Ny haintany any atsimo dia manosika ireo fianakaviana hitsoaka ny toera-ponenany
-
Mahakasika fianakaviana maro avy any atsimon’i Madagasikara ny fifindra-monina avy any ambanivohitra. Noho ny haintany mahery vaika dia olona an’arivony maro no mandositra ny tany niaviany mba hifindra monina any an-tanàn-dehibe. Any Tolagnaro no toerana voalohany nifindran’ireo fianakaviana ireo, izay tanàna akaiky indrindra sy lehibe indrindra any atsimo. Ny sasany kosa indray dia nandeha lavidavitra kokoa ary namonjy ny renivohitr’i Madagasikara.
Feno hipoka ny tobin’ny masera mpanao asa soa. Nandritra ny fito herinandro dia nandray olona mihoatra ny 2 000 izy ireo. «Tafalatsaka ao anaty fahantrana lalina izy ireo ary tsy hainay ny handà azy ireo. Tsy manan-tsafidy ireo fianakaviana ireo satria ny tsy fisian'ny orana, ny tsy fahampian'ny loharanon-tsakafo dia fanamby tsy maintsy atrehin'izy ireo,» hoy ny fanazavan'i Masera Lucie Razafindrasoa, avy amin'ny Congrégation Filles de la Charité Saint Vincent de Paul.
Nifanena taminay i Manantsoa, 18 taona ary manan-janaka telo; izy dia isan’ireo olona nanovo rano ho an'ny zanany teo amin’ny fitaovana famatsian-drano vonjy taitra napetraky ny UNICEF, teo amin'ny toeram-pandraisana olona vonjimaika. Misy siniben-drano vitsivitsy napetraka teo ary vatsiana rano isan'andro izany. Ity fanampiana ity dia nomena vonjimaika mba hahazoan’ny tsirairay amin’ireo mpifindra monina ireo rano fisotro madio. Ny UNICEF dia manohana ihany koa ny sampan-draharahara isam-paritra misahana ny fanabeazana amin'ny fikarakarana ny « cours de remise à niveau ». Izany no natao dia mba entina miantoka ny fitohizan'ny fanabeazana ho an’ny ankizy amin'ny alàlan'ny fanolorana fitaovana vonjimika ho an'ireo ankizy marefo. Izany fampianarana izany dia kasaina hatao mandritra ny iray volana.
Raha ny filazany dia roa herinandro izay no nahatongavany tao mba hitadiavany sakafo ho an'ny zanany. « Tsy misy azo hohanina sy tsy misy azo atao intsony any amin’ny tanàna misy anay », hoy ny fanazavan'ity reny tokan-tena ity izay nilaozan'ny vadiny noho ny tsy fahampian'ny ho enti-manana. Ny zanany farany aza moa dia tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo, ary karakaraina ao amin'ny toeram-pitsaboan’ny masera. Mahazo fatran-tsakafo manokana natao hitsaboana ary azo ampiasaina avy hatrany, toy ny ankizy an'arivony hafa, io zaza io; tsy inona izany fa vokatra natao hitsaboana ny tsy fanjarian-tsakafo eo amin’ny ankizy.
Toy ny fianakaviana maro, dia tsy azo antoka ny hoavin'i Manantsoa; raha tsy misy ny orana dia tsy hisy andro mihiratra ho azy.