Fanaraha-maso ny haintany any atsimon’i Madagasikara - 2020
Antontanisa isam-bolana avy amin’ny rafi-panaraha-maso ireo famantarana momba ny haintany nosintonina tamin’ny sary azo avy amin’ny zanabolana

- Vonona amin'ny:
- Français
- Malagasy
Lafiny mampahatanjaka
Toe-javamisy
Ny faritra atsimon’ i Madagasikara no mijaly rano indrindra eto amin'ny firenena ary mizaka ireo voka-dratsy goavan’ny fiovan'ny toetr'andro. Porofon’izany: mihamatetika sy mihamahery vaika hatrany ny haintany. Ilaina tokoa ny famaritana an-tsarintany sy ny faminaniana ny fitrangan’ny haintany mba hisorohana na hanalefahana ny tsy fahampian-drano sy ny mosary
Noho izy ahafahana manaraka akaiky ny rotsakorana sy ny fitombon’ny zavamaniry, ny sary an-janabolana ahafahana manaraha-maso bebe kokoa ny haintany ary manome fanairana haingana mba hanatsarana ny fandrafetana drafitrasa.
Amin'izao fotoana izao, tsy misy rafi-panaraha-maso nasionaly ny haintany eto Madagasikara. Ny fisian’izany anefa no manampy amin’ny fanombatombana ny loza mety hitranga ary mpahalala ireo mpiara-miombon’antoka, ireo mpanao asa soa ary ny tompon’andraikitra mba hanamorana ny fanomanana sy ny fepetra fanalefahana ny haintany
Fomba fiasa
Ny UNICEF sy ny Ivotoeram-pikarohan’ny vondrona eoropeana ary ny Ministeran’ny rano, ny fidiovana sy ny fanadiovana dia niara-namolavola rafi-panaraha-maso ny haintany any atsimon’i Madagasikara. Ity rafi-panaraha-maso ity dia mifototra amin'ny tondro momba ny haintany (ny rotsakorana sy ny tsy fahatomomban’ny fitomboan’ny zavamaniry / NDVI) nosintonina tamin’ny sary avy amin’ny zanabolana (CHIRPS ary MODIS).
Avy amin'ireo akoram-pahalalana vokarin’ny zanabolana ireo no tsoahina ny fivoarana ara-tantaran’ny haintany . Io fivoarana teo amin’ny lasa io avy eo no raisina ho filamatra ka ampitahaina amin’ny toe-java-misy isan-taona ankehitriny mba handrefesana ny herin’ny haintany. Misy biletà fanairana momba ny haintany mivoaka isam-bolana ary apariaka amin’ny mpiara-miombon’antoka rehetra.
Mba hahazoanao ireo biletà ho avy amin’ny mailaka, misorata anarana amin’ny lisitra mpandray ny "email" avy aminay
