Rafi-piahiana ara-tsôsialy mandray an-tanana ny olona manana fahasembanana
Taratasin’adisisika

Lafiny mampahatanjaka
Eken’izao tontolo izao fa mila miantoka sy mampiroborobo ny fiahiana ara-tsôsialin’ireo olona manana fahasembanana ny firenena iray raha toa ka maniry ny hampiasa vola araka ny tokony ho izy ho an’ireny sokajin’olona ireny ary manome antoka fa misitraka ny zony izy ireny araka ny Fifanarahana mahakasika ny Zon’ny Olona manana fahasembanana1 ( CRPD), izany fepetra izany no miantoka ny fahazoany fiahiana ara-tsosialy. Tsy afa-miala amin’io fitsipika io i Madagasikara. Any amin’ireo firenena mandroso dia mipetraka ho fenitra ny rafitry ny fiahiana ara-tsôsialy ho an’ny olona manana fahasembanana, mitombo isa koa ankehitriny ireo firenena andalam-pandrosoana mametraka rafitra manokana tahaka izany. Tsy vitan’ny hoe manome fidiram-bola maharitra, ara-potoana sy voavinavina ho an’ny ireo olona manana fahasembanana fotsiny ihany tokoa mantsy ireny rafi-piahiana ara-tsôsialy ireny, fa manonitra ihany koa ny sanda aterak’izany fahasembanana izany, no sady aro riakan’ny fidiram-bola ho an’ireny sokajin’olona ireny.
