Fanolorana ny taratasy manendry ny Solontena maharitry ny UNICEF vaovao manana fahefana eto Madagasikara

06 Oktobra 2023
Présentation de lettres de créances de Christine Jaulmes
UNICEF Madagascar/2023/Ralaivita

Antananarivo, faha 6 Oktobra 2023 - Ny Solontena maharitry ny UNICEF vaovao eto Madagasikara, Rtoa Christine Jaulmes, dia nanolotra ny taratasy fanendrena azy tamin’ny Lehiben’ny diplaomasia eto Madagasikara, Rtoa Yvette Sylla, tetsy amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny Antananarivo, androany 6 oktobra 2023. Ity lanonana ity dia manamarika ny fandraisan-dRamatoa Jaulmes ny toerany amin’ny maha-Solontena maharitry ny UNICEF azy eto Madagasikara.

Tao anatin’ity fihaonana ity no nanavaozan’i Ramatoa Jaulmes ny fahavononan’ny UNICEF hanohana ny fanjakana malagasy amin’ny fampiroboroboana ny zon’ny ankizy malagasy tsirairay sy ny fanatsarana ny fiainan’ireo tena marefo. Nasongadin’ity Solontena maharitra vaovao ity manokana ny olana mahakasika ny fiovaovan’ny toetr’andro izay manana fiantraikany betsaka amin’ny fahasalaman’ireo zaza eto amin’ny firenena, ary koa ny maha zava-dehibe ny fiarovana sy ny fanabeazana ireo zatovovavy.

Talohan'ny nahatongavany teto Madagasikara, Rtoa Jaulmes dia efa nitana ny toeran’ny Solontena maharitry ny UNICEF tao amin'ny birao tany Kyrgyzstan nandritra ny efa-taona mahery kely. Izy koa dia Solontena maharitry ny UNICEF tany Guinée-Bissau nanomboka tamin'ny Septambra 2016 ka hatramin'ny volana Jona 2019.

Ramatoa Christine Jaulmes dia manana traikefa maherin'ny 22 taona teo anivon’ny UNICEF. Niditra tao amin'ny UNICEF izy tamin'ny volana Jolay 2001 tany Tchad, ary izy no Tompon'andraikitry ny Fifandraisana tao amin'ny birao tany N'Djamena. Tamin'ny 2004 izy dia lasa Lehiben'ny Sampana misahana ny Serasera tao amin'ny biraon'ny UNICEF tany Nizeria ary tany Bangladesh tamin'ny Febroary 2008, mba nahafahany nanome fahaiza-manao ara-teknika tamin'ny lafin’ny fandrindrana, fanatanterahana, fanaraha-maso sy fanombanana ny paikady fanaovana adisisika sy fifandraisana.

Talohan'ny nidirany tao amin'ny UNICEF, Ramatoa Jaulmes dia niasa teo amin’ny sehatry ny fifandraisana amin'ny maha-Tompon’andraikitry ny fifandraisana amin'ny daholobe ao amin'ny Federasionan'ny Fikambanana sy ny Hetsika ho an'ny Fifandraisana ara-tsosialy na « Fédération des associations et mouvements d'insertion sociale » (FAMIS) any Frantsa.

Présentation de lettres de créances de Christine Jaulmes
UNICEF Madagascar/2023/Ralaivita

Fifandraisana

Timothy James Irwin
Tompon'andraikitry ny serasera
UNICEF Madagascar
Lalaina Ralaiarijaona
Misahana ny serasera
UNICEF Madagascar

A propos d'UNICEF

L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous. 

Suivez l’UNICEF sur TwitterFacebook et Instagram