Fametrahana ny vavahadin-tserasera entina mitoroka ny fanararaotana ara-nofo sy ny fitrandrahana mamoafady amin’ny aterineto eto Madagasikara
Antananarivo, 13 aogositra 2020 : Manomboka eto dia hahazo fanampiana avy any ivelany i Madagasikara entina mitoroka ny fanararaotana ara-nofo sy ny fitrandrahana mamoafady amin’ny aterineto. Nosokafan’ny Internet Watch Foundation androany ny vavahadin-tserasera iray vaovao natokana ho an'i Madagasikara, izay tafiditra ao anatin'ny fiaraha-miasa eo amin'ny Ministeran'ny Mponina, ny Fiahiana ara-tsosialy sy ny Fampiroboroboana ny Vehivavy ary ny UNICEF.
Ity vavahadin-tserasera ity dia ahafahan'ny olom-pirenena Malagasy sy manerana izao tontolo izao mitatitra, amin’ny fomba atokisana sy tsy mitonona anarana, ireo sary sy horonan-tsary mampiseho ny herisetra mihantra amin’ny zaza malagasy izay mivoaka amin’ny aterineto. Izany sary sy horon-tsary voatatitra izany dia hohadihadian’ny manampahaizana ao amin'ny IWF amin’ny alalàn’ny teknolojia maoderina sy mahomby, mba hamonoana azy ireo sy hanakanana izany tsy hiely amin'ny aterineto. Marihina anefa fa tsy manakana ny fanenjehana araka ny lalàna ireo tompon’andraikitra izany ezaka izany, satria ireo sary ireo dia halefa any amin'ny manampahefana eny an-toerana mba hahafahana mampiditra ny fitoriana.
Eto Madagasikara, ny fanadihadiana nataon'ny ECPAT France tamin'ny 2015 tany Antananarivo sy i Nosy Be mikasika ny « Ny fivarotan-tenan’ny zaza tsy ampy taona amin'ny alalàn’ny teknolojia vaovao » dia nahitana fa 63%n’ny tanora / ankizy dia mampiasa aterineto mba hitadiavana olona iarahana ary 75,3%n’ireo tanora / ankizy ireo dia nihaona mivantana tamin'ireo olona nifandray taminy. 87,7% tamin'ireo ankizy ireo dia nandefa ny sariny tamin’izany olona izany, ka 29.2%n’ireo olona niserasera tamin’ny ankizy ireo no nampiasa ny sariny manao akanjo tsy maotina. Noho ny firoboroboan’ny fampiasana aterineto tao anatin'ny taona vitsivitsy, dia inoana fa tsy hitsaha-mitombo ireo isa ireo.
Ny fiparitahan'ny sary / fitaovana mikasika ny fanararaotana ara-nofo sy ny fitrandrahana mamoafady atao amin'ny ankizy amin'ny alàlan'ny aterineto dia toe-javatra manerantany izay mitaky fandraisan’andraikitra eo amin'ny firenena tsirairay ary fiaraha-miasa iraisam-pirenena.
Manoloana ity trangan-javatra ity sy mba hiarovana ny ankizy manoloana ny fitombon’ireo loza ireo dia efa maro ny hetsika notanterahan'ny governemanta Malagasy, tamin’ny alalàn’ny fandrindrana napetraky ny Ministeran'ny Mponina, Fiahiana ara-tsosialy, sy ny Fampiroboroboana ny Vehivavy, niaraka tamin'ny fanohanana ara-teknika sy ara-bola avy amin'ny UNICEF ary ny fiaraha-miasa tamin'ny fiarahamonim-pirenena, indrindra ny Youth First sy ny ECPAT. Izany hetsika izany dia miompana indrindra amin'ny fametrahana rafitra fandrindrana ireo asa mifandraika amin'ny ady amin'ny herisetra sy ny fanararaotana ny ankizy amin’ny aterineto. Izany dia mikatsaka ihany koa ny hampivoarana ny fitaovana entina manabe sy manentana ny tanora / ankizy mba hanolorana azy ireo ny fahalalana izay ilaina hiarovany tena amin'ity tranga ity. Mbola tafiditra ao anatin’ny tanjon’izany hetsika izany ihany koa ny fametrahana ny laharana maitso 147 sy ny tranokala arozaza.mg mba hahafahana mitoroka ireo herisetra ara-nofo sy ny votoatin-javatra mivoaka amin’ny aterineto izay manimba ny ankizy.
Amin'ny alàlan'ity vavahadin-tserasera ity dia mahazo tombony ara-teknolojia sy fiaraha-miasa manerantany i Madagasikara. Izany dia manamafy ireo ezaka notontosaina hiarovana ny ankizy amin'ny fanararaotana ara-nofo sy ny fitrandrahana mamoafady amin'ny aterineto.
Madagasikara no firenena faha-41 manerantany manana vavahadin-tserasera napetraky ny IWF, ary faha-18 any Afrika.
Ny fametrahana ny vavahadin-tserasera eto Madagasikara dia nahazo ny fanohanana ara-bola avy amin’ny End Violence Fund.
"Manoloana ny loza ateraky ny fanararaotana ara-nofo sy ny fitrandrahana mamoafady mifandray amin'ny fampiasan’ireo zanatsika aterineto eto Madagasikara, ny sampan-draharaha iandraiketako, amin'ny maha-tompon'andraikitra voalohany amin’ny fampiroboroboana ny zo sy ny fiarovana ny zaza azy, dia tsy mitsahatra manatanteraka hetsika ary manitatra fiaraha-miasa mba hamongorana ity tranga ity. Noho izany, ny fiaraha-miasa miaraka amin'ny Internet Watch Foundation, amin'ny alàlan'ny famoronana ny vavahadin-tserasera entina manao fitorohana eto Madagasikara, dia dingana lehibe amin'ny fanatanterahana ny fanamby izay napetrakay ”, hoy ny fanazavan'ny Ramatoa NAHARIMAMY Lucien Irmah, Minisitry ny mponina, ny fiahiana ara-tsosialy, sy ny Fampiroboroboana ny Vehivavy eto Madagasikara.
"Ny fanararaotana ara-nofo sy ny fitrandrahana mamoafady atao amin’ny ankizy dia tsy azo ekena velively, na amin'ny alalàn’ny aterineto, na amin’ny fiainana tena izy. Izany no antony nanohanan'ny UNICEF ny fametrahana ity vavahadin-tserasera entina manao fitorohana ity, mba hahafahan’ny akizy, indrindra indrindra ireo zaza Malagasy izay iharan'izany habibiana izany mahazo ny fiarovana tsara indrindra eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Ny zava-dehibe indrindra amin’ity fanohanana ity dia ny fahafahana manongotra tanteraka eo amin’ny aterineto ireo sary mirakitra fanararaotana ara-nofo amin'ny ankizy, ka hahazoana miaro azy ireo mba tsy ho lasibatra intsony ”, hoy ny fanazavan'i Nicolette Moodie, lehiben'ny sampana mikasika ny fiarovana ny zaza eo anivon’ny UNICEF Madagascar.
« Ankehitriny, ny governemanta Malagasy, amin'ny alàlan'ny Ministeran'ny Mponina, ny Fiahiana ara-tsosialy, sy ny Fampiroboroboana ny Vehivavy, dia mampiseho ny fahavononany hahatonga an'i Madagasikara ho firenena mankahala ny sary sy horonan-tsary momba ny fanararaotana ara-nofo amin'ny ankizy eo amin’ny aterineto. Eto anivon’ny Internet Watch Foundation, dia tena faly izahay niara-niasa tamin'ny Ministera sy ny UNICEF mba hahatratrarana izany fanamby izany. Ny vavahadin-seratsera entina manao fitorohana dia dingana iray mankany amin'ny aterineto azo antoka kokoa ho an'ny ankizy sy ny tanora eto Madagasikara, » hoy ny fanazavan'i Rtoa Susie Hargreaves, Tale Mpanatanteraka ao amin'ny Internet Watch Foundation.
Ny vavahadin-tserasera resahana eto : https://report.iwf.org.uk/mg
Tompon’andraikitra amin’ny fanaovan-gazety:
- MPPSPF: RASOLOFONJATOVO Auguste, Talen'ny sampan-draharaha misahana ny Ankizy sy ny Fianakaviana,
Telefaonina 034 05 170 27
E-mail: [email protected]