Ilay hiran’i Miriam Makeba manentanentana sy fantan-daza maneran-tany "Pata Pata" naverin’ny UNICEF novokarina indray
- Français
- Malagasy
Johannesburg, Nairobi, New York, 23 Aprily 2020 – Hira fanta-daza maneran-tany fahiny sady manentanentana ilay hiran’i Miriam Makeba mitondra ny lohateny hoe "Pata Pata" ka naverin’ i Angelique Kidjo, masoivohon’ny UNICEF novokarina indray, mba hizarana vaovao sy fanantenana mandritra ity areti-mifindra coronavirus ity.
Ilay hira "Pata Pata" izay tsy nasiam-panovana teo amin’ny “accord” sy ny silabola, na dia nisy fiovana kely aza ny tonon-kira dia ho avoakan’ny UNICEF amin’ny aterineto manerantany amin'ity alakamisy ity, izany hoe 50 taona mahery taorian'ny nampalaza azy eran’izao tontolo izao. Marihina fa manaja ny zon'ny mpamorona io hira naverina novokarina io.
I Miriam Makeba izay fantatra eran-tany ho toy ny "Nenin’i Afrika", dia mpihira sy mpamoron-kira Afrikanina tatsimo. Izy dia masoivoho mpanao asa soa teo anivon’ny Firenena Mikambana teo amin’ny sehatry ny ady amin'ny hanoanana, VIH ary ny herisetra ao an-tokantrano; mpiaro ny zon'olombelona ihany koa izy. Makeba dia anisan'ireo mpihira Afrikana voalohany fantatra eran'izao tontolo izao ary nahazo ny loka “Grammy” tamin'ny taona 1965. Nanao fampisehoana tany Johanesburg ka hatrany New York, Lagos ary Londres izy. Sady namana no modely ihany koa izy ho an'i Kidjo.
"Pata Pata" amin'ny fiteny Xhosa dia adika ara-bakiteny hoe "mikasikasika". Ity dikan-kira nisy fiovana ary novolavolain'i Kidjo ity dia ahitana hafatra toy izao : "Fotoanan’ny fihibohana izao " Tsy misy resaka ‘mikasikasika’…. Mijanona ao an-trano ary miandràsa .... Tokony hotazominitsika madio ny tanantsika….... Noho izany tsy misy resaka 'mikasikasika’ ... Aza mikasika tarehy ary tazomy ny elanelana azafady. Ity andiany vaovao 'Pata Pata' ity dia ho maimaim-poana (rohy eto ambany).