Androm-pirenena ho an’ny fanabeazana mampiaty eto Madagasikara – Mifantoka amin’ny fampiroboroboana ny zon’ny ankizy sy ny tanora manana fahasembanana
Antananarivo, 26 novambra 2021 – Minisitera telo miandraikitra ny fanabeazana eto Madagasikara – dia ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena (MEN), ny Minisiteran’ny Fampianarana ara-teknika sy ny fanofanana arak’asa (METFP), ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Siantifika (MESUPRES), miaraka amin’ny Sehatra Nasiônaly ho an’ny Fanabeazana Mampiaty (PNEI) izay mampivondrona ireo mpisehatra sy mpiara-miombon’antoka rehetra amin’ny fanatanterahana ny fandaharan’asa momba ny fampiatiana amin’ny lafin’ny ara-panabeazana sy ara-tsôsialy eto Madagasikara, dia mikarakara ny Androm-pirenena ho an’ny Fanabeazana Mampiaty (JNEI) ho tanterahina amin’ny 26 novambra izao eny amin’ny Zaridaina Antaninarenina. Mandray anjara amin’ny lafiny ara-teknika sy ara-bola mahakasika ny fikarakarana ity hetsika ity ny UNICEF, izay anisan’ny mpiara-miombon’antoka amin’ny Sehatra Nasiônaly ho an’ny Fanabeazana Mampiaty.
Tanjona amin’ity andro ity ny fanairana mahakasika ny toe-javatra tsy rariny iainan’ny ankizy sy ny ray aman-dreny maro loatra eto Madagasikara ary ny fanatrarana ny tanjona faha-4 amin’ny fampandrosoana maharitra (ODD 4) : ny fahazoana fanabeazana tsara kalitao ho an’ny rehetra. Ny ODD 4 dia manome antoka fa ny tsirairay dia afaka misitraka fanabeazana tsara kalitao sy mitovy lenta ary manome vahana ny fianarana mandritra ny androm-piainana. Saingy eto Madagasikara, ny ankizy sy ny tanora manana fahasembanana dia matetika tsy manana zo fototra; anisan’izany ny fahazoana fanabeazana, fitsaboana na ny zo ho henoina feo. Izy ireo no tena iharan'ny herisetra ara-batana sy ara-tsaina ary tsy mba misitraka fanampiana amin’ny maha-olona. Ny fanadihadiana MICS natao tamin’ny taona 2018 dia mampiseho fa amin’ireo ankizy manana fahasembanana dia maherin’ny antsasany amin’izy ireo no 6 ka hatramin’ny 10 taona ary tsy mandia fianarana.
Hetsika maro isan-karazany no nomanina tamin’io andro fankalazana io. Hisy ihany koa ireo hetsika hafa izay ahitana fandraisan’andraikitra sy asa manodidina ilay foto-kevitra, fivoriana an-tserasera mivantana iarahana amin’ireo mpisehatra rehetra, fanentanana sy adisisika eny anivon’ny minisitera telo miandraikitra ny fanabeazana. Ireo hetsika ireo dia anisan’ny ahafahana mampiroborobo ny fomba fanao tsara izay mikendry ny fandrosoana, fampivoarana, ny fanatanterahana ny zon'ny ankizy sy ny tanora rehetra, indrindra fa ireo manana fahasembanana. Izany hetsika izany ihany koa dia ahafahana mamporisika ny fiarahamonina, na ny ray na ny reny ary ireo tompon'andraikitra misahana ankizy sy tanora, mba hijery ny momba ireo ankizivavy sy ankizilahy rehetra manana fahasembanana ary hanome azy ireo fahafahana hiaina tsara anaty fahasamihafana eo anivon’ny fiaraha-monina. Ho ampatsiahivina ireo mpanapa-kevitra ihany koa ny anjara andraikitr’izy ireo mikasika ny tena fanatanterahana ny teboka tapaka tany amin’ireo fivoriambe iraisam-pirenena isan-karazany mahakasika ny zon’ny ankizy sy ny tanora, indrindra ireo manana fahasembanana. Farany, hamafisina amin’ny faran’ity hetsika ity ny fahafantaran’ny mpiasan’ireo minisitera telo voalaza ireo ny foto-kevitry ny fanabeazana mampiaty eto Madagasikara.
Saingy tsy azo ferana ho andro tokana ihany ireo fandraisan’andraikitra ireo. Ity hetsika ity mantsy dia hitondra anjara biriky amin'ny fanamafisana sy fampaharetana ny vokatry ny hetsika natao, indrindra ireo mifanaraka amin'ny fandaharam-potoana 2030 ho an'ny fampandrosoana maharitra na ODD4. Fotoana iray ihany koa izany entina mampiroborobo ny fanapariahana fehezan-dalàna sy lalàna mifandraika amin’ny zon’ny ankizy sy ny tanora manana fahasembanana eto Madagasikara.
Ao anatin’ny fampiroboroboana ny zon’ny ankizy sy ny tanora sembana, ny fanohanan’ny UNICEF dia mihitatra mankany amin’ny hetsika hafa, indrindra ny fanampiana ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena amin’ny fanatanterahana hetsika maro isankarazany. Tafiditra ao anatin’izany ny fanombanana isam-pirenena momba ny zava-misy mahakasika ny fanabeazana mampiaty eto Madagasikara, izay fototra iray entina mamolavola paikady nasionaly, ny fampivoarana ny fahaiza-manaon’ny Sehatra Nasionaly ho an’ny Fanabeazana Mampiaty ao anatin’ireo hetsika fanaovana adisisika tanterahany, ny fanohanana ny fanofanana mpampianatra amin’ny lafin’ny fomba enti-mampianatra mba hanatanterahana fanabeazana mampiaty, ary ny fanomezana fitaovana mifanaraka amin'ny sekoly mampiaty sy ivon-toerana manokana.
Fifandraisana
A propos d'UNICEF
L’UNICEF travaille dans les endroits les plus inhospitaliers du monde pour atteindre les enfants les plus défavorisés. Dans 190 pays et territoires, nous travaillons pour chaque enfant, partout, afin de construire un monde meilleur pour tous.
Suivez l’UNICEF sur Twitter, Facebook et Instagram