Fanombohana ny fanadihadiana momba ny fitombon’ny mponina sy ny fahasalamana eto Madagasikara ho an’ny taona 2020

08 Jolay 2020

Antananarivo, 17 Martsa 2020: Miantomboka anio eto Madagasikara ny fanadihadiana momba ny fitombon’ny mponina sy ny fahasalamana (DSMD) ho an'ny taona 2020. Ity ny EDSMD fahadimy izay hotanterahina eto amin'ny firenena taorian’ny EDSMD farany izay notanterahina tamin'ny taona 2008. Ny EDSMD 2020 dia mandrakotra ny Faritra 22 eto Madagasikara ary mikendry tokantrano miisa 21 000.

Lohahevitra isan-karazany no resahana amin’izany, ka ahitana ny fahafahana miteraka, ny fandrindram-piainam-pianakaviana, ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza, ny fahaveloman'ny zaza, ny tazomoka, ny sakafo ara-pahasalamana, ny VIH/SIDA ary ireo areti-mifindra avy amin’ny firaisana ara-nofo (IST), ny herisetra ao an-tokantrano, ny aretina mamany lava, ary ny aretina tsy mifindra. Ankoatry ny dinidinika mahazatra ataon'ireo mpanao fanadihadiana dia handrefy sy handanja ary hanao fitiliana momba ny tsy fahampian-drà sy tazomoka amin’ny zaza latsaky ny 5 taona sy ny vehivavy 15 ka hatramin'ny 49 taona ireo mpiasan'ny fahasalamana.

Ho tanterahina manomboka ny 15 martsa ka hatramin'ny 14 jolay 2020 ny fanangonana angon-drakitra ka mpiasa eny an-toerana mivondrona anaty ekipa miisa 28 ahitana olona 7 isanisany na 196 no hisahana izany. Efa nahazo fiofanana mialoha nandritra ny efatra herinandro ireo mpiasa ireo.

Ny programa iraisam-pirenena EDS dia vatsian'ny governemanta Amerikana vola amin'ny alàlan'ny Birao Amerikana ho an'ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID). Nanomboka ny 1984, ny tetik’asa EDS dia nanolotra fanampiana ara-teknika ho an'ny fanadihadiana maherin'ny 400 any amin'ny firenena maherin’ny 90. Ny fanadihadian'ny EDS dia fata-daza satria ireo vaovao voaangona amin’izany dia miely patrana ary voahadihady lalina tokoa. Ny fampanarahana fenitra ny fanadihadiana EDS dia ahafahana manao fampitoviana ireto tondro ao anatin’ny fotoana samihafa sy eo amin'ireo firenena isankarazany. Mirehareha i Madagasikara fa mbola anisan’ny tafiditra ao anatin'ity programa manerantany ity.

Nanapa-kevitra ny hanatontosa ny EDSMD-V ny Governemanta’ny Repoblikan'i Madagasikara entina mamaly ny filàna amin’ny lafin’ny rangon-drakitra tsara kalitao. Izany no natao dia mba hahafahana manara-maso ireo tondro momba ny drafitr'asam-pirenena ho an'ny fampandrosoana sy ny Tanjon'ny Fampandrosoana Maharitra (ODD). Ny vokatry ny EDSMD-V dia hanampy amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra manan-danja ary hamaritra ny lalana amin’ny ny hoavy tsara kokoa ho an'ny vahoaka Malagasy. Ny EDSMD-V dia mikendry ihany koa ny fanatevezam-pahaizana eto amin’ny firenena eo amin’ny sehatry ny fanangonana, fikirakirana, famakafakana, fanapariahana ary ny fampiasana ny angon-drakitra.

Ny EDSMD-V dia iantsorohan’ny Ivotoerana misahana ny antontan’isa (INSTAT), miaraka amin'ny fiaraha-miasa akaiky amin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka ary fanampiana ara-teknika avy amin'ny tetik’asa EDS. Izany dia notanterahina miaraka amin'ny fanohanana ara-teknika sy ara-bola avy amin'ny USAID, ny Tetikasan'ny Filoha Amerikana Miady amin'ny Tazomoka (PMI), ny FNUAP ary ny UNICEF. Ny EDSMD-V dia mahazo tombony ihany koa nohon’ny fisian’ny angon-drakitra mikasika ny mponina sy ara-teknika izay azo avy amin’ny fanisana ankapoben’ny mponina sy ny trano fonenana (RGPH-3) izay notanterahana tamin'ny 2018. Ankoatra ny fanombatombanana ny fironan’ireo tondro nanomboka tamin’ny taona 2018, ny EDSMD-V dia hameno ny fanadihadiana MICS amin'ny alàlan'ny fanomezana toro-hay fanampiny ara-tsosialy sy mikasika ny mponina.

"Miantehitra amin'ny fahatakarana tsara avy amin’ny mponina amin'ny ankapobeny aho, indrindra fa eny anivon’ny tokantrano sy ny fianakaviana avy amin’ireo faritra izay hiantefan’ny fanadihadiana. Noho izany dia mba ho raisin'izy ireo tsara ireo mpanao fanadihadiana sy mpiasan’ny fahasalamana miandraikitra izany ka hamaly ny fanontaniana izay apetraka aminy izy ireo," hoy ny Minisitry ny Minisitry ny Toe-karena sy ny Fitantanambola tamin'ny lahateny nataony tamin’ny fanombohana ny tetik’asa.

Teo ambany fiahian’ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ny lanonam-panokafana ny EDSMD-V izay notanterahana androany. Natrehan’ny solontena avy amin’ny ministera isan-karazany, ny fiarahamonim-pirenena, ny sehatra tsy miankina ary ireo mpiaramiombon’antoka ara-teknika sy ara-bola izany. Ny tanjon'ny hetsika dia ny fampahafantarana ireo mpisehatra rehetra amin'ny tanjona kendrena, ny fizotry ny fanadihadiana ary koa ny anjara toerana sy ny andraikitry ny andrim-panjakana tsirairay.

Fifandraisana

Fanja Saholiarisoa
Sampana Serasera sy haino aman-jery
UNICEF Madagascar

Momba ny UNICEF

Miasa amin'ny toerana sarotra indrindra eto ambonin’ny tany ny UNICEF mba hanatonana ireo ankizy sy tanora marefo indrindra - ary miaro ny zon'ny ankizy rehetra manerana izao tontolo izao.

Araho koa ny kaonty @UNICEFMada amin'ny  TwitterFacebook et Instagram