Oscamidi Anne, tena feno fahavonona ny hiverina hianatra.
Herintaona taorian'ny fiofanana Upshift sy ny fandresena azony tamin'ny fifaninanana farany niaraka tamin'ny ekipany, i Oscamidi Anne dia miasa ao amin'ny kiôska iray mametraka sy manamboatra takelaka fahanan'ny herin'ny masoandro
Manamorona ny lalambe, ao afovoan-tanànan'i Fenoarivo Atsinanana, any avaratra atsinanan'i Madagasikara, dia ahitana kiôska vita amin’ny hazo maro mijoro ary tazan'ny mpandalo tsara izany. Ao amin'ny iray amin'ireo kiôska ireo, tovovavy iray no mifantoka tanteraka amin'ny andrana fametrahana fitaovana mahakasika ny herinaratra. Tsy iza izany fa i Oscamidi Anne, 20 taona. Herintaona talohan'izay tokoa mantsy, rehefa voatery niala tamin’ny fianarany noho ny fahasahiranan'ny ray aman-dreniny i Oscamidi Anne dia nanatevin-daharana ny Upshift – fandaharan’asa izay notanterahan’ny UNICEF sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy. Tao no nanarahany fiofanana momba ny herinaratra sy ny fametrahana takelaka fahanan'ny herin'ny masoandro (panneau solaire), izay nahazoany fahaizana niaraka tamin’ireo tanora 100 hafa avy amin’ny faritra misy azy.
«Tiako izay rehetra mifandraika amin’ny sehatry ny herinaratra; tsy misy asa natokana ho an’ny lehilahy irery mantsy », hoy ny fanazavan’i Oscamidi Anne, tamim-paharesen-dahatra. Amin'izao fotoana izao, dia manao io asa io am-pireharehana tanteraka izy, ary manaporofo isan'andro fa manana ny toerany amin'ity sehatra ity ny tovovavy. Vao haingana ihany koa izy no nanapa-kevitra ny hianatra momba ny informatika, ary manantena izy fa ny asa izay ho ataony dia hahafahany mamatsy vola ilay fiofanana. Mino izy fa ireo fahaiza-manao fanampiny ireo dia ahafahany manitatra tsy ny sehatry ny fahaiza-manaony fotsiny ihany akory, fa ny tambajotra arak’asa misy azy ihany koa.
« Faly aho fa nanapa-kevitra ny hiverina hianatra indray izy. Tena reharehako ilay zanako satria tena tovovavy tia mandray andraikitra izy na ao an-tokontrano izany, na eo anivon’ny fiaraha-monina misy azy, » hoy Beria Macrée, reniny.
Manohy ny nofinofiny miaraka amin’ireo ankizy mitovy aminy
Oscamidi Anne, avy amin’ny fianakaviana manan-janaka dimy, dia lehibe tao anatin’ny toe-tsaina tena matanjaka teo amin’ny sehatry ny asa an-tsitrapo. Mpanabe ireo tanora mitovy aminy sady mpirotsaka an-tsitrapo amin'ny hetsika fitantanana loza voajanahary eo amin'ny fiaraha-monina misy azy izy. Nisolo tena an’i Madagasikara ihany koa izy tamin’ny Atrikasa mikasika ny adisisika ho an'ny Fanabeazana ny Tanora izay notanterahina tany Côte d'Ivoire tamin'ity taona ity. Amin’izao fotoana izao izy dia niara-nanorina ny Filankevitry ny Tanora ao amin’ny Faritra Analanjirofo, niaraka tamin’ireo mpikambana hafa, ho fiarovana ny tombontsoan’ireo tanora namany.
Ao amin'ny kiôska misy azy ireo, Oscamidi Anne sy ireo mpiara-miasa aminy dia miezaka mitantana tsara ny fidiram-bolan'izy ireo amin'ny alàlan'ny vondrona misahana tahirim-bola. Eo akaiky eo, misy kiôska telo hafa tantanin'ny tanora iray andiany aminy: ny iray mivarotra akanjo, ny iray indray kosa dia mivarotra mofomamy matsiro, ary ny farany dia mamatsy tolotra fanamboarana finday avo lenta. “Noho ny fampiofanana azoko tao amin'ny fandaharan’asa Upshift, dia nirotsaka tamin’ny sehatra fanamboarana mofomamy aho! Ankoatra izany, hanaraka fianarana amin'ny aterineto mahakasika ny fitantanana tetikasa aho mba hanatanterahako ny nofinofiko hanokatra trano fisakafoanana lehibe indray andro any”, hoy i Juliette, iray amin'ireo tanora.
Oscamidi Anne, ankilan’izay, dia manohy ny fametrahana fitaovana mandeha amin’ny herinaratra any an-tokantranon’ny mpiara-monina aminy, sady manohy ny fitadiavana ireo fomba entina manatsara ny fanamboarana takelaka fahanan'ny herin'ny masoandro (panneau solaire) eny amin'ny kiôska. Mijery izay fomba ahafahana miara-miasa amin’ireo mpamatsy tolotra any an-drenivohitra ihany koa izy mba hahazoana manomboka ny varotra.
« Tsy miova ny fanirian-dazako ho amin'ny ho avy: ny fanatrarana fizaràna herinaratra any amin’ny tanàna niaviako, vokatr’ireo takelaka fahanan'ny herin'ny masoandro (panneaux solaires) nokarakaraiko », hoy izy teo am-pamaranana.
Fanamarihana: any amin’ny faritra Analanjirofo, ny UNICEF sy ny mpiara-miombon’antoka aminy dia manohana ireo tanora ireo, ao anatin’ny fandaharan’asa Let UsLearn, amin’ny alàlan’ny famatsiam-bola avy amin’ny Komity Nasionaly alemana ho an'ny UNICEF sy ny Fondation Findel.