Taorian’ny tafio-drivotra Joda dia niara-nientana hanao ny asa fanarenana ny tanora
Ity tatitra an-tsary ity dia maneho ny toe-java-misy sy ny fanoloran-tenan’ny tanora sy ny fiaraha-monina izay niara-nientana nanao ny asa fanarenana taorian’ny famelezan’ny tafio-drivotra Joda ny faritra atsimon’i Madagasikara.
Nanao tombana ny faharavana ny skoto teo an-tanànan’i Faradofay. Mialoha ny tafio-drivotra dia efa nanao asa fanentanana tamin’ny mponina izy ireo, indrindra mikasika ny fepetra tokony ho raisina mandritra ny fotoana fandalovan’ny tafiotra toy ny fanatonana eny amin’ny toerana azo antoka.
Ny alin’ny sabotsy 15 martsa 2025, raha namely mafy ny tafio-rivotra ka nifaoka ny tany ala-trano rehetra tany, ireo mponina tao Lanirano, Faradofay kosa dia nandao ny trano fonenany ka nihazo ny sekolim-panjakana fanabeazana fototra mba hialoka ao aloha.
Ny ampitso dia niezaka ny tovolahikely iray antsoina hoe Tolin, 13 taona, hanamaina ireo kahie lena nohon’ny rotsak’orana izay namonto ny trano.
Trano vita amin’ny fanitso simba tanteraka vokatry ny fandalovan’ny tafiotra.
Théo Michele, 15 taona, miezaka manangona izay fanitso tsy simba ; niara-nipetraka izy sy Tolin, zanaky ny iray tampo amin’ny raiaman-dreniny.
Miezaka manala ireo hazo nianjera nandritra ny alina ka manembantsembana ny fifamoivoizana eo an-tanàna ny ekipan’ny mpamono afo.
Tonga nanome tanana ny skoto sy ireo mpilaza vaovao « U-reporters » ka nanarina ny fefin’ny sekolim-panjakana fanabeazana fototra ao Lanirano. izay nianjera.
Ireto mpilaza vaovao « Ureporters » ireto dia tanora manolo-tena hiasa ao anatin’ny sehatra nomerika iray, sehatra iray hahafahany maneho hevitra sy manao hetsika rehetra misy tranga-miaraha-monina miseho.
Manohana ny minisiteran’ny mponina ny skoto sy ny mpilatsaka an-tsitrapo amin’ny fanaovana tombana ny fahasimbana eny amin’ny toerana misy ny trano fonenan’ireo traboina mialoka eny amin’ny sekolim-panjakana fanabeazana fototra eny Amparihy.
Miara-mientana ireo mpilatsaka an-tsitrapo manampy amin’ny fizarana sakafo. Anisan’izany ireo skoto, tanora mpilaza mpilaza vaovao ao amin’ny « U-reporters » sy ireo mpilatsaka an-tsitrapo nantsoin’ny ministeran’ny mponina.
Zakariasy Randrianarivony, matihanina amin’ny sehatra fahasalamana ao amin’ny UNICEF, miara-miasa amin’ny mpiasan’ny fahasalamana, miantoka ny fitohizan’ny tolotra fizahana ara-pahasalamana sy ny fizarana fanafody eny amin’ireo toby nandraisana hialofan’ny tra-boina.
Fanamarihana : Ny UNICEF dia manohana ny Birao Nasionaly misahana ny fitantanana ny olana ateraky ny loza voajanahary (BNGRC) miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka hafa amin’ny fanomanana izay mety hamehana vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza, ary mandray an-tanana ihany koa ny sehatra fanbeazana, fahasalamana, fanjarian-tsakafo , rano, fidiovana sy fahadiovana ary ny fiarovana ny ankizy sy ny fiahiana ara-tsosialy.
Ny fandraisana andraikitra mandritra ny hamehana dia tohanan’ny rafitra iray antsoina hoe « Today and tomorrow initiative » miaraka amin’ny fanjakana Anglisy sy Alemana.