaingana ny fahazoana fitaovana hiadiana amin'ny COVID-19 (COVID-19 ACT-Accelerator) dia fiaraha-miasa manerantany vaovao revolisionera mikendry ny hanafainganana ny fanamboarana, ny famokarana ary ny fahazoana fitiliana sy fitsaboana ary vaksiny ara-drariny. Natsangana izany mba hamaliana ny antson’ny mpitarika ny G20 tamin'ny volana martsa izay naelin’ny OMS, ny Vondrona Eôropeana, Frantsa ary ny Fondation Bill & Melinda Gates tamin'ny volana aprily 2020. Ny ACT-Accelerator dia sady tsy mpanapa-kevitra, no tsy fikambanana vaovao, saingy miezaka kosa manafaingana ireo ezaka fiaraha-miasa eo amin'ireo fikambanana efa misy mba hamongorana ilay valan’aretina. Izy io dia rafitra fiaraha-miasa izay novolavolaina mba hampivondronana an-databatra ireo mpisehatra fototra entina mamongotra haingana araka izay azo atao ilay valan’aretina, amin'ny alàlan'ny famokarana haingana, fizarana ara-drariny ary ny fanaovana fitiliana miely patrana, fitsaboana ary vaksiny. Araka izany dia natao hiaro ireo rafitra ara-pahasalamana ary hamerina amin'ny laoniny ny fiarahamonina sy ny toekarena ao anatin'ny fotoana fohy izy io. Ny ACT-Accelerator dia miantehitra amin’ny traikefan'ireo fikambanana iraisam-pirenena lehibe misahana ny fahasalamana manoloana ny fanamby sarotra indrindra manerantany; rehefa miara-miasa ireo fikambana ireo dia afaka mitondra vokatra tsaratsara kokoa enti-manohitra ny COVID-19. Ny mpikambana ao aminy dia mizara ny fahavononany hiantoka ny fahafahan'ny tsirairay mahazo ny fitaovana ilaina rehetra handresena ny COVID-19 ary hiara-miasa amin'ny ambaratonga samihafa ahitana fiaraha-mientana tsy mbola hita teo aloha, entina manatanteraka izany.
Ny ACT-Accelerator dia ahitana sehatr’asa efatra: ny fitiliana, ny fitsaboana, ny vaksiny ary ny mpampitohy ny rafitra fitsaboana. Ny rantsana "Fahazoana sy fizarana" dia mifandringotra amin’ireo sehatr’asa rehetra ireo.
Fifandraisana
A propos d'UNICEF
L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous.
Suivez l’UNICEF sur Twitter, Facebook et Instagram