Fahalalana mahavonjy
Tahirin-kevitra hizarana fahalalana ho an'ny fianakaviana sy ny mpiara-monina
Highlights
Hanome fahalalana ny fianakaviana sy ny mpiara-monina hiarovana sy hanatsarana ny fiainan'ny zaza no tanjon'ny Fahalalana Mahavonjy. Azon'ny ray aman-dreny, ny raibe sy renibe, ny mpitaiza na ny mpikarakara ny zaza sy ny tanora, anovozan-kevitra ity boky ity ahazoany fahalalana mikasika ny vohoka, ny fikarakarana ny zaza ho fitsinjovana ny fahasalaman'ny vatany sy ny sainy, ary ahafahany miatrika ny fiainana. Ny olana dia miompana amin'ny fahazoana antoka fa fantatra sy azon'ny rehetra ny fahalalana omena azy ary vonona izy hampihatra izany.
Azon'ny olona rehetra ampitaina ny hafatra ato anatin'ny boky Fahalalana Mahavonjy, na mpiasan'ny fahasalamana, na mpampianatra, na mpiandraikitra sosialy, na mpitondra fanjakana, na haino aman-jery, na mpanao gazety, na mpanentana eo amin'ny fiaraha-monina, ...