Fanokanana ny fampiratiana sary “araka izay tratran’olombelona” Fanaovam-baksiny ho an’ny rehetra”

19 Novambra 2024
Photos de groupe lors du vernissage de l'exposition photo
UNICEF Madagascar/2024/Ramasomanana

Antananarivo, 19 novambra 2024 – Fanentanana ny daholobe mikasika ny  ny maha-zava-dehibe ny ady atao amin’ny aretina lefa-kozatra, famporisihana mikasika ny fanaovam-bakisiny mahazatra ary fanaovana vakisiny ireo zaza mbola tsy nanao vakisiny mihitsy (zero daozy) na ireo nanao ihany fa tsy nahavita azy rehetra.  — ireo no tanjona lehibe tamin’ny  fampirantiana sary natao  mitondra ny lohateny hoe “ARAKA IZAY TRATRAN’OLOMBELONA - – Fanaovam-baksiny ho an’ny rehetra.”

Notanterahana tao amin’ny Lapan’Andafiavaratra ny fanokanana tamin’ny fomba ofisialy ity fampirantiana sary ity ka Ramatoa Mialy R. Rajoelina, Vadin’ny Filoham-pirenena Malagasy sady Reny mpiahy ny Vaksiny no nanokatra izany,  niaraka tamin’nAndriamatoa Profesora Randriamantany Zely Arivelo, Minisitry ny fahasalamam-bahoaka, sy Ramatoa Christine Jaulmes, Solontenan’ny UNICEF eto Madagasikara.

Sary  miisa telopolo eo ho eo, manasongadina ireo ezaka ataon’ny maherifon’ny vaksiny manerana ny firenena no nampirantiana tamin’izany. Nitatitra  ireo asa natao, eny na  hatrany amin’ireo faritra sarotra idirana indrindra aza tao anatin’ireo sary naranty. . Mampiseho indrindra ny fahavononana sy herim-po nanan’ireo mpandray anjara tamin’ny fanaovam-bakisiiny izany, sy ny ady atao isan’andro mba hahazoana antoka fa mahazo vaksiny avokoa ny ankizy rehetra, na aiza na aiza misy azy.

Fidiran’ny firenena an-tsehatra amin’ny fanaovam-baksiny

Tohin’ny hetsika maneran-tany mitondra ny anarana hoe “Araka izay tratran’ny herin’olombelona” ity ezaka fampirantiana sary natao ity, izay manentana ny firenena rehetra manerana izao tontolo izao mba hanao laharam-pahamehana ny fanaovam-baksiny sy hanokana ny teti--bola mety hilaina amin’izany. Nanambara ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara fa ny taona 2024 dia natokana ho taonan’ny vakisiny eto Madagasikara, hanamafisana ny ezaka ho  fiarovana ny ankizy amin’ny aretina azo sorohana amin’ny alalan’ny vaksiny.

Amin’ny maha Reny mpiahy ny Vaksiny azy, dia efa nasehon-dRamatoa Mialy R. Rajoelina tamin’ny alalan’ny hetsika samihafa ny  fandraisany anjara mavitrika, anisan’izany ny fanombohana ny ady amin’ny aretina lefa-kozatra sy ny fanaovambakisiny faobe fanonerana ho an’ireo zaza izay tsy nahatratra ny fotoana fanaovam-bakisikny teo alohaizay mikendry ny hanaovana ny vakisiny rehetra tokony hatao amin’ireo ankizy latsaky ny dimy taona.

Ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka dia mikendry ny hampitombo ny ambaindain’ny toerana hanaovana vaksiny mahazatra mba tsy hisy intsony ankizy tavela na tsy vita vaksiny fa ho vita vakisiny avokoa ny ankizy rehetra mialoha ny  faha-roa taonany. Miara-mientana avokoa moa ireo mpiara-miombon’antoka rehetra amin’izao hetsika fanaovam-bakisiny izao.Anisan’izany ny UNICEF, OMS, ny manampahefana eo an-toerana, ny fikambanana sivily, ary ny mpitarika ara-pivavahana sy nentim-paharazana.

Zava-dehibe ny ady ho famongorana ny aretina lefa-kozatra

Na dia efa voamarina tamin’ny taona 2018 aza fa tsy misy trangan’aretina lefa-kozatra intsony teto Madagasikara , dia hita fa niveri na indray ity valanaretina ity tamin’ny volana septambra 2020. Manoloana izany dia nikarakara hetsika fanaovam-bakisiny efatra lehibe manerana ny firenena i Madagasikara nandritra ny taona 2023.  Izany no natao dia ny mba  hanakanana ny fiparitahan’ny otrikaretina sy hanamafisana ny fiarovan-tenan’ny  mponina.  Mbola nisy hetsika telo hafa koa no natao nandritra ny taona 2024. Ary nisy iray tamin’izy ireo nampiarahina tamin’ny  ady amin’ny kitrotro.

Na dia eo aza ireo ezaka rehetra ireo, Madagasikara dia isan’ireo firenena mbola ahitana ankizy maro tsy mbola vita vaksiny — maherin’ny iray tapitrisa ny ankizy latsaky dimy taona no tsy nahazo vaksiny mihitsy teo anelanelan’ny 2019 sy 2023. An’arivony maro amin’izy ireo ankehitriny no efa nisitraka ny vaksiny voalohany noho ny ireo hetsika fanonerana natao tamin’ny taona 2024.

Fampiratiana sary azon’ny rehetra tsidihina

Rehefa vita ny fanokanana dia misokatra ho an’ny daholobe ny fmpirantiana sary ka azo nojerena tao amin’ny:

  • Tana Water Front Ambodivona, ny 20 hatramin’ny 22 Novambra 2024.
  • La City Ivandry, ny 23 hatramin’ny 26 Novambra 2024.

Hotanterahina any amin’ny faritra hafa manerana ny nosy ihany koa izany, mba hahafahan’ny olona hafa maro koa mandray anjara sy mahazo vaovao mikasika ny maha-zava-dehibe ny fanaovana vaksiny.

Manamafy ny fahavononany hiaro ny fahasalaman’ny ankizy sy ny hoaviny amin’ny alalan’ny ity hetsika ity indray i Madagasikara, ary manatevin-daharana ny firenena maneran-tany amin’ny tolona ho amin’ny fahafahana mampisitraka  vaksiny ho an’ny rehetra.

Fifandraisana

Lalaina Ralaiarijaona
Misahana ny serasera
UNICEF Madagascar

Momba ny UNICEF

Ny UNICEF dia miasa any amin'ny toerana marefo manerana izao tontolo izao mba hanatratrarana ireo ankizy sahirana indrindra. Any amin'ny firenena 190, miasa ho an'ny ankizy tsirairay izahay, na aiza na aiza, mba hanorina tontolo tsara kokoa ho an'ny rehetra.

Araho ny UNICEF amin'ny XFacebook, Instagram sy LinkedIn